1/5 >Romana 3 : 23-24

Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra; nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izay ao amin’i Kristy Jesosy

2/5 > Romana 4 :7

Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany

3/5 > Romana 4 : 16

Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahato ny teny fikasana ho an’ny taranaka rehetra, – tsy ho an’izay amin’ny lalàna ihany, fa ho amin’izay finoan’i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra-

4/5 >Romana 5 : 1

Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.

5/5 >Romana 5 : 8

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

6/5 > Romana 6 : 8

Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika.

7/5 >Romana 6 : 23

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika

Mikasika ny Tonon-kiran’i Solomona dia tsara vakina manontolo izay voatondro;

8/5 > Tononkiran’i Solomona  1 : – 2 : 7

9/5 > Tonon-kiran’i Solomona 2 : 8 – 3 : 5

10 /5 : Tonon-kiran’i Solomona 3: 6 – 5 : 1

11/5 > : Tonon-kiran’i Solomona 5 : 2 – 6 : 3

12/5 > Tonon-kiran’i Solomona 6 : 4 – 7 : 11

13/5 > Tononkiran’i Solomona 7 : 12 – 8 : 14