Fifaliana tsy misy ohatrin’izany ny an’ny kristiana rehefa tonga ny andron’ny Paska.Tsiky sy faharavona no hita eny amin’ny tarehy.
Ity misy tantara iray. Hoy ilay olona izay : ny andro Paska dia tokana ihany ny ahy : mihira ny « Anao ny dera ry Mpanjakanay ». Akoatrin’io dia tsy misy mahamaika ahy. Tsy te hihira irery aho ka izay no andehanako any am-piangonanna miara-mihira amin’ny hafa. Ampy ahy io hira io hoy ilay olona. Marina tokoa fa mankalaza ny fitsanganan’I Jesosy Kristy tamin’ny maty. Ary indrindra ny fandresen’ny fahafatesana ilay hira.Hira iray izay hay amin’ny teny maro izy io.
Hira mampiseho ny fanantenana ho amin’ny fitsangana’ny tena amin’ny maty koa.
Ao amin’ny Soratra masina dia nanomboka tamin’ny andron’Ezekiela no nisy ny finoana ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Eny fa na dia efa lasa taolamaina aza. Tsy fitsanganan’olona tokana akory tamin’izany fotoana izany. Fa ny daholobe.
Taty aoriana ireo fiangonana voalohany no nanindry mafy araka ny tantara hita tao amin’ny Filazantsara ny amin’ny fitsangana’ny tena amin’ny maty ho an’ny tsirairay. Hita koa izany ao amin’ny epistilin’i Paoly.Indrindra rehefa manamafy fa niala tamin’ny fahafatesana ka niditra ho amin’ny fahavelomana.
Ekena koa anefa fa tsy mbola nisy olona maty ka iny fa hita niverina teto an-tany. Ny efa nisy dia maty iray na roa andro nefa dia maty tanteraka taty aoriana. Nefa koa hita fa raha tena simba ny atidoha dia tsy velona intsony ilay olona.
Fa raha mijery ny tantaran’ny Paska na ny heviny dia efa tamin’ny andron’i Mosesy. Ireo zanak’Israely izay nivoaka tany Ejypta dia nohenjehan’ny miaramila egyptiana. Voakan’ny ny ranomasina ny fandosirana. Nefa dia nosavain’Andriamanitra ny lalana ary tafita ny zanak’Israely. Tao koa ny fahatahorana tamin’ny hanohanana satria tsy nisy intsony ny sakafo tany an-efitra. Ary dia latsaka ny mofo sy ny mana.Velona ny zanak’Israely samy voky araka ny tokony ho izy ny tsirairay. Ary tany aorina dia tonga tany amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra azy izy ireo. Ireo tantara roa ireo dia nampiseho ny tahotry ny zanak’Isarely fa tahaka ny teo anoloan’ny fahafatesana izy ary ny fitiavan’Andriamnitra no namonjy azy ka velona rizareo. Izay ilay atao hoe « Paska », milaza fotoana fandalovana zavatra mafy. Manosika amin’ny fahafatesana aza ary tsy hita na ho tafita na tsia. Ary ny nahafahany tamin’izany loza izany no Paska : Fandalovana niainana zavatra tena sarotra ary afaka tamin’izany loza izany ka velona soamantsara.Tao anatin’ny aizina no niditra tao amin’ny hazavana. Naharitra 40 taona izany. Tahaka ny fitsanganana amin’ny maty ihany ny fiatraikan’izany tamin’ny zanal’Isarely satria nandresy ny fahafatesana nananotanona azy.
Raha mijery ny loza folo niahatra tany Ejypta dia fitsanganana amin’ny maty koa ho an’izay velona ny fitsaharan’ny loza.
Amin’izao fotoana maro ny fahasahiranana mety hiteraka fahafatesana ary tena izany mihitsy.
Ao ny fahaverezana asa. Tratran’ny faharerahan-tsaina izay voakasik’izany. Manakorontana tokatrano sy ny fianakaviana aza.Tahaka ny akaiky ny fahafatesana satria mihena ny fivelomana. Ary tsy afaka hamelona ny fianakaviana intsony. Eny fa na ny tena aza.
Ao koa ny fifandraisana amin’ny zanaka. Samy manana ny toetrany ka tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Samy manana izay hitaizana azy ireny ny ray amandreny nefa sarotra satria tsy maharaka ny zavatra miseho.Indraindray efa tena very ny zanaka ary tsy hay izay hanampina azy. Na ny ray amandreny aza mila fanampina amin’ny fanarenana izany. Misy koa ny rayamandrteny tsy dia mivaky loha amin’izany fa hoe : efa lehibe ny ankizy ka dia any izy. Tsy misy intsony ny fifandraisan’ny zanaka sy ray amandreny ary tsy afaka mifampiresaka akory fa dia mifanalavitra. Inona no atao mba tsy harendrika ny tratran’izany. Raha avotra mantsy dia toy ny fitsanganana amin’ny maty ny fiverenan’ny filaminana ao amin’ireo olona ireo.
Ao koa ireo olona may vava ka miteniteny foana . Tahaka ny aizina ny fiainany satria tsy vitan’ny mandratra olona amin’ny teny fa mandratra sy mamono azy koa. Raha afaka amin’izany dia ho feno fifaliana sy fahasambarana ny fiainany toa ny nitsangana tamin’ny maty.
Maro ny ohatra azo lazaina indrindra any amin’ny tany misy ady izay hahitana zavatra mahatsiravina sy tena mahavaky fo.
Izany rehetra rehetra izany dia tsy voalamina ao anatin’ny indray mipimaso fa mila fotoana . Mety ho andro na ambolana nefa koa mety ho amantaonany. Izay no mety hahakivy satria samy manana ny herin-tsainy. Ho an’izay mareforefo dia tahaka ny fahafatesana no miandry azy.
Maro dia maro ny mandalo amin’ny fahasahiranana isakarazany ny olona eto amin’izao tontolo izao.Ary mitady vahaolana fa tsy tody amin’izany. Raha mihasimba ny fiainana ara-nofo izay zava-dehibe ka reraka koa ny fiainana ara-panahy dia mety ho resin’ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy koa. Enga anie ka hahita fifaliana ianao rehefa niaina izany fadalovana izany na hafirina na hafirina no naharetany.
Misy mihevitra fa rehefa mahantra sy malotoloto dia tsy mila mifanerasera amin’izy ireny akory fa hihatahana.Ary mety ho tratran’izany eritreritra izany na dia ny kristiana aza. Nefa ireny mahantra ireny indrindra no natonon’i Jesosy.Tahaka ilay vehivavy samaritana tafahona taminy . Niova tanteraka ilay vehivavy satria tafahoana tamin’ny Tompo.
Koa ny Fandalovana eo amin’ny fahafatesana ara-panahy ho amin’ny fahazavana dia tsy zavatra mora.
Comments by Julia DARSOT