1/8 — Marka 12 : 16 – 17   (Resak’i Jesoa sy ny Fariseo ary ny Herodiana)

An’iza io sary sy soratra io hoy Jesoa. Ary hoy ireo taminy : An’i Kaisara. Namaly Jesoa hoe : Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

2/8 — Marka 12 : 27

Hoy Jesoa tamin’ny Sadoseo :  » Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona »

3/8 — Marka 12 : 29  – 31

Inona no didy voalohany ?

Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao  rehetra.

Ny didy faharoa dia izao:

Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Tsy misy didy lehibe hafa noho ireo.

4/8 — Marka 12: 38 – 44

Fampianaran’i Jesoa:

« Mitandrema ny amin’ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharahabain’ny olona eny an-tsena, ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ny fanasana, ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fanamelohana mafimafy kokoa ».

5/8 — Marka 13 : 5-6 & 13

Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe  » Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no izy, ka maro no ho voafitany. Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra, tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany….

Ho alan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako : fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

6/8 — Marka 13 : 31 & 33 & 37

Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavin’ny fotoana.

Miambena

*Miverina amin’ny bokin’i Ezekiela indray isika  –

7/8 — Ezekiela 24 : 9b …14c

Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra!

Araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy ny Tompo Andriamanitra .

9/8 — Ezekiela 25 : 1 – 17 

Ny Isiraely dia nifanakaiky tamin’ny Amonita, ny Moabita, ny Edomita ary ny Filistina. Noho ny fitenitenena foana dia niharan-doza ireto firenena 4 farany . Ity tantara ity no hahitana fa tsy azo atao ny manozona sy mandatsa satria miverina amin’ny tena izany. Vakio ny toko manontolo hahazonao izany

Ary tonga tamiko (Ezekiela ) ny tenin’Andriamanitra manao hoe  » Ry zanak’olona manandrifia ny Amonita …. ( 3 b) Noho ny nanaovanao hoe : Hia ! sakoa izay ! Raha nolotoina ny fitoerako masina ….

Tandremo ary izany ny vava atao na dia mpivavaka aza ê!

10/8 — Ezekiela 26 : 1-21

Famonona, fandringanana, fandravana, fandevonana  no mitranga eto amin’ity toko ity.

Toy izao no niafaran’i Tyro: Tahaka ny vatolampy mangadihady ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony ( 14 b )