I Mpanjaka 3 : 5-12
Solomona dia nanambady ny zanakavavin’i Farao tany Egypta. Davida mpanjaka no rainy. Nalaza ara-tantara ary tian’ny vahoaka . Samy nanana izay nampiavaka azy izy mianaka. Tonga ny fotoana handraisan’i Solomona ny fitondram-panjakana . Handimby ny rainy izy. Fifaliana izany nefa koa nisy fahatahorana ihany. Tsy navelan’Andriamanitra ho amin’izao izy. Fa nanatona azy Andriamanitra tao Gibeona tamin’ny alina. Mampahatsiaro an’i Jakoba izay nifampitolona tamin’Andriamanitra ary niresaka taminy tao Jaboka tamin’ny alina koa. Tamin’ny nofy koa no nisehoan’Andriamanitra. Tahaka ny anjely Gabriela tamin’i Josefa.
Ho an’ny mpanoratra dia ny nofy no fomba ilazana ny fifandraisan’ny olona sy Andriamanitra. Tsy misy mpanelanelana. Eto dia amin’ny alina, ao anatin’ny fahanginana. Afaka mamboraka izay ao am-pony Solomona amin’izao andraikitra lehibe ho raisiny izao . Andriamanitra kosa dia vonona ny hihaino izay lazainy.
Hoy Andriamanitra taminy : « Angataho izay tianao homeko anao ». Nanome fahalalahana tanteraka ny amin’izay ho ilaina. An’ny olombelona no misafidy ny ho aviny. Tsy voateritery Solomona .
Voalohany dia nankasitraka ny soa nataon’Andriamanitra tamin’ny rainy i Solomona. Hery ho azy ny fijoroan’ny rainy tamin’ny marina. Mpanjaka tsy nivadika tamin’Andriamanitra, nandeha ara-pahamarinana . Izany rehetra izany dia avy avy amin’Andriamanitra. Tsy natakalon’Davida andriamani-kafa ny Andriamaniny. Nankatoa Azy izy. Fahasoavana tokoa ny fametrahana ny zanakalahy ho mpanjaka ho amin’izao fotoana izao. Inona tokoa moa no nanakana tsy ho olon-kafa no voafidy ho mpanjaka ? Nefa tsy izay no nitranga.
Olon-tsotra Solomona . Tsy nieboebo. Nolazainy fa « mpanompon’Andriamanitra na izy na ny rainy ». Ary ny fahitana ny fiainan’ny rainy sy ny fitondram-panjakany dia ohatra ho azy.
Tonga saina ity zanaka mpanjaka fa mavesatra ny raharaha. Hitondra firenena. Hitondra olona samy manana ny sainy, ny fombany, ny fiainany, ny hetahetany. Tsy maintsy hanome fahafaham-po ny rehetra ve ? Ho vita ve izany? Ny tena vao hanomboka hitondra. Tsy manana traikefa akory. Io no tena nahalasa eriteritra an’i Solomona. Ahoana no atao?
Ny alina mitondra fahazavan-tsaina ka dia nangataka hoe : » Omeo saina malady ho entiko mitsara ny olonao, hahazoko manavaka ny soa sy ny ratsy « . Andininy faha-9. Io no maika taminy. Ary io no zavatra faharoa nolazainy tamin’Andriamanitra.
Tsy nangataka harena na miaramila na fitaovam-piadina hiaro azy izy satria mpanjaka.
Olona maranin-tsaina ilay mpanjaka . Olon-kendry. Ny « fahendrena » no hanokatra ny làlana ho amin’ny fahatsarana sy fandrosoan’ny fireneny, hoy izy. Ny fahendrena no hitondra fahasambarana ho an’ny vahoaka.
(ny teny hoe « malady » dia azo hadika hoe – Mihaino na misaintsaina -).
Nankasitrahan’Andriamanitra ny fangatahana. Ary nampiny ny harena sy voninahitra izay tsy nagatahana akory. Efa nomeko anao ( hoy ny soratra). Efa eo am-pelatananao izany.Tsy hisy tahaka anao. Mahagaga sy mahavariana ity Andriamanitra inoany ity.
Voalaza koa fa raha manaraka ny làlan’Andriamanitra sy ny lalàny dia ho ela velona. Io no hafatra sy fampitandremana ho an’i Solomona. Ny fahavelomana ara-nofo dia tsy maharitra. Fa ny fahavelomana ara-panahy kosa dia mandrakizay.
