Genesisy 7 (indrindra ny andininy 12, 18, 24 )
Ny safodrano
Asa izay naha-tadidy fa tany Madagasikara tany amin’ny faritra Atsimo tamin’ taona 1978 na 1979 (fa tsy tadidiko intsony ny taona), raha nandeha nivory tany ny fikambanan’ny Vehivavy mpiara-mivavaka dia nisy safo-drano lehibe tao akaikin’i Tuléar talohan’ny fotoana nahatongavanay tany. Nitantara taminay ny fandehan’ny loza ny mponina tao. Hoy izy ireo : « Efa nampilazaina ihany izahay fa hiakatra ny rano ary hanafotra toerana maro. Nisy ny olona niala sy namonjy ny tendrombohitra. Fa nisy izay tsy nety. Rehefa niakatra ny rano dia tahaka ny feon’ny aeroplana. Niraondraona. Nampatahotra. Ireo izay tsy niala dia tratran’ny rano ary foana ny tanana iray (rayer de la carte !).Nisy olona izay tafakatra teny amin’ny hazo ary nijanona teny nandritra ny folo andro ». Nalahelo mafy aho nihaino ilay nitantara fa notohizany hoe « ary nisy aza vehivavy iray izay niezaka hitsaoka fa tratran’ny rano ihany ka niraikitra teo amin’ny hazo ary ny zanany dia teny am-babeny.Nopotserin’ny rano teo izy ireo. Samy maty teo izy mianaka ». Narikoditra aho rehefa nahare izany. Nandritra ny roa andro aho tsy nahateny.
Tsy misy teny koa azo ambara ny amin’ny loza nanjo ireo mponina nandalovan’ny rivodoza amin’izao fotoana izao.Tena mampalahelo. Efa fantatra ihany fa amin’ny fotoan’andro tahaka izao dia mety hisy ny rivodoza ary tsy iray fa mety ho telo mifanesisesy any amin’ny faritr’ireo nosy maromaro ireo.
Raha mijery ny tantaran’i Noa sy ny safodrano isika dia ho gaga fa nampiomanin’Andriamanitra izy. Ary dia nanana fotoana nanaovana sambo izay nitondra azy mianakavy sy ireo biby ary zava-boary isakarazany. Nandritra ny efa-polo andro dia niaina teny ambonin’ny onjan’ny rano izy mianakavy.Tsy nahare na inona na inona afa tsy ny orana mipatrapatraka.Izay no voalazan’ny tantara.Ary izy mianakavy ihany sisa no velona !
Amin’izao fotoana izao dia poha toa izay ny fahatongavan’ny rivo-doza. Ao anatin’ny roa andro dia efa migadona eo an-toerana. Na dia ao aza ny fananana fitaovana tena tsara amin’ny fandinihina ny lanitra sy ny famantarana ny toetr’andro dia tsy manana fotoana firy hiomanana ny olona ialana amin’ny loza. Tahaka izany koa, na dia tena tonga lafatra aza ny fampitana vaovao dia tsy mahasakana ny loza. Tsy afaka ny hiomana akory ny olona hamonjy ny fananany.
Ny tena aloha no tsy maintsy vonjena. Mitady izay handosirana haingana. Ary atao izany ao anatin’ny fotoana fohy : iray na roa andro. Nefa tratran’ny loza ihany ny mponina. Matahotra tokoa satria mananontanona ny fahafatesana.Tsy fantatra izay hanjo.Tsy maintsy mandao ny zavatra rehetra nametrahana ny fo. Tena mafy. Rehefa tonga ny loza tsy misy azo hifikirana. Na ny fianakaviana aza dia misaraka satria tsy afaka hiara-dia. Noho ny ny fahatairana dia samy namonjy ny ainy.Misy ihany koa ny maty ary ao ny maratra maro.
Maratra ara-batana ary miantso sy miandry vonjy.Manantena fa ho ren’ny olona ny antsony.Nefa rehefa jerena amin’izay hita amin’ny televiziona dia tena sarotra ny raharaha.Na izany aza dia mikikitra hanao ny asany ny mpanao vonjy aina na dia avy lavitra aza izy ireo.Na dia ny sakafo hohanina aza tsy misy.Teraka ny saina ratsy amin’ny sasany ny amin’ny handroba ny fananan’ny hafa.
Maratra ara-tsaina koa ny maro satria tsy zaka ny fahitana izao loza izao. Miteraka famoizam-po. Mahaketraka. Very tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananana rehetra izay nangonina. Ny loza tsy nifidy na mahantra na manakarena teo amin’ny lalana nolalovany. Mahatsiaro voadona any anaty ny tena na dia misy aza ny afaka mandeha ka manangona izay sisa mijoro. Na izany aza tsy maintsy mihatrika ny hitan’ny maso. Sarotra ekena ny zava-mitranga. Ao ny afaka miteny, ao ny tsy mahaloa-peo.
