Jeremia 49 : 23 – 39
Manomboka eo amin’ny toko faha-46 dia filazana ny tenin’ NY TOMPO tonga tamin’ i Jeremia. Mahataitra ny mpamaky ihany ny mahita hoe : izany ve no tenin’ny TOMPO ? (NY TOMPO ao amin’ny Testamenta Taloha dia ny dikanteny vaovao ilazana ny hoe : « L’Eternel » na NY TOMPO ANDRIAMANITRA ). Nahoana no tsy mba teny mamy fa teny mila hampitomany. Tsy mba misy fifaliana tsikaritra fa tebiteby hatrany. Fa inona ireto firenena ireto ? Ady no misongadina ao. Fandripahana koa. Izany ve no efa tsinjon’i Jeremia mialoha ka voatery hilaza izany izy ?? Raha izay no tantara nitranga dia soa fa nisy nitahiry an-tsoratra ny fandehan-javatra. Na dia heverina aza fa nisy nampina na nanalana kely ny amin’ny zava-niseho. Ny mpandika ny soratra moa dia mety ho diso tsipelina indraindray. Na izany aza ny ankapobeny dia ao, voatahiry tsara. Ary ilaina ny hahalalana izany.
Maninona ary ny Baiboly izay tena boky hankafinzintsika kristiana ity no tsy tantara mampifaly foana no lazaina ao fa tantara toa itony ?Misy koa ny mihevitra fa izay voasoratra tahaka izao ao dia milaza fa efa voasoratra ao ny ho avin’ i Madagasikara. Mahagaga izany fiheverana izany.Izaho aloha dia tsy mino izany fa ho lazaiko etsy ambany ihany ny hevitro.
Fa andao hiverina amin’ny Jeremia 49 : 23-39
Faminaniana ho an’ny toerana telo no voalaza eto. Marihiko tsara fa ny dikan’ny faminaniana dia tsy ny fahitana ny ho avy akory fa toriteny manaraka ny toe-zavatra misy.Mety tsy hitovizantsika hevitra izany.
Tantaram-pirenena no hitantsika eto. Mikasika an’i Damaskosy, ireo firenena Arabo, sy Elama. Samihafa ny fomba filaza ao nefa dia zavatra iray ihany. Ary ny hitovizan’izy telo ireto dia :
- Ny loza dia ho avy any Avaratra.
- Mananontanona ny loza ary mety tsy azo hialana. Noho izany dia mangovitra sy mitaintaina ny olona. Ampitovizany amin’ny vehivavy eo am-piterahana. Tena marary tokoa na ny tena, na ny saina, ary mangotsoka ny fanahy. Toa tahaka ny tsy mety aza ny nijanonana eo an-toerana.
- Hisy ny fandringanana mahatsiravina satria ny zatovo dia ho faty eny an-kianjan’ny tanana.Tsy ho hafenina izany. Ny miaramila aza tsy afaka hiaro ny mponina akory. Fa ho resy. Ary hidaboka ho faty koa.
- Fanafian’ny hafa feno herisetra satria ho voaroba daholo ny fananan’ny tompon-tany : ny trano, ny biby, ny fananana rehetra. Tsy misy antra na dia kely aza.
- Fandosirana no hany sisa azo atao. Hoy ny olona : tsy misy fampihorohorona toa izany. Nasaina nitsaoka any amin’ny tany miadana, tsy misy fefy manakana ny tsy hidirana. Kanefa na izany aza dia hanaraka any ny loza. Tsy misy fiadanana fa izay aleha rehetra dia maha-ory. Tsy misy mpamonjy.
- Ny loza miely tokoa noho ny fahafatesana
- Ny faharesena dia tonga satria na ny fitaovam-piadina aza dia ho simba. Ny tsipika ho tapatapaka. Ny mponina manodidina amin’ny lafiny efatra dia hambabo daholo.Tsy ho afa-mikofoka ny firenena voatafika. Na dia mitsaoka aza dia mbola arahin’ny fahavalo.
Talohan’izao zavatra nitranga izao dia toerana nahitana fiadanana ny tany Damaskosy, ny tany amin’ireo firenena arabo, ny tany Elama. Fa amin’izao voalazan’i Jeremia izao dia simba tanteraka. Very i Damaskosy izay tananam-pifaliana sy noderaina hatrany. Ny tany Hazora izay tena niadana dia hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana .Ho lasa tanana haolo. Ny tany Elama kosa dia haharitra ny fijaliana tany. Sahiran-tsaina mafy ny mponina. Tsy fantatra izay hiafarana.
Tena mampalahelo ny zavatra mitranga. Hay ve tamin’izany fotoana izany dia efa tena nisy ny ady mahamay amin’ny firenena samy mifanakaiky.
Amin’izao fotoanan’ny Caremy 2017 izao dia nofidina izao teny izao hampiheritreritra. Nahoana no nisy izany taloha ? Tany amin’ny toerana izay heverina fa tsy hisy tokony ny fandringanana. Ary nahoana no mbola misy izany ary toa mahakasika firenena tsy vitsy amin’izao fotoana. Tsy misy miafina intsony ankehitriny noho ny filazam-baovao malaky.
Anjaran’ny tsirairay no mieritreritra. Fa tsy hoe, mitovitovy amin’ny any amintsika ka voasoritra ao ny ho avin’i Madagasikara. Ny tsirairay no tompon’andraikitra amin’ny mahatsara na maharatsy ny tany izay nomen’Andriamanitra hiadidina.
Comments by Julia DARSOT