Perikopa alahady 18 aogositra 2013
Jeremia 38 : 4 – 10
Nirahin’Andriamanitra hanatanteraka asa sarotra Jeremia tao amin’ny tany sy fotoana tsy nisin’ny fandriampahalemana. Jodia sy Israely dia efa toa ambavahoan’ny fahafatesana ny mponina ao.
Sedekia, dia mpanjaka napetrak’i Nabokadonozoro hitondra an’i Jodia. Ary niantso an’i Jeremia hilaza aminy ny ho avin’ny tany sy ny fanjakana. Rehefa nilaza izany tokoa Jeremia dia tsy te hahalala i Sedekia fa nanao arak’izay heveriny hatao.
Manarak’izay dia nofitahin’ireo manam-boninahitra izy noho ireo tsy nahazaka ny tenin’i Jeremia. Marina fa tsy zavatra mahafaly no voalaza fa fiavin’ny loza atsy ho atsy. Loza satria hananika ny tany ny fahavalo. Noho izany dia hisy ady. Ary io dia mitondra fikorosohana ho an’ny firenena indrindra izay resy. Satria tsy maintsy mihohoka eo anatrehan’ny mpandresy.
Eny, tsy nahafaly ny manam-boninahitra miaramila tao an-dapa ny tenin’i Jeremia. Akaiky ny fahefana, akaiky ny mpanjaka Sedekia izy ireo, ary nanapatra ny fahefany ao amin’ny fitondrana.
Naniry ny hahafatesan’i Jeremia aza izy ireo. Izay no toro-hevitra nomeny ny mpanjaka. Raha manaiky io mantsy ny mpanjaka dia tsy izy ireo intsony no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’i Jeremia satria tsy izy no mpanatanteraka ny baiko farany. Afa-maina izany izy ireo amin’ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka. Izany no atao hoe : mitady ranondranony tamin’ny mpanjaka.
Fa inona no teny nataon’i Jeremia ka tsy nahafaly ny manam-boninahitra ? Tsotra . izao no lazainy « and . 2 : Izao no lazain’ny TOMPO : Izay mijanona eto amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanàna mba hitolo-batana amin’ny Babiloniana kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy » ary ny and. 3 : Hatolotra eo an-tananan’ny Babiloniana tokoa ity tanàna ity ka ho azony . »
Ary dia nafototry ny manam-boninahitra tamin’i Jeremia izany teny izany. Nolazain’izy ireo fa fanakivina ny miaramila sy ny vahoaka izany. Marina fa tsy teny mitondra fampaherezana tokoa. Kanefa raha mijery ny tantara dia hita fa tsy haharesy ireo fahavalo akory ny fitambaran’i Jodia sy Israely. Noho izany mba tsy hahafatesan’ny vahoaka sy hiharan’ny fijaliana dia tsy maintsy mitady ny lalana hialana amin’izany. Ka io no anisan’ny anankiray voalohany. Ary raha ho lasa any am-pahababoana aza ny vahoaka dia fara-faharatsiny velon’aina izy ireo.
Ny mpanjaka moa dia nanaiky ny fangatahan’ny manam-boninahitra. Nisambotra i Jeremia ary nanatsipy azy tao anaty lavaka izay feno fotaka mandrevo .Noheverin’izy ireo fa rehefa ao i Jeremia dia miverina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Kanefa tsy izany no nitranga.
Tsy mahazo manafina ny teny nampitondraina izy fa tsy maintsy milaza ny marina.
Na dia voagadra aza izy dia indro nisy mpanompo Etiopiana iray izay niasa tao an-dapa niresaka tamin’ny mpanjaka. Nilaza izy fa tsy mety izao nataon’ny manam-boninahitra izao. Fanapahan-kevitra ratsy izao hoy izy. Ary mangataka ny hamoahana an’i Jeremia ao an-davaka izy. Satria ho faty ao io lehilahy io noho ny tsy fisian-kanina intsony.
Asa na natahotra ny mpanjaka ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’i Jeremia ka namoaka azy.
Raha jerena amin’ny tantaran’ny firenena maro eto amin’izao tontolo izao ity perikopa ity dia tsy vaovao.
Impiry ny toe-zavatra tahaka izao no efa niseho ary nahatsiravina ny fiafaran’ny tantara.
Ny fitiavana fahefana tafahoatra dia ahitan-doza. Eny fa na dia hitany aza ny fahaverezan’ny firenena vokatr’izany dia tsy ahoany.
Eto koa ny hahitana olom-pahefana amin’ny am-baratonga samihafa samy tia voninahitra no tsy matotra. Dia ireo izay manoro vohona ny mpitondra. Firifiry moa no voafitaka. Na tsy manana hazondamosina na matahotra ny halan’ny hafa eo amin’ny fitondrana ka tsy mieriteritra. Ao anatin’izany koa ny fanerena avy any ivelany.
Maro ny firenena tokony handroso lavitra dia lavitra tokoa saingy ireo mpanoro-hevitra dia manao izay tiany. Tsy manaiky ny hanarina ny firenena fa ny hamono aza no ataony. Marina fa ho lasa babo tamin’ny andron’i Jeremia ny vahoaka fa saingy raha velona ny olona dia mbola manana fanantenana ho velona sy afaka ary hanarina ny firenena.
Misy koa olona izay mifanohitra amin’ny voalaza teo aloha. Mifandray amin’ny fahefana tampony ary afaka mihevitra izay marina sy manao soa toa ilay Etiopiana. Tsy ny olona rehetra no ratsy fa misy tokoa ny afaka mijoro amin’ny marina fa saingy tsy henoina izy satria heverina ho mpanompo. Ny mpanjaka dia nihaino azy ihany. Fa raha amin’izao fotoana izao dia ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Ity tantara ity dia mampiseho fa tena tia ny fireneny ve ireto manam-boninahitra ireto ? Ny mpanjaka toa marivo salosana ? Tsy manana hazon-damosina fa miovaova saina matetika. Lava dia lava ity tantara ity ary ratsy fiafara.
Tsy vitan’ny ady amin’ny famonoana olona no mitranga fa ady amin’ny fampisavorovorona ny sain’ny vahoaka amin’ny filazam-baovao. Ny mpitondra tsy afaka maneho ny heviny fa toa entin’ny sasany amin’ny sangany. Tsy fantany akory izay ataony. Fa dia matahotra. Inona no niafarany ? Firenena maro no mikorontana noho ny tsy fiara-mihevitra ny ho avy ao amin’ny mpitondra fa samy maka ho azy ary mifanenjika. Ny fialonana moa tsy lazaina intsony.
Izay angamba no mahatonga ny tenin’i Jesosy hoe : Na dia ao amin’ny fianakaviana aza dia hisy fisarahana : ny ray hanohitra ny zanany, ny zanany hanohitra ny rainy, ny reniny hanohitra ny zanany vavy. Io koa hanohitra ny reniny. Ary tahaka izany ny vinanto sy ny avy amin’ny rohim-pihavanana .
Raha tsy resy izany rehetra izany na tamin’ny andron’i Sedekia, na ankehitriny dia tsy mbola vonona ho amin’ny fandriampahalemana ny olona. No tsy te-halala izany fitiavan’Andriamanitra izany. Satria mitarika azy ho amin’ny tsara sy ny fandrosoana izany. Saingy misy ny te-hijanona eo amin’ny fanitsahana sy fandringanana ny hafa. Ary tsy izay ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Amena.
Comments by Julia DARSOT