Maratra ara-panahy ka manontany tena : nahoana no tsy narovan’Andriamanitra tamin’ny loza izy sy ny taniny ? Misy ny mihevitra fa izay no sitrapon’Andriamanitra. Misy kosa ny manome tsiny an’Andriamanitra. Tsy maninona izany fa izay no hahafahany miresaka amin’Andriamanitra. Hahatsiarovantsika ny tantaran’i Joba niaraka tamin’ireo telo (3) lahy namany. Tahaka ny inona moa ny tenin-drizareo tao ?
Rehefa mahita ny sary amin’ny televiziona isika dia manontany hoe : Inona no iafaran’ireto olona ireto ? Ahoana no hanarenana izao zavatra simba rehetra izao. Ahoana no hampijorona izay resin’ny hakivina.
Mahatsiaro ny fivoriana pastoraly tao Rocheton tamin’ny taona 2012 aho. Hoy ilay mpampiofana anay hoe : « mivezivezy ny olona marobe mitsao-ponenana noho ny ady. Ary vitsy ny mandray sy mamonjy azy ireny. Fa saingy tsy hitan’ny olona fa mety hisy fitsao-ponenana goavana vokatry ny loza hateraky ny rivo-doza avy amin’ny fiakaran’ny rano ». Noheveriko fa ny rano an-tanety ihany no nolazainy tamin’izany fotoana izany.Fa nampiany ny fanazavana avy eo hoe : « indrindra ny ranomasina izay hiova noho ny toetr’andro. Ny loza dia ny fisin’ny tanana marobe sy lehibe eran’izao tontolo izao izay be mponina manakaiky ny ranomasina ».Toa marina tokoa ity lazainy rehefa dinihina.
Anisan’izay nohaharian’Andriamanitra koa ny rano. Mahafinaritra ny mahita azy madio sy manadio nefa koa mamono sy mahafaty. Nefa dia io rano io ihany koa no hampiasaina amin’ny fanaovana batisa izay mariky ny fahavelomana sy fitsanganan’ny tena amin’ny maty amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy.Io rano io koa no tsy maintsy sotroin’ny olona rehetra eto an-tany satria ilain’ny tenany izany.
Io rano io koa, na rano mamy na ranomasina dia samy sarobidy ary mampiteraka ady aza satria rehefa mihena ka ritra dia tsy maintsy misy ny hamaritra fa azy ary izy ihany no tompony. Araka ny filazan’ny siantifika sy ny mpanao jaridaina dia io rano io rehefa miakatra ho zavona ka miverina ety an-tany dia misy 15 000 taona (dimy arivo sy iray alina)vao mirotsaka. Ela dia ela tokoa. Nefa koa rehefa mirotsaka ka diso tafahoatra dia toa manimba koa. Tsy hita ihany izay hanaovana azy. Tany amin’ny 1979 dia efa nisy tao Madagasikara Mpampianatra iray tao Ankatso RAMIANDRASOA Fred no anarany ary tsy nitsahatra niteny hoe : « Ny razambentsika dia efa nanafatra fa fehezo ny fikorinan’ny rano eto amintsika fa aza mifaly fotsiny hoe : manakarena amin’ny rano izahay ka tsy miraharaha.Fa mbola ho ritra io indray andro any ».Efa nody mandry izy fa raha mbola velona teo izy asa izay nolazainy. Nahoana no mijaly amin’ny rano isika ? Sa kosa mba misy fanafodiny ihany ?
Rehefa tsy manorona fonenana eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany dia efa zava-dehibe. Ireny trano miorina tsy ara-dalana ireny dia vokatry ny vola asisika ny mpanome alalana ka hahazona tombo-tsoa noho ny fitiavam-bola tafahoatra sy fitiavan-tena. Asa na mandry ny sain’izay manao izany na tsia. Tsy miandry ny hisin’ny rivo-doza na safo drano vao mamboatra fitehirizan-drano.Fa mialoha izany dia ho kely ny zavatra simba raha sendra ka tondraka ny rano. Ny tsy fikarakaran’ny olona, ny tsy fanajan’ny taniny ka hanimbany ny ala sy hitrandrahana ny tany noho ny fitadiavana harena dia efa famonoana tsikelikely izao tontolo izao ary ao anatin’izany ny tanintsika.
Maka fotoana kely ny amin’izao loza rentsika ny amin’ny rano izao.Aza mitsara an-dRanona sy Ranona fa samia aloha mandinika ny tenany. Mba ahoana izaho ity eo anatrehan’izany.Ny amin’ ity tany hitoerako ity. Hifanjanako amin’ny hafa ve ny fikarakarana azy sa …? Asa izay hevitrao ny amin’ny « Théologie du climat » ? Miasà, mikaroa fa aza malaindaina.
Comments by Julia DARSOT