Alahady voalohany amin’ny Karemy 2015 (22/2/15)
Genesisy 9: 8 – 15
Ampahatsiahivina fa ny Genesisy toko 1 – 11 dia nosoratan’ny mpanoratra mba hanazavana ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona. Voasoratra tamin’ny taona 500 talohan’i J.K ireo toko 11 ireo. Noraisina ho toy ny « angano » ny tantara sasany ao. Ireo zanak’Andriamanitra voalaza nidina nanambady ny zanakavavin’ny olombelona(toko faha-6 : 1-4) dia ohatra iray hanamarihana izany. Ny tsy fahalalan’ny mpanoratra koa fa tsy teo amin’ny tany nisy an’i Noa ihany no nisy olona. Ny filazana an’Andriamanitra ho nanenina ka nampitovizana Azy ho toy ny olombelona.
Nahafaty olona maro ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa.
Voalazan’ ny mpanoratra fa noho ny faharatsiana be loatra tambon’ny tany satria ny fisainana rehetra tao anatin’ny fon’ny olona dia ratsy avokoa. Nalahelo Andriamanitra noho izany.Niharan’ny fandringanana daholo afa-tsy Noa mianakavy sy ireo zavamaniry sy biby niaraka taminy tao an-tsambo fiara.
Nitsahatra ny safo-drano. Nivoaka ny sambo i Noa sy izay niaraka taminy. Nanao fanekena tamin’i Noa Andriamanitra. Fanekena fa tsy hisy intsony ny fandringanana toa izao.
Nefa dia mbola re atsy sy aroa fa misy izany ary mampitondra fahoriana izay voan’izany. Misy mihevitra fa noho ny fahotan’ny olona na ny firenena no mahatonga izany ka kapohan’Andriamanitra.
Inoako fa Andriamanitra tsy mikapoka velively. Fa io tantara io dia natao ho fampieritreretana ny zanak’olombelona.
Fampieritreretana :
–Ny zava-mitranga ankehitiny eo amin’ny Zava-boahary dia mbola tohin’ny faahariana.
–Fampianarana ny rehetra koa hikarakara ny tany omena azy.
–Samy nahazo tany tsara sy mahafinaritra daholo ny firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao. Anjaran’ny tsirairay ny mampamokatra izany. Na mivahiny any an-tany hafa aza dia manana anjara amin’ny fampandrosoana ny tany izay hitoerana na tsy an’ny tena aza. Satria izay no niantson’Andriamanitra ny olona tsirairay. Na dia any amin’ny tany hay aza dia misy soa fa saingy tsy takatry ny saina izany. Ho tany vanona ny tany hiainan’ny olombelona sy ny zava-boahary rehetra.
Rahefa simban’ ny orana na ny riaka ny tanana, ny fananana, ny voly … dia samy malahelo. Nefa maro no mifanome tsiny. Ary manome tsiny an’Andriamanitra koa.
Raha tamin’ny andron’i Noa ve no nisy loza toa izao dia tsy efa tokony nandinika hoe ahoana no ialana amin’izany. Ny safo-drano tsy maintsy misy satria tsy voatohana izany. Fa saingy ny fiarova-tena amin’izany dia azo dinihina sy ampiarina. Raha tian’ny olona izany dia vitany. Saingy maro no matoky tena. Nefa tandindon’ny loza izy sy ny fianakaviany. Tsy noho ny fahotana akory fa tsy taitra raha tsy efa voa. Nefa diso tara fa niaran-doza .
Tsy eto Madagasikara ihany no hahitana fahasimbana vokatry ny safo-drano fa amin’ny firenena maro. Indrindra eo amin’ny toerana tsy tokony hanorenana trano. Misy dia misy ny maty sy lasan’ny rano na voatototry ny fotaka marihitra.
Mampangontsoka ny tantaran’i Noa nefa natao mampieritreritra ny rehetra ankehitriny.Tsy mety ny manakipy ny maso ka tsy te-hahalala ny marina.
