Matio 18: 21-35
Fahadisoana.Famelan-keloka. Teny roa mafonja ary tsy azo sarahina.Nitsapa toetra an’i Jesosy ve Petera ka nanontany hoe : Impiry no hamelako heloka raha nanota tamiko ny rahalahiko. Izany no fanontaniany nefa niaraka tamin’i Jesosy tamin’izay nalehany rehetra. Nandre sy nihaino ny fampianarany. Raha ny resaka eto dia tsy ilaina isaina akory ny famelan-keloka. Isak’izay misy mifona tanteraka tsy misy fihatsarambelatsihy dia tokony tsy ho lavina izany.
Tsy izany no mitranga eo amin’ilay fanoharana. Fa nisy mpanompo iray izay nahazo tombontsoa. Rehefa nifona sy niankohoka izy ny amin’ny hamotsorana ny trosany dia nanaiky ny tompony. Natahotra mafy mantsy ilay mpanompo satria miandry azy sy ny ankohonany ny tranomaizina. Miampy izany dia ho alaina ny fananany. Ka dia ho very tokoa izy. Afaka anefa io mpanompo io. Voavotsotra ny trosany. Azo an-tsaina ny fifaliany. Nandihy sisa tsy nataony na dia tsy voalaza eto aza izany.
Ny nampalahelo dia nisy mpanompo namany tahaka azy ary tratran’ny fahasahiranana toa azy koa. Nifona taminy. Nivalo. Niankohoka. Nefa dia tsy nekeny fa tsy maintsy mandoa ny trosa rehetra. Ary dia nampidiriny an-tranomaizina fa tsy mahazo famindram-po taminy. Hadinony ny soa nataon’ny tompony taminy. Ny loza dia niara-nigadra taminy ny vadiny aman-janany. Rehefa nahare io tantara io ilay tompo dia nampiantso ilay mpanompo voalohany. Noteneniny mafy ary dia nosaziny.
Tsy tantara vaovao akory io ao amin’ny soratra masina. Zavatra fahita ankehitriny koa.
Amin’izao fisavorovorona ara-ekonomika izao dia samy manahy daholo. Mikolay ny amin’ity atao hoe trosa. Toa marary an-doha daholo na dia ny manakarena aza. Sao dia very mantsy ny fananana na ny fiadanana heverina ho maharitra. Vita hatreo ny fanaovana kilalalao isa-karazany. Indray mipi-maso fotsiny dia very daholo ny noharina rehetra.
Misy tokoa ny olona izay mamotsitra ny trosa izay hananany tamin’izay nisambotra taminy. Rehefa hitany fa tena ao anatin’ny fahasahiranana ilay olona. Mety ho mpampiasa izany. Mety ho ray amandreny izany, mety ho mpiray tam-po, mety ho namana, mety olona natokisana fotsiny izao satria tsy nahita nisamborana izay ilaina. Mbola misy ny olona tsara. Mbola misy ny mangoraka. Ary ireny olona tsara ireny dia tsy mila fangatahan’andro. Fa rehefa manafaka dia manatanteraka izany tokoa. Afaka ny enta mavesatra teo an-tsoriky ny mpitrosa rehetra. Akory ny hafaliana. Afaka. Afaka tanteraka. Afaka miaina tsara amin’izay. Afaka manorina fiainana vaovao.
Nefa koa dia misy koa ny olona ratsy fanahy. Tsy te hahalala izay fangatahan’andro amin’ny fandoavana trosa. Mety karazan’olona amin’iretsy voatanisa etsy ambony izy ireny. Misy ny izay vao nampitrosa. Misy ny efa afaka tamin’ny trosa. Tsy manana fangorahana. Fa fandrahonanana aza no betsaka. Manapatra ny heriny amin’ny mana trosa aminy. Efa lavo dia mbola tsindrina ihany. Efa mahantra dia hampahantrana ihany. Tsy miraharaha izay hiafaran’ilay manana trosa. Tsy mihevitra ny ho avin’ny fianakavian’io olona io. Toa ohatrin’ny manala vokona aza no fisehoan-zavatra.
