Alahady 24 martsa- Lioka 19 : 44

Hiditra  vohitra malaza toa an’i Jerosalema Jesosy araka ny voalaza. Zanaboriky no nofidiny ho taingenana hitondra Azy. Zanaboriky tsy mbola nitondra olona. Tsy za-dalana akory. Mety ho mareforefo. Tsy mahagaga izany safidin’i Jesosy izany.

Mampiseho ny fahatsorany Jesosy.  Tsy tia misehoseho. Tsy maimaika fahatany  fa mandeha mora sy milanto entin’ny zanaboriky.  Voarotsirotsy satria tsy miazakazaka. Ny fandehanany miadana dia manome fotoana hieritreretana ny ho avy. Handinihina sy hiomanana amin’ny izay hanjo Azy atsy ho atsy.

Indreo ny vahoaka nihoraka sy faly niantsoantso hoe «  isaorana anie ny Mpanjaka Ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo. Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra   ». Mampahatsiaro ireo anjely nihira teny amin’ny habakabaka ireo teny ireo taloha kelin’ny fahaterahan’ny Tompo. Jesosy mantsy dia antenain’ny vahoaka sahady fa mety hanavotra azy ireo.

Ary ahoana re ny an’izao tontolo izao? na ny firenena iray raha hitsena mana-pahefana ka heverina fa hitondra soa na hanavotra amin’ny fahoriana ? Iza no mbola hitaingina zanaboriky amin’izao androntsika izao. Fiarakodia mamiratra sy mangiloilo satria tsy azo atao latsaka noho ny hafa. Arabe madio no handehanana. Iza no hanome ny ankajony hipetrahan’ny manam-pahefana. Akanjon’iza no atsipy eny amin’ny tany ? Karpetra mena no tadiavina re!

Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema Jesosy dia nitomany. Tsy fantatrao ny zavatsoa tokony hanananao hoy Izy. Miafina aminao ny fiadanana. Mampalahelo tokoa izany. Tsy fantany fa indro ny Mpamonjy azy amin’ny fahoriana fa tonga. Jamba ny masony. Narenina ny sofiny.

Moa tsy mifanohitra amin’ilay zanaboriky toa milaza fa mihaino ilay olona izay  mitaingina Azy izy. Mizotra amin’ny lalana tokony ho izy ilay zanaboriky satria reny ny tenin’ny Tompo. Tsy nakatony ny sofiny fa nahinjiny . Ary manaraka izay lazaina.

Fa saingy maro ny olona izay heverina ho ambony eo amin’ny fiaraha- monina tsy mahare n’inon’inona na dia ny feon’ny vahoaka aza fa variana amin’ny zavatra mirentirety.Ny zavatry ny tany no mahamay azy fa tsy ny hitondra fiadanana ho an’ny vahoaka izay miandry dia miandry fanavotana.

Izany no nampalahelo ka nampitomany an’i Jesosy na dia manaiky ny hanavotra izao tontolo izao aza Izy. Maro no tsy mahalala na tsy te hahalala ny fitsidihana ataon’ny Tompo. Hafa kely ilay Zanak’Andriamanitra.