Alahady faharoa amin’ny Karemy 2016
Lioka 9. 28 – 36
Tahaka ny mahare angano rehefa mamaky ity tantara fohy ity.
Ny voalohany mantsy dia mahaliana ny hahafantarana ny zava-miafina ny amin’ny fiovan’ny toetry ny tarehin’i Jesosy. Ny famirapiratan’ny fitafiany izay nampahazava ny manodidina azy. Ny fahatongavan’i Mosesy sy Elia tampoka. Maro no milaza fa mystera izany ka aza hadiadina fa izay voasoratra dia voasoratra.Indrindra ao amin’ny Soratra Masina. Moa tsy izany indrindra ve no manaitra ka mampanontany tena hoe : inona no dikan’izany amiko ? Inona no hafatra tian’ny Filazantsara hampitaina amin’ny mpamaky ? Mosesy moa no nampita ny Lalana tao amin’ny tantaran’ny firenen’Andriamanitra. Io Lalana io dia efa karazana toriteny.Izay hain’ny maro tsianjery aza.Tao koa Elia mpaminany izay niakatra tany an-danitra. Mampahatsiaro koa ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra.Ity tantaran’ny fiovan’ny toetry ny tarehin’i Jesosy mantsy dia voasoratra saika aty am-piandohan’ny Filazantsaran’i Lioka. Ny mampihomehy dia ry Petera sy Jaona ary Jakoba rendreman’ny torimaso. Toa ohatrin’ny nanonofy. Ary nangataka ny hanorenana trano lay. Kanefa dia marihin ‘ny mpanoratra fa « tsy fantany akory izay lazainy »(and :33b).Tsy tanteraka izany fanirina izany satria nisy rahona izay nandrakotra azy ireo. Ary natahotra aza ireo mpianatra. Tao anatin’izany haizina izany no nisy ny feo avy tao amin’ny rahona hoe : « Ity no Zanako voafidiko, Izy no henoy ».
Ny faharoa dia io teny izay tsy hita izay milaza azy. Nefa manondro an’i Jesosy ho Zanaka voafidy. Izy no henoy ». Rehefa nisinda ny rahona dia Jesosy ihany sisa teo. Izy no tazana. Ary taitra ny mpianatra ka tonga saina. Io no tena mafonja eto amin’ity tantara ity.
Ny filazantsaran’i Lioka mantsy dia ho an’ny rehetra : na jiosy na tsy jiosy, na mpino na tsy mpino. Matetika mantsy dia variana ny olona amin’ny zava-mahagaga fa tsy mahare ny teny izay hampitain’Andriamanitra. Tsy voalazan’ny mpanoratra fa Andriamanitra no nilaza azy ity. Fa heverina ihany ho Izy satria Andriamanitra tsy hita maso.
Inona moa no antony hilazana izany teny izany. Satria ny mpianatra dia ireo izay mpanara-dia voalohany an’i Jesosy Kristy. Ao koa ireo izay jiosy ka niova ho mpanaraka an’i Kristy.Ao koa ny jentilisa nandray ny Filazantsara ka niova fo ary nanaraka ny finoana an’i Jesosy Kristy. Izany rehetra izany dia mila fitaizana ara-panahy. Satria tsy maintsy misy ny manohitra ny hevitra ny amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho Zanak’Andriamanitra.
Manana andraikitra izany ny mpianatra hampita amin’ny Fiangonana ao amin’y filazantsaran’i Lioka fa « Jesosy Kristy ihany no tokony henoina. Izy irery no Zanak’Andriamanitra ». Misy tokoa mantsy ny fivavahana hafa izay manintona. Indrindra tamin’izany fotoana izany mbola vao haingana ny nitsangana’i Jesosy Kristy tamin’ny maty ka tao ny mety ho fisalasalan’ny maro.
Tahaka izany koa isika amin’izao fotoana izao. Maro ny mpandrebireby ka mivoitra daholo ny fivavahana sandoka izay tsy misy afa-tsy fanambakana fotsiny. Misy ny mivarotra ny fananany noho izany ary lasa mahantra. Minomino foana satria tsy mijoro amin’fandalinana ny amin’ny fivavahany. Mora tarihina sy avilivily atsy sy aroa. Ny mahatonga izany dia satria tsy mandalina tsara izay hinoana dia Jesosy Kristy.Fa rehefa mazava io dia tsy misy mahahozongonzona ny finoanao. Ary tsy miovaova ianao.
Eto amin’ny firenentsika koa dia maro no toa tsy mihiratra ny masony.Ary tsy mahafantatra izay lazaina. Indraindray aza dia milaza ho mahita an’itsy sy iroa. Ka dia mino daholo izay mahare ary voatarika amin’ny zavatra izay mahavery ny tena sy ny fananana .Misy aza miala amin’y fianakaviana. Satria izay no lazaina aminy hahazony famonjena.
Mamporisika antsika ny Filazantsaran’i Lioka hihaino ny Tenin’Andriamanitra madio tsy misy fangarony. Tsy afaka hanompo sampy no hivavaka amin’i Jesosy Kristy. Mitovy daholo ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy hoe mahay na manakarena i Ranona dia iny no hahazoko fiainana mandrakizay. Na mahay mandahatra sy miteny ranona dia iny no hanavotra ahy.
Ny mihaino dia tsy ny mahare fotsiny ihany fa mandinika tsara ny teny re.
Hoy ilay olona izay tamiko : izaho mbola miandry ny hafatra izay lazain’Andriamanitra ho an’i Madagasikara. Dia gaga aho raha nahare izany. Ny valiny dia izao : efa ela ny hafatra no nolazainy dia ny fanamafisana izay nataon’i Jesosy Kristy hoe « Tiava an’Andriamanitrao, tiava ny namanao, tiava ny fahavalonao ». Nofintinin’i Jesosy ny Lalana nomena an’i Mosesy ary nanamafy izany Elia nivezivzy nitondra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny faritra maro. Ary mbola hampahatsiahivin’ny Tompo antsika. Tsy misy Teny mihoatra noho izany. Ho antsika rehetra. Raha tsy afaka manatanteraka izany ny kristiana dia miverina amin’ny fahajambana sy ny maha-marenina azy.
Comments by Julia DARSOT