Marka 14 : 32 – 42
Manjohy hatrany an’i Jesosy ny mpianany. Eto dia notsongainy i Petera sy Jakoba ary Jaona hiataka kely ny hafa. Namboraka tamin’izy telo lahy ny mameno ny fony Jesosy : ory, fadiranovana, ary tahaka ny efa ho faty. Niangavy Jesosy mba hiari-tory miaraka Aminy izy telo lahy. Mangoraka ny tena mahare izany teny izany. Tsapa eto koa ny maha-olombelona an’i Jesosy. Rehefa manakaiky ny fahafatesana dia tsy te-hatory. Tsy hikipy ny maso na dia iray segondra aza. Eny, misy tahotra ao anaty.
Tsy fantatra izay ao ambadiky ny fahafatesana. Koa rehefa maromaro no miara miari-tory dia mba velombelom-panahy ny tena. Fa tsy ho faty irery. Hitantsika izany rehefa misy olona marary mafy dia tsy hilaozana izy, fa manodidina azy ny fianakaviana.
Eo am-piavin’ny fahafatesana koa ny mpino dia mahatsiaro mivavaka, noho ny antony maro. Mangataka mba hihemotra izany fotoana fodian-mandry izany. Miomana ny hanatrika ilay Tompon’ny aina ka miresaka Aminy satria izy no namorona ny olombelona. Hitantsika eto koa fa miady varotra amin’ny Rainy Jesosy : » Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao ; esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no atao, fa ny Anao ». Fahasahiana lehibe ny hahazoana miteny izany. Tsy hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra fa hanatanteraka izany. Manaiky fa tsy maintsy hiaran’ny fahafatesana, izay tsy misy mahasakana izany. Tsaroana tokoa eo amin’ny vavaka hataontsika ny fagantahana amin’Andriamanitra mba omena andro lava sy ho sitranina isika rehefa marary mafy. Ary raha afaka amin’izao mangidy izao dia manao voady hanao an’izao sy izao. Tsy hanomezan’Andriamanitra tsiny antsika izany, satria ny fahafatesana dia loza eo min’ny fiainan’ny olombelona. Fisarahana mangidy.
Indreo ny mpianatra akaiky an’i Jesosy fa te-hatory, ary dia resy tory mihitsy. In-telo nanaitra azy ireo Jesosy. Tsy maninona hoy ny Tompo, fa efa niezaka ianareo, nefa tsy nahatohitra ny torimaso. Noho izany : « Matoria ary ankehitriny ka mialà sasatra hianareo ».Teny mamy no nataon’i Jesosy tamin’izy ireo.
Nahavarina ny fomba firesahan’i Jesosy amin’ny mpianany « and : 32 : Mipetraha eto hianareo mandra-mpivavako » ; and : 38″ Miareta tory hianareo, mba tsy hidiranareo ho amin’ny fakam-panahy (midika hoe : hizarazara ny sainareo) ; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy mana-kery ». Tsy misaraka ny nofo sy ny fanahy, fa ireo no manao ny tena ho iray. Ireo no maha-olombelona fa tsy ny fanahy fotsiny ihany.
Rehefa hitan’i Jesosy fa tsy misy azo atao dia nasainy natory ny mpianatra. Voafetra ihany izany, fa rehefa tokony ho ampy ny herin’ny mpianany dia notairiny : » Aok’izay »… »Mitsangana, andeha isika ; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy ». Matetika i Jesosy no voalaza fa mivavaka, ary eto amin’ity ora farany izay miamanakaiky dia mbola nifikitra tamin’ny fivavahana Izy. Izany hoe niresaka tamin’Andriamanitra Rainy. Niankohoka Izy. Nampihetry ny Tenany teo antrehan’ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra. Zava-dehibe izany mivavaka ka miankohoka.
Mampahatsiaro ny mpanompo miankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka. Toa tsy fomba fanaon’ny kristiana intsony io, afa tsy ny mandohalika. Nefa tsy ny rehetra no manao izany. Jesosy dia nahatanteraka ny fotoana hiaretan-tory hivavahana, eny fa na dia alina aza ny andro. Fa ireo mpianatra kosa dia tahaka antsika. somary sahirana teo amin’ny fotoana hiaraha-mivavaka. Tsy ampy ny herin’ny tena hiara-mitondra ny tebitebin-tsaina satria ho avy ny fahavalo dia ny fahafatesana. Tsy ampy ny hery hiara-mizaka ny mangidy. Tsy atao mahagaga izany satria efa nandalo izany ny sasany tamintsika.
Zava-dehibe izao mitranga amin’ny fiainan’i Jesosy izao satria ireo fahoriam-po, ireo fahorian-tsaina, ny tahotra dia niainany. Fa tsy nirehareha tamin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy Izy, ka hoe tonga dia resiny izany.Nilainy ny nangataka hery avy amin’Andriamanitra. Izany dia manome hery antsika, fa rehefa ao anatin’ny mangidy isika dia tsapan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy ny fahoriantsika olombelona. Satria nandalo teo ny Zanany. Na dia rendriky ny torimaso aza isika dia eo anilantsika Jesosy Kristy izay Mpamonjy antsika. Tsy mamela antsika ho irery ao anatin’ny torimaso fa miahy antsika lalandava.
Tsy ampy ny herin’ny olombelona fa toa voafetra. Tsy afa manoatra fa tsy mety mihiratra ny maso. Nefa ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona noforoniny dia noporofoiny taminy Jesosy. Hany ka miteny amintsika ihany Izy hoe « Matoria…Mitsangana, andeha isika… » Amena .
Comments by Julia RAFENONIRINA