ANDRO natokana eran-tany hiadina amin’ny aretina : sida

Ny tantaran’ ’i Hezekia no azo hisintonana tonom-bavaka androany.  » Ary tamin’izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia ; ary Isaia mpaminany, zanak’i Amoza nankao aminy ka nilaza taminy hoe : Izao no lazain’ Andriamanitra : Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.

Dia nitodika nakany amin’ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’Andriamanitra hoe : Andriamanitra ô, enga anie ka ho tsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsra eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy. Dia tonga tamin’i Isaia ny tenin’Andriamanitra nanao hoe : Mandehana ka lazao amin’ny Hezekia hoe : Izao no lazain’Andriamanitra, Andriamanitr’i Davida rainao : Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao ; indro ampiko dimy ambin’ny folo taona ny andronao…. Dia toy izao ny tenin’i Hezekia rehefa sitrana izy. « Hoy izaho, amin’izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy hidirako amin’ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita ; nesorina tamiko ny andro sisa. Hoy izaho : tsy mba hahita an’Andriamanitra intsony aho. Eny tsy mba hahita an’Andriamanitra ao amin’ny tanin’ny velona intsony aho. Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ny mponina any amin’ny fiainan-tsy hita. Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko. Tahaka ny lain’ny mpiandry ondry. Ahoroko tahaka ny tenona ny androko. Fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny haraka izy. Indray andro monja no hanaperanao ny aiko. Nampionona ny foko aho mandrapaha-marainan’ny andro. Tahaka ny fanapatapahan’ny liona ny fanapatapahan’ny taolako rehetra. Indray andro monja no hanaperanao ny aiko. Ka tsy mikoraraika tahaka ny siditsindina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriko ho any amin’ny avo. Andriamanitra, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Ianao. Ahoana no holazaiko ? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa. Handeha hijoretra aho amin’ny taonako sisa rehetra. Noho ny fangidin’ ny aiko. Tompo ô izany no iveloman’ny olona ary tamin’izany tokoa no hiainan’ny fanahiko. Ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Ianao. Indro tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy. Ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hakany amin’ny lavaky ny fahalevonana. Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Fa ny fiainan-tsy hita tsy mba mahasaotra Anao. Ny fahafatesana tsy mahadera Anao. Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao. Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao. Andriamanitra efa vonona hamonjy ahy. Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’ Andriamanitra , amin’ny andro rehetra iainanay ». (Isaia toko faha : 38)

Tsodrano

 » Na dia ao anatin’ny aretina mangidy aza ianao dia izao no voalazan’ny tenin’i Jesosy Kristy ao amin’ny filazantsaran’i Matio 28:20  » Indro Izaho momba anareo mandrakariva mandrapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Tsarovy amin’ny vavaka ataonao koa : Inde, Srilanka, Maldives.