ANDRIAMANITRA ô, rehefa nifanehatra tamin’ireo mpisambotr’Azy ny Zanakao dia tsy nampiseho fanoherana. Ary dia fampianarana lehibe ho anay izany. Aminay olombelona dia sarotra ny manaiky ny hasomparana ataon’ny hafa. Ampio izahay hanana toetra mendrika ny Filazantsara. Mahatsiaro ireo fianakaviana izay namoy ny havany any Congo izahay ary dia mivavaka manokana ho an’ ireo izay ory sy mitomany.

Tsy fantaray ny anarany fa Ianao kosa dia akaiky azy ireo. Mahatsiaro ho irery tokoa rehefa tojon’ny fahoriana. Ny fahoriana lalina vokatry ny ady ka miteraka fahafatesana dia tsy handrenesanay ny Teninao indraindray. Ka mety ny hamaly faty aza no maha maika anay. Mangataka Aminao izahay ho sitraninao ny fon’ny fiankaviana, ny namana. Eny mahatsiaro ho irery satria niova tampoka ny fiainana. Nisaraka amin’ny havan-tiana. Mahatsiaro an’ireo rehatra niaran-doza androany eran’izao tontolo izao.

Apetraho eo an-tsoriny ny tananao Tompo hahatsiarovany fa eo anilany Ianao. Misaotra Tompo noho ny tsirim-panantenana atanao ao anatin’ny fon’ny tsirairay. Amena

Tsodrano

« Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza amin’ny fahavinirana ; Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany ». Salamo 37:8