Raha mijery an’ Madagasikara isika dia tratran’ny fahantrana loatra ny ankamaroan’ny vahoaka. Nefa nomen’Andriamanitra tany tsara. Tena tsara. Ny faharatsiana voalazan’i Noa dia tsy ny fahotana akory fa ny tsy fikarakarana izany tany izany. Izany no hampahatsiahivina eto. Napetrak’Andriamanitra eto Madagasikara ny malagasy hampandrombona izany tany tsara izany. Eny fa na dia ireo vahiny aza.
Fifaliana ny mahafantatra fa nomen’Andriamanitra tany feno renirano maro ary vitsy ny toerana tsy hahitana rano. Maro ny firenena mitsiriritra izany. Nefa ny rano ihany no mampitondra faisana rehefa tsy voakarakara na simbana ny lalany. Rano tokony hanome fahavelomana sy fanatsarana ny tontolo iainana. Misy ny manimba ny rano noho ny loto sy ny zava-dratsy avy amin’ ny ozina samihafa. Tsy ho voatohatra akory ny tafiodrivotra mitondra rivo-doza. Fa nomen’Andriamanitra saina sy tanana hahay hikolikoly ny voly, sy ny biby fiompy,sy ny tany ny malagasy nefa dia maro no simba.Tsy tokony hisy ny hanohanana raha hatsaraina toy ny manambolambo ny tany honenana. Samy manana talenta avokoa ny rehetra ary fanomezana lehibe nomen’Andriamanitra izany. Nefa maro no tsy mampiasa izany. Na mampiasa izany fa ao ny manana saina ny hanimba sy hanapotika izany (Gen 6 :5). Misy ny tsy tia ny hisondrontana ka manimba ny tany.
Nanao fanekena tamin’i Noa Andriamanitra sy nitso-drano azy fa tsy hisy fandringanana amin’ny safo-drano intsony ho an’ny nofo rehetra. Marina ho an’i Noa izany fa marina ho an’ny malagasy koa sy ny mponina rehetra ao Madagasikara.( Raha mino izany ny kristiana satria ny kristiana no mamaky matetika ny baiboly ary mahalala io tantaran’i Noa io.) Nefa marina ho an’ny mponina ao Madagasikara rehetra fa anjaran’ny tsirairay ny manamboatra ny tany izay nomen’Andriamanitra honenany.
Ny fanekena dia toy izao « Omen’Andriamanitra io tany hitoerana io ho karakaraina. Ho voninahitra’ilay Andriamanitra nanome azy. »Tsy mivadika amin’izany Andriamanitra.
Ny tantaran’i Noa na dia heverina ho angano aza dia fampianarana sy fanairana ny kamo sy matoritory. Tsy maivana akory ny angano. Fa fampiasa amin’ny literatiora entina manazava misimisy kokoa ny tontolo iainana.
Misy hafatra lehibe ity tantara ity sy ny fanekena nataon’Andriamanitra.
« Nomen’Andriamanitra tany sarobidy maimaim-poana ny malagasy.Ny fanadinona an’izany dia tsy fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fanomezam-pahasoavany . Tompon’andraikitra amin’ny fiambenana sy fikarakarana ny tany ny tsirairay . ».
Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fanekeny fa rehefa manome dia manome. Fa lozan’izay tsy te hahalala izany. Tsy ho voasakana akory ny safo-drano na ny tsunami na ny horohoron-tany satria ao anatin’ny fitohizan’ny fiforonan’izao tontolo izao izany.
Fa misy kosa loza atao fanahinina dia ny fanimbana sy fampahantrana ny tany. Aoka tsy ho hadino fa ny olona tsirairay dia nalaina avy amin’ny tany.Ary mbola hiverina amin’ny tany.
Na dia ao anatin’ny fotoanan’ny Karemy na ny fotoanan’ny fifadian-kanina aza ka tsy misy fandinihin-tena lalina na fiovampo dia mbola ho safotry ny loton’ny fahafatesana ny tany iainana.
Manontany ny Tompo Andriamanitra ankehitriny ho an’izay milaza mpanaraka an’i Jesosy Kristy : Te hiala amin’ny fo feno ratsy ve ? Izay no hamelona ny firenena sy ny tany. Ho an’ny olombelona rehetra no nanaovan’Andriamanitra ny fanekena fa tsy nanavakavaka Izy.
Comments by Julia DARSOT