Ny mpanoratra dia mamarana ny tantara amin’ny hoe: « ary dia nahatsiaro Solomona ka indro nofy izany ».
Kanefa na nofy na tsia. Ahoana moa no fipetrak’izany amin’izao androntsika izao? Ny fitondram-panjakana dia nisy na taloha na ankehitriny.
Raha hanao fanadihadina sy fanisana isika , firy moa no tahaka an’i Solomona?
Inona no mahamaika ny olona mpitondra rehefa lany ho mpitondra izy. Inoana fa maro ny nanapikasana tsara. Saingy misy koa ny voan’ny fakam-panahy ka te hanapatra ny fahefany. Maro koa ny mpanoro-vohona manodidina . Tia lainga mba haharatsy ny fiainana.
Inona no ataonao raha manana andraikitra eo amin’ny fitondrana ianao na amin’ny ambaratonga samihafa, na amin’ny sampan’asa isa-karazany . Ahoana no handaharanao ireto fangatahana ireto satria ireo no hita mivantana.
-Hanao lanonam-be ? – Hividy tany sy trano? -Hividy fiara matanjaka sy tsara indrindra ? – Hividy finday tonga lafatra ? -Hitsangantsangana eran’izao tontolo izao? – Hanao varotra mba hampitombo ny fiainan’ ny fianakaviana? – Ny haingo ny firavahana vatosoa amin’ny tànana sy ny tenda ? Ny voninahitra ? Ny fahefana amin’ny zavatra rehetra ?Eny fa na dia ny amin’ny aina aza !!
Mety mbola misy zavatra hafa . Ka azonao ampiana.
Fa firy moa ny nangataka tamin’Andriamanitra mba omeny fo sy saina afaka mihaino. Tsy afaka mitsara aho fa ianao no mahalala. Firy no nangataka hoe : omeo hery aho hahazoko mihaino ny vahoaka, na ny mpiara-miasa amiko ? Ny fotoana natokana ho fihainona ny vahoaka sy ny mpiara-misa no hahazona mandajanlajana ny ho amin’ny ho avy. Ny fihainona azy dia efa valin’ ny hetahetany. Ny fihainona azy dia fampisehoam-pitiavana azy. Satria tsy manao tsinontsnona ny zavatra lazainy. Tsy misy olona madio tanteraka ka tsy nanao fahadisoana. Fa tokony miezaka hiala amin’izay tsy mety. Ny olon-kendry dia afaka miaiky ny helony ary mangataka famelan-keloka. Mila fotoana izany satria ny tsy mihaino ny hafa ihany fa mihaino ny tena koa.
Ny tenin’i Solomona hoe « manavaka ny tsara sy ny ratsy » dia mampiseho faha-lalinan-tsaina . Tsy azo harebireby izy. Hita izany teo amin’ny fiainan’i Solomona taty aorina. Hainy ny nanasaraka ny tsara sy ny ratsy. Izay nanao ny ratsy dia nomelohany ( toy ilay vehivavy nandainga ka saika nahafaty ny zanak’ilay vehivavy hafa -andininy 16-28 -). Fantany izay nanao ny tsara nefa voahendrinkendrika dia nahafahany. Ary satria nihaino tsara izy dia nahafantatra izay tokony ho izy.
Ny olana mantsy rehefa mahazo fahefana ny olombelona na dia kely aza dia manapatra izany fahefana izany. Tsy ampoizina akory dia manitsakitsaka. Ary diso fanantenana ny rehetra. Asa izay Andriamanitra mankasitraka ny fitondrana toa izany. Ny olana faharoa dia ny mihevitra ny tena tsy ho diso mihitsy fa ny hafa ihany.
Ka manaitra antsika ity tantara ity: handinin- tena aloha.
Raha manao toa an’i Solomona isika rehetra dia tsy hisy ny ady. Fa hilamina ny tany sy ny firenena. Asa raha vonona amin’izany isika aloha. Raha tsia: inona no antony? Inona no mahatonga antsika tsy hangataka fahendrena avy amin’Andriamanitra ? Hafatra sy fampitandremana antsika ity tantara androany ity. Nahoana no tsy resy lahatra amin’ny fangatahana fahendrena avy amin’Andriamanitra ? Aza hamaivanina ê ! Tsy ho fomba fotsiny ihany ny hivavahana satria voatery noho ny ady sarotra. Fa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana. Mivavaha hanoron’ny Fanahy Masina ny saina.Mihaino Izy ary mamaly vavaka.
Comments by Julia DARSOT