Lioka 7: 11 – 17
Eo am-pidirana ny tanana no misy ny toeram-pandevenana. Vehivavy mananontena no handevina ny zanany lahitokana miaraka amin’ny vahoaka marobe. Indro Jesosy tonga arahin’ny vahoaka marobe koa hiditra ao an-tanana. Mifanena ny andaniny sy ankilany eo amin’ny toerana milaza fa tsy maintsy misaraka ny toeran’ny velona sy ny maty.Tena mampalahelo ilay renin’ny maty satria efa maty ny vadiny, dia maty koa ny zanany izao. Izy izany sisa.Tsy manana mpiahy intsony.
Tohina ny amin’izao fahoriana izao Jesosy ka nanatona an’ilay vehivavy. Hoy Izy : Aza mitomany.Izay ve no tokony ho izy ? Inona no antony izao fandrarana izao nefa fahoriana tena mavesatra.
Nahoana Jesosy no manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy? Nefa voalaza fa onena ilay vehivavy Izy. Nokasihany aza ny vatapaty. Nijanona ny mpilanja faty. Fantany fa raha manondro na mikasika faty na izay mifandray amin’io dia mahatonga tsy fahadiovana.
Ao amin’ny 1 Mpanjaka 17: dia voalaza fa ny mpaminany Elia dia teo ambonin’ilay zaza maty. Tsy Jesosy irery ihany akory no nikasika olona maty.Ny an’i Jesosy moa dia efa teo am-pandevenana.
Inona no anton’izao fihetsik’i Jesosy izao? Nahoana no tsy avela ho alevina ny maty ? Tahaka ny hoe : toa te hifandray tamin’ilay tovolahy efa maty Izy.
Nahery ny teniny ary tafapetraka ilay tovolahy. Te-hampiseho fahagagana ve Jesosy ? Izy ve no tompon’ny aina sy tompon’ny fahafatesana koa ?Izy no voalaza arak’io tantara io fa nanafaka tamin’ny fahafatesana ilay tovolahy.
Faly isika mahare izao toe-zavatra izao. Izay ve no antony nandraran’i Jesosy ilay vehivavy tsy hitomany?
Tsy afaka mihaino na mandre izay teny lazaina mantsy raha mbola eo am-pitomanina. Azo lazaina fa ho an’ity vehivavy renin’ny maty no hitenan’i Jesosy koa.Teny feno fampanantenana sy fampaherezana .Tahaka ny milaza hoe tsy maty ilay tovolahy fa matory ka tairina hifoha.
Faly ny vahoaka nahita izany ary nanaparitaka izany eran’i Jodia sy ny manodidina.
Fa ahoana no andraisantsika ny tantara ?
– Ilay tovolahy dia mampahatsiaro an’i Jesosy zanaka lahitokan’Andriamanitra ve?
– Mampahatsiaro an’i Maria renin’i Jesosy izay nahita ny fahafatesany teo ambony hazo fijaliana.Teo no nanombohona ny tsy finoan’ny olombenona izay nangeja toy ny fahafatesana. Sy namotsorana ny helokin’ny olombelona.
– Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy no nitondra fahavelomana ho an’ny tsirairay izay mandray izany.
Fa ahoana tokoa no nialan’ny lambam-paty tamin’ity tovolahy ity?Na nahatonga azy nivoaka tao anaty vata-paty ? Ka nahatonga azy nipetraka nefa efa ho halevina. Mahavarina ny fahaizan’ilay mpitantara. Tsy manana anarana io tovolahy io. Tsy fantatra koa ny anaran-dreniny sy ny fianakaviany.
Iray amin’izy mianaka isika. Nefa mety ho izy mianaka.
Toe-zavatra roa no azo lazaina :
– Raha isika no ilay tovolahy. Tsy fantatra izay anton’ny fahafatesany. Tsy voalaza ao amin’ny tantara. Ny reniny ihany angamba no mety hahafantatra izay tena marina ny amin’izany.Maro ny olona no te hilaza na hahalala ny antony.Rehefa tratran’ny fahafatesana ara-nofo dia tsy misy olona velona izany. Fa misy koa ny fahafatesana ara-panahy. Izay mangeza ka mampiseho olombelona toy ny maty. Voafatotr’izany fahafatesana izany. Mivaona tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainany. Izay no nanafahan’i Jesosy Kristy ilay tovolahy. Voavaha ny zavatra rehetra izay nangeza azy.Izy irery ihany koa no mahalala ny zavatra tsy mety nataony ary te ho afaka tamin’izany izy.Rehefa tonga Jesosy dia nipetraka izy mba hihaino azy satria nangetaheta famonjena. Nila fanavotana izy satria izay nihatra taminy dia nitondra azy ho amin’ny fahafatesana. Tsy misy olombelona nahafaka azy intsony tamin’ny fahafatesam-panahiny. Nipetraka izy ary afaka niresaka tamin’i Jesosy. Tsy voalaza koa ny teny nataony.Asa izay haminavinantsika izany.
