Golgota toerana malaza satria teo no nahafatesan’i Jesosy, ilay natao hoe Zanak’Andriamanitra. Maty tahaka ny olombelona rehetra noho ny ratra nihatra taminy. Tsy nahatohatra ny herin’ny fahafatesana izy tamin’io fotoana io.
Golgota koa dia toerana namonoana ireo izay voaheloka ho faty tamin’izany fotoana izany. Raha izany dia tsy Jesosy irery no maty teo.
Golgota dia Ikarandoha koa no dikany. Satria teo no nianjera ny lohan’ireo izay maty.
Golgota dia havoana tahaka ny bikan’ny Ikarandoha rehefa jerena.
Maro ny olona eran’izao tontolo izao izay mpizaha-tany no te-hahita io toerana io .Eny fa na dia ny kristiana sy ny olon- tsotra fotsiny aza.
Raha mijery ilay sary etsy ambony ianao dia lasa eritreritra. Misy hazo fijaliana tena lehibe ary karandoha maro eo ambany. Nataoko hoso-doko tamin’ny « encre de chine noire» io sary io rehefa niverina tao an-tsaiko ny ady tany Rwanda .Somary gaga ihany izay nahita azy.Ka nisy ny nilaza hoe nahoana no atao sary eto fa tokony halevina im-pito mandifotra olona. Ny navaliko dia ny hoe : « tsy misy tsy mahalala ny zavatra nitranga tany. Atao ahoana no hanafenana azy ? Navela iharan’ny fandrimpahana ny maro ary tsy nisy namonjy. Maro ny faty nihapatrapatra ary tsy nisy mpandevina. Nisy zazalahy rawandais iray izay ny fiangonana nentiko no niahy azy tamin’izany fotoana izany. Vao sivy taona izy ary faly nifanoratra tamin’ny fiangonana. Ny fianakaviany nankasitraka ny fanampiana natao taminy. Kanjo tampoka teo dia tapaka izany.Tsy nahazo nifandray taminy ary tsy hita izay fomba hahafantarana ny niafarany. Nalahelo tokoa aho nadritra ny taona maro ary hatramin’izao rehefa mitamberina ao an-tsaiko iny ady iny, na misy olona mitovy anarana amin’ilay zazalahy.»
Ho anao mpamaky tsy nahafoana ny alaheloko io sary io satria manontany tena matetika aho hoe : mbola velona any ve ilay zazalahy ? Inona no niafarany ?
Miverina amin’ny tantaran’i Jesosy aho. Izy dia fantatra ny tantarany teo amin’ny fahatanorany fa tsy ny fahazazany. Voasoratra izay zavatra nanjo azy.Fantatra ny toerana nahafatesany.Ilay miaramila niandry teo aza nangoraka ary niaiky fa Zanak’Andriamanitra io lehilahy io. Fantatra koa fa nisy olona nikarakara ny vatany ary nandevona azy. Marihiko kely fa ny any amintsika dia tena malaza ny mpangalatra taolam-paty. Fihetsika izay mifanohitra amin’ny maha-olombelona.
Ny ZOMA MASINA dia hahatsiarovana amin’ny vakiteny ao amin’ny Soratra Masina ny fahoriana nianjady tamin’i Jesosy. Ary amin’ny vavaka marobe ataon’ny kristiana dia ny fisaorana an’Andriamanitra nanolotra ny Zanany ho faty teo ambony hazo fijaliana ho famonjena izao tontolo izao.
Amiko izany io zoma masina io dia tsy fahatsiarovana izay nanjo an’i Jesosy fotsiny fa ho fitondrana am-bavaka koa ny olona rehetra mijaly eto an-tany noho ny fanamelohana tsy rariny sy ny fanamelohana ho faty.
Koa raha mivavaka aza hadino ny mivavaka ho an’izay olona heverina fa mitondra fampijaliana eo amin’ny fiaraha-monina. Maro ny tany misy ady ary maro ny matimaty foana. Noho ny fifankahalana sy ny fanaparana ny hery : na avy amin’ny sandry na avy amin’ny fitaovam-piadina. Maro ny tsy misy mpandevina fa tsy hita faty.Maro ny faty miparitaka.
Aza mitsahatra mivavaka na dia ho an’izay heverina fa fahavalo aza. Mivavaha amin’ny faritra rehetra nisin’ny famonoan’olona toy ny halatra vola, na fananana, na tany, na olona. Mivavaha ho an’ny fianakavian’izay niharan’izany. Aza amin’ny fotoanan’ny zoma masina ihany fa isan’andro. Ny fanarahana an’i Jesosy Kristy manetsika ny rehetra hiasa fa tsy hiandry ny hafa. Matoa ianao mbola velona dia nantsoina hivavaka ho an’izay tratran’ny fampahoriana. Aza manao hoe : ho an’i Madagasikara ihany sy ho an’ny tsara fanahy no hivavahako fa fitiavan-tena izany fa ho an’izay renao fa misy loza mitatao sy loza nihatra tany.Ho an’ireo izay manao ny habibina rehetra. Asa ny vavaka fa tsy resadresaka fotsiny.
Maro ny toerana toa an’i Golgota koa aza hadino ireny rehefa vita ny herinandro masina.Maro ny Ikarandoha tsy misy mpandevina.
Ilaina ny fotoana hanginana sy hieritreretana rehefa mahatsiaro an’i Golgota.
Comments by Julia DARSOT