Ny Fanahy Masina efa tonga hatry ny ela nambomba izao tontolo izao manontolo.Tsy mitsahatra Izy mampahery :

 

Ireo nihahaka hovoriany

Ireo tezitra hampifaliany

Ireo mihorohoro hampangininy

Ireo mangetaheta hampisotroiny

Ireo mandohalika hampijorony

Ireo nitresaka hatambany

Ireo rava hampitsanganiny

Ireo niongotra hampaniriny

Ireo maloto ho sasany

Ireo tonta hohavaoziny

Ireo fahavalo hampandosiriny

Ny firenena sitraniny sy tiaviny