– Raha isika ilay vehivay mananontena dia tena ao anatin’ny fahoriana lehibe satria maty zanaka . Raha mikasika ny fahafatesam-panahy dia tsy afaka nanao na inonana na inona ho an’ity zanany ity izy mba hanarina ny fiainany. Noheveriny toy ny very tanteraka. Tsy afaka mifandray aminy intsony toy ny maty.Misy tokoa eo amin’ny andavan’andro izany. Zanaka tsy miraharaha n’inona intsony, tsy afaka mihaino intsony ny reniny, manambany sy manitsaka azy aza ….Hany ka maro ny reny mangina sy mitomany mahita ny fahaverezan’ny zanany.
Vehivavy no voalaza eto fa mety ho lehilahy koa. Ny filazana azy ho mananontena dia manambara fa tsy hadino akory ilay vadiny efa maty. Ary kamboty ilay zanany ka sahirana ihany amin’ny fiainana.
Ny fahitana ny fahafatesam-panahin’ iray ao amin’ny ankohonana dia mampitondra alahelo, fangirifirina ara-tsaina. Mampitomany ny maro aza.Tsy hita izay atao.Matetika dia olona ivelan’ny fianakaviana no afaka manampy amin’izany fahasahiranana mafy izany.Ary isaorana izany olona izany. Nandalo Jesosy dia nitondra fanampiana sy fampaherezana ho an’ilay vehivavy amin’ny fitenenana ilay tovolahy izay nihaino Azy.
Matetika ny ray amandreny mitady vaha-olana amin’ny fahafatesan-janany tia misotro taoka tsy misy fihatona, na mangalatra, na misetrasetra olona, eny mamono olona aza. Tsy mahateny ny ray amandreny fa tena sarotra ho azy. Mitomany sisa. Nefa hoy ny Tompo: Aza mitomany.
Ilay zanaka dia naverin’i Jesosy tamin’ny reniny ( tsy vehivavy intsony no voalaza eto).Vita hatreho ny fisarahana. Ilay noheverina ho alevina dia velona. Araka ny eritreitro dia nifanatona izy mianaka rehefa samy naharay teny tamin’ny Tompo. Matoa nisy mantsy ny tomany dia efa tsy zaka ny zavatra nitranga.Azo heverina koa fa nisy fifamelan-keloka tao satria voalaza fa Andriamanitra dia niditra ato amin’ny fiainan’ny fireneny izay voafidiny. Tsy nanary ilay vehivavy Jesosy toy ny reny izay tsy manary ny zanany na dia tena mafy aza ny manjo azy. Mety misy manao izany nefa dia ankavitsina.
Fahasoavana lehibe no noraisin’ity reny ity. Izy aza no tena tazan’i Jesosy teo amin’ny fahoriana satria tsy nanana fanantenana intsony.Ahoana tokoa moa no hiheverantsika izany famindrampon’Andriamanitra izany. Tsy mendrika antsika izany rehefa dinihina fa saingy lalina ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona. Ka izay Fitiavany izay manarona fahotana maro. Izay no mahalafo vidy ny fahasoavan’Andriamanitra satria maty teo ambony hazo fijaliana ny zanany lahitokana hitondra ny fahotantsika ary hanavotra antsika. Ny fahasoavany nomeny ho antsika dia maimaim-poana.
Maro ny fomba hamerenan’Andriamanitra ny fiainana’ny tsirairay eo amin’ny laoniny sy ho tsara. Matoa tsy tanteraka izany dia ny olombelona no mandaha. Fa izay mahatsapa izany fahasoavan’Andriamanitra izany dia mankasitraka ary manolo-tena ho azy.Miova ho amin’ny fanatsarana ny toetra sy ny fombam-piainana. Fa tsy manao kilalao ny fivavahana hitadiavana tombontsoa ka hanagonan-karena izay mety hitondra ny ao tanana ho amin’ny fandevenana.
Tsy mitsahatra ny fitoriana ny Filazantsara mba tsy hatotitory intsony fa hifoha ny olona. Fampitrakana izay mahatsaro resy sy kivy izany. Ny Tompo izay mamela heloka anao no homba anao hatrany. Amena
Comments by Julia DARSOT