Alarobia 27 martsa –Lioka 20 : 20 – 26

Andriamanitra sa Kaisara ?

Tsy takatry ny olona loatra ny zavatra ambaran’i Jesosy indraindray. Noho izany dia ao ny te-handalina. Ao ny te hanatsatso. Ao ny te hamandrika. Toy ny eto amin’ity resaka hetra ho an’i Kaisara ( César).

Tia manatsafa koa ireto mpisorona sy mpanoradalàna ka nandefa mpitsikilo anao izany mba hamandrihana an’i Jesosy.

Ny teny rehetra moa rehefa tiana dia samy mandray amin’izay hahatakarana azy. Lazain’ireto mpitsikilo fa tsy mizaha tavan’olona no mahay mampianatra Jesosy ka nanontany hoe : « Mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay sa tsia ? »

Tsy vao tamin’ny andron’i Kaisara no nisy hetra. Adidy atao amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Tsy misy izay maha-ratsy azy. Raha tsy hoe diso tafahoatra sy misongadina be dia hafa indray iny ary resahana amin’ny fotoana hafa. Tiako ilay tenin’ny mpanoratra eto hoe :« Fa Jesosy nahafantatra ny tetidratsiny ». Hay izany misy olona manatona na mametraka fanontaniana dia misy zavatra andrasany ao. Efa fantany ny valiny fa dia mody adala.Ka niandry kendrin-tohana handavona ny mpamaly. Fa ny mpamaly (Jesosy) eto kosa dia olona maranitra ary tsy azo ambakaina. Ilay mpanontany ( mpitsikilo) ihany no namaly ny fanontaniana : «  Ho an’i Kaisara ».Tsy namporisika i Jesosy hoe «  aza mandoa hetra ». Fa nasainy nandoa izay tandrifin’i Kaisara.

Tsy ny vola no ratsy fa ny fampiasana sy ny fitantanana azy no tokony atao tsy misy olakolaka.

Ilain’ny olona rehetra ny  fampiasana vola.  Fa saingy ny an-dalan-tSoratra masina androany dia manazava tsara ny amin’ny fitantana izany.

Ny hetra natao ho an’ny fanjakana dia an’ny fanjakana. Na koa ho an’izay mifanadrify izany. Maro karazany ny hetra : momba ny trano, ny tany, ny karama . Amin’ny akapobeny dia mikasika ny fanana rehetra sy fivelomana. Ao no hakana ho an’ny fanjakana. Ao koa hetra hafa izay atao hoe « haba » momba ny  varotra sns .

Izay natao ho an’Andriamanitra dia an’Andriamanitra. Misy hetra ve ho an’Andriamanitra ? Asa na efa nandefa taratsy fitakiana izany izy na tsia ? Eo amin’ny sary eo am’ny vola koa toa tsy misy sarim-piangonana. Voalaza anefa fa mandoa adidy ny mpiangona. Izay ara-dalàna satria mila fikojakojana ny trano hivavahana , na ny fotopiveloman’ny mpiasam-piangonana . Fanomezana  fa tsy hetra no atao. Araka izay zakan’ny tsirairay. Maro no manolotra fanomezana ka mahafoy ho an’ny fitantanana ny Fiangonana ary tsy miandry an’iza n’iza. Andriamanitra tsy mila vola. Fa ny Fiangonana no mila mba hampandeha ny asa. Ilaina koa ny mitantana izany amin’ny fahamarinana.

Ity soratra androany ity koa dia mampiseho tsara ny tsy tokony hifampitsabahan’ny fanjakana roa dia « ny an’izao tontolo izao sy ny an’Andriamanitra » ny amin’ny vola. Samy manaja ny azy. Ny kristiana amin’ny maha-olo-pirenena azy dia mandoa hetra mandoa adidy. Raha ny izy aza dia tsy adidy no filaza azy fa «  fanomezana » eo amin’ny sehatrin’ny fiangonana. Ny fanomezana tian’Andriamanitra indrindra dia ny fanoloran-tenan’ny kristiana tsirairay manambara fa Andriamanitra no Tompo sy Mpanjakany. Jesosy kristy no Mpamonjy sy Mpanafaka azy. Ny fahatsiarovana izany no manome hery. Jereo fa nangina ny mpanora-dalàna sy ny mpisorana rehefa namaly azy Jesosy. Lasa eritreritra fa tsy sahy vaky milaza fa marina tokoa izany. Aoka tsy ho vakivakina fahatany ny Soratra masina fa mitaky asa izany. Dia ny fanatanterahana ny Tenin’ny Tompo. Efa nazavainy ny lalana tokony handrosoana. Ka asa raha mankasitraka izany isika sa mbola te hanatsafa ihany koa toy ilay mpitsikilo. Tandremo sao rendrika ka lasa moana toa ny mpanora-dalàna sy ny mpisorona ê ! Ny Fanahy Masina hampahiratra ny sain’ny tsirairay.