Mafy fo ny karazan’olona toa izany.Ary ao ambadika aza dia ny hampitombona ny zana-bola amin’ny fomba samihafa no ataony. Amin’izay hangoniny ho azy daholo ny fananan’ilay mpitrosa. Toa mahafinaritra azy ny mampijaly.
Hentitra amin’ny zavatra tsy mankaiza. Izay dia izay. Tsy tsaroany ny nataon’ny tompony taminy. Maro ny manao toa ilay mpanompo voalohany. Satriny aza hitarazoka eny mba ahazony manararaotra.
Misy mahita fahafinaretana amin’izany. Hoy izy hoe : efa nijaly aho taloha ka nahoana no tsy hijaly io. Manaporitra ny hafa fa tsy mahatsiaro ny famonjena nataon’ny olona tsara fanahy taminy. Tsy mamela hitraka. Maro no voan’izany amin’izao fotoana izao.
Izany rehetra izany dia azo atambatra amin’ny teny iray afenimpenina hoe: “Valifaty”.
Maro ny karazana trosa ao amin’ny orin’asa vaventy isakarazany. Misy ny karaman’ny mpiasa sasany dia lany amin’izany ary tsy sahy miteny amin’ny vadiny akory na ny havany izay tratran’izany. Misy koa ireo trosa madinika: toy ny manao bon sira kely, vary lely, saribao, afokasoka, savony, labozia … Rehefa mitambatra ireny dia tsy voaloa intsony. Ary dia miteraka adiady. Miteraka fosafosa. Tsy mifandevina raha maty aza.
Izay ny mahatonga hoe: azoko ianao izao ka dia tsy avelako raha tsy mandoa ny trosako. Azo lazaina aza fa efa nisy alahelo efa ela natoritory tao. Ka rehefa tonga ny famerenana trosa ka tsy voaloa dia mitsiry ao an-tsain’ny mpampitrosa ny mamaly faty. Tsy afaka hamotsitra izany trosa izany. Fa mihedinedina ery aza.
Asa izay fihainony izy ireny ny Filazantsara sy ny nandraisany ny hoe: Jesosy Kristy maty nitondra ny helontsika.
Impiry moa no hamelako ny heloky izay nanota tamiko hoy Petera. In-7 ? In 77? In-777 ? in-7777? Mihoatra noho izany. Isaky ny manota ny rahalahy dia natao hamela heloka isika. Sarotra ny fanatanterahana izany. Fa saingy raha manaiky mamaha ny fontsika isika dia ho tanteraka.
Atao ahoana no hilaza fa tena mpivavaka nefa ny fo feno fahatezerana, ny saina mikendry ny hamaly faty. Atao ahoana ny hanatrika an’Andriamanitra raha tsy madio ny fontsika. Tsy Andriamanitra no tsy mamela ny trosantsika fa isika olombelona ihany. Tsy Andriamanitra ilay Tompo mpanafaka no omena tsiny ka ilazana fa ranona no natonga izany. Raha mihaino izay nolazainy taminao ianao dia hiova ny fihetsikao. Ary ho feno fifaliana ianao satria afaka ny trosa noho ny famelan-keloka. Hahatsiaro ho maivana ianao ary iriharia miaraka amin’ny fianakaviana sy ny manodidina anao. Ny Tompo anie hanazava ny saina sy ny fontsika rehetra satria sarotra ny fanarahana an’i Jesosy Kristy. Maimaipoana ny famonjena sy ny famelan-keloka noraisintsika satria tia antsika Izy. Toa izay koa no hangatahiny amintsika. Ny Tompo hanampy ny tsirairay raha mbola lavitra ny lalana aleha ho amin’izany. Tsy valifaty fa famelan-keloka. Amena
Comments by Julia DARSOT