TENY ho vakiana

Jaona 20 : 19-29

Fiadanana ho anareo, in-telo miverina eto amin’ny Filazantsaran’i Jaona, ary indray mandeha ao amin’i Lioka.

Sambatra ny kristiana izay afaka mankalaza ny Tompo satria miadana sy mandry ny tany.

Irin’ny olombelona rehetra ny atao hoe : Fiadanana.. Mitady izany daholo rehefa mandre korontana sy ady satria mihahaka ny jiolahy sy ny mpandromba. Raha foana mantsy ny Fiadanana dia tsy misy fifampahatokisana intsony.

Eto amin’i Jaona dia manonona ny Fiadanana Jesosy satria tafahoana amin’ny mpianatra ary samy velon’aina. Fifaliana moa izany. Ny Fiadanana koa dia tononina rehefa hifanao veloma, na rehefa milaza tsodrano.

Maro ny olona mijery manodidina ka miteny hoe : Rizareo izany toa tsy misy fahasahiranana fa miadana. Ny sasany indray dia hoe : tena misosa ny fiainam-pianakavian-drizareo ka miadana ery. Ny sasany kosa dia hoe : mana-karena sy manam-pahefana ary tsara antom-pivelomana ka miadana. Lasa lavitra ny fisainana ka manao hoe : ary ahoana ity làlana hizorako ity, ahitako fiadanana ve ?

Aza kivy raha izany ny eritreritrao, fa tsy irery ianao. Fa ny olona rehetra dia mikatsaka sy mikaroka ny atao hoe : fiadanana. Indrindra amin’izao toetran’andro sarotra misy antsika izao.

Misy milaza fa ny fahafahana no mitondra amin’ny fiadanana. Fahafahana hatraiza ? Henoy ny tenin’i Jesosy : « Fiadanana ho anareo ». Ary koa ny fomba fiteny hafa hifampiarahabana :« Bonjour, Bonsoir , Manao ahoana ? Akory lahaly ? sy ny hafa. Mahafinaritra daholo ny mandre izany satria misy dikany lalina izany. Taty aoriana moa ny an’ny malagasy dia niraisana tamin’ny hoe “Salama”. “ Fiadanana ho anareo”. Taitra no feno hafaliana ny mpianatra satria mbola tao anatin’ny tahotra.

Tsy ela akory mantsy no nisin’ny fihetsiketsehana momba an’i Jesosy sy ny nahafatesany. Mahatahotra ny tenin’ny vahoaka ka misitrika ao an-trano ary tsy mivoaka. Teo am-piarahabana Jesosy dia nampiseho ny holatra amin’ny tànany sy ny ilanivony indrindra ho an’i Tomasy izay tsy nino fa nitsangana tamin’ny maty tokoa Jesosy raha tsy hitany.Tsy ny zavatra sarotra inoana no lazain’ny Baiboly amintsika . Fa ny fanekena fa zavatra nitranga tao amin’ny tantara izany. Ary manomboka eo amin’ny fanekena sy finoana an’izany no mampiova tanteraka ny fiainana ara-panahy.

Ireo holatra ireo dia milaza fa tonga nofo tokoa ilay Zanak’ Andriamanitra. Nandalo ny fijaliana, niharitra ny fahoriana, izay no hahafantarany ny manjo antsika olombelona. Nihikika sy nitomany ary voaeso. Nefa fotoana sarotra indrindra nitadiavany tambintamby, safosafo, fitiavana mba hampahery. Nitsaoka daholo ny olona, eny fa na dia ny mpianatra rehefa mafy ny ady.

Izany rehetra izany dia tsy nanakana ny Tompo hilaza teny mamy hoe “Fiadanana ho anareo” Ny olombelona rehetra dia mety ho tratran’ny fanahiana,ny fahasahiranana, ny tebiteby, ny fakam-panahy … Ny Soratra Masina dia milaza fa tsy maintsy miatrika izany isika. Fa saingy ny fihaonantsika amin’i Kristy velona no hanome hery antsika hanatrika izany.

Ny fahagagana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay dia ny fiovany rehefa tafahoana tamin’i Jesosy Kristy. Satria tanteraka ao anatin’izany ny fiadanana, dia ilay Fiadanam-po. Tsy misy raorao fa milamina tanteraka noho ny famelan-keloka izay natolotr’i Jesosy Kristy ho azy. Miova ny fiainana manomboka hatreo. Napetraka daholo ny lasa rehetra. Ao anatin’ny fiadanana ny famelan-keloka.

Misy angamba mbola te-hanohy ny fiainany tahaka ny tamin’ny lasa : fahatezerana, ahiahy, fahoriana, fitiavan-tena, fanenjehana ny hafa, fosafosa, halatra madinika, fampiadina ny namana . Kanefa dia azo ovana izany raha tapak’ hevitra fa handray ny Fiadanan’ny Tompo. Hainga vaovao eo amin’ny fiainana, miteraka olom-baovao ho an’ny tena sy ny taranaka mifamdimby. Misy ohatr’izany ve ?

Hamirapiratra indray ny masontsika, tsiky no hita eny amin’ny tava, tsy mitaredretra intsony amin’ny asa. Mahakivy ny olona rehefa mandre fa nisy korontana hono tao amin’ny Fiangonana. Marina izany. Natao aiza ilay Fiadanana nomen’ny Tompo. Notohanana tsy hikasika ny fo ? Fa te hitoetra ao amin’ny adiady tsy mitondra mankaiza, fa mampihemotra ny asan’Andriamanaitra. Enga anie ka tsy ho avy amintsika izany.

Ho anao izay narary, na eo am-pararina, na lalovan’ny fahafatesana ny fianakaviana dia io Fiadanan’ny Tompo io no manasitra ny alahelonao satria efa navelany ny helokao koa matokia Azy..

Raha manonja ny ranomasina, ka mitsoka ny rivo mahery. Indro kosa Jesosy mitoetra ao am-ponao ary tsy ho rendrikin’ ny onja mampitompatompa ny fiainana ianao.Fa hitraka na dia henjana aza ny zavatra mitranga manodidina.

Ao amin’i Jesosy Kristy no hahitana fitsaharana, sy ny Fiadanana tantetraka izay adika hoe “ shalom”, nanome ny teny hoe “ salama “ ( ny fototeny slm). Na dia mafy aza ny tafio-drivotra, dia milamina ny ao am-po satria efa nomen’ny Tompo ny Fiadanany isika. Tretrika ny kristiana. Koa aoka tsy hisy hanonzongozona izany. Eny ! .. Amena.