Alahady 19 aprily 2015
Lioka 25 : 35-48
Nahoana moa no tsy hatahotra mahita olona mitsangana eo afovoan-trano nefa heverina fa maty ? Izay indray mangataka sakafo hohanina. Ary niara nisakafo tamin’ireo mpianatra.
Araka ny finoan’ny mpino an’i Jesosy Kristy dia nitsangana tamin’ny maty tokoa Izy. Raha izay no marina dia afaka misakafo izany. Tsy hoe noho ny havizanana fa hilazana fa tsy nijanona tany amin’ny fiainan-tsy hita Izy.
Natahotra mafy ny mpianatra. Nampitony azy ireo ny Tompo. Tsy mahazatra ny olombelona mantsy ny zavatra nitranga. Jereo fa Izaho ihany ity hoy ny Tompo. Tsapao ny tanako sy tongotro.Ary ny holatra eto. Aza matahotra.
Nampahery ny mpianatra ny tenin’ny Tompo ary faly aza izy ireo. Nasainy nikasika ny holatra.Teo amin’izay maratra sy rovitra. Eo no hahatsapana fanaintainana rehefa voakasika.
Raha isika no tratran’izany dia ho sadaikatra. Na ny olona akaiky aza dia mila fitandremana ny mikasika azy.
Tamin’ny fotoana niasan’i Jesosy dia nikasika ny marary Izy matetika hanasitranana azy ireny. Tahaka ny rafozambavin’i Petera izay noraisiny ny tanany. Na ilay jamba izay nokasihiny ny masony. Kanefa mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy manatona azy ireo ny Tompo. Izay no fihetsika voalohany. Manakaiky ilay marary. Hanamarihana fa tsy misy elanelana eo amin’izy ireo. Ary tompon’andraikitra amin’izany asa sy fihetsika izany izay manatona.
Nasain’i Jesosy nikasika ny tenany ny mpianany mba hampisava ny tahotra sy ny tsy finoany.
Rehefa mikasika ny ratrantsika mantsy isika na ny olona hafa dia mitandrina ary manao izany amin’ny fihetsika malefaka mba tsy hampaharary azy. Mihaino ny tenany isika no mihaino koa ny tenantsika . Ary miaramiaina amin’ilay olona aza eo ampitsapana azy. Hahafantarana koa fa ilay mitondra ratra dia tena eo tokoa. Hany ka tsy nofinofy akory ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty fa tena nisy.
Sarotra tokoa tamin’ny olona tamin’izany fotoana izany ny hino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Na dia ny mpianatra aza sahirana ny amin’izany.Na ny olona ankehitriny aza dia misy tsy mino izany. Ny nanampin’ny Tompo azy ireo hahatakarany izany dia ny fanazavana ny sainy. Nanao izay azony natao ny Tompo mba hahafantaran’ireo mpianatra hoe « : iza marina tokoa moa Izy re » ?
Isika koa talohan’ny naha mpino antsika dia tery saina ny amin’izany. Sarotra koa ho antsika ny nandray ny Filazantsara. Noho izany dia ilaina ny nanatonan’ny Tompo antsika. Izany no antony hisehoany amin’izay rehetra mino. Izy no manatona antsika voalohany.
Manasa antsika hikasika ny tenany Izy . Tsy hilazana fotsiny fa velona ny Tompo fa hahazontsika miara-miaina aminy. Satria eto amin’izao tontolo izao hiainantsika dia tsy mahita Azy isika noho ny tsy finoantsika. Ny fifandraisantsika amin’ny Kristy Tompo dia ny fahatsapantsika Azy tanteraka miaraka amin’ny fihavanana Aminy feno fitiavana. Ny fitiavan’ny Tompo Andriamanitra.
Izay no tian’ny Tompo ho azontsika. Ary ny Soratra masina no manazava ny saina amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra.
Ny tsy fahitana ny vatan’ny Tompo dia mahalasa fisainana eo amin’ny finoantsika an’i Jesosy Kristy. Tsy misy mahadiso izany.
Ny fihainona sy famakiana ny Tenin’Andriamanitra no manampy sy mampahiratra ny saina hahatakarantsika ny hoe : Iza moa no Andriamanitra inoantsika. Ilay Andriamanitra velona fa tsy maty. Eto amin’izao tontolo izao mantsy dia samy maka ho azy. Maro ny tsy te hihavana. Tsy te hifankatia. Kanefa ny fitsanganan’ny tenany Jesosy Kristy tamin’ny maty dia laharana voalohany amin’ny finoantsika manambara ny famonjena antsika satria tia antsika ny Tompo Andriamanitra. Ary tsy miova izany Fitiavany izany. Amena.
Comments by Julia DARSOT