Matio 26 : 17-29

Fomba fanao rehefa mandindona ny olona sasany ny fahafatesany dia voriany ny olona akaiky azy indrindra. Toy izao ataon’i Jesosy amin’ny mpianany izao. Nanokana fotona ary niara-nisakafo rizareo. Hisaraka tsikekikeky  mantsy ary tsy hisy intsony mpianatra ho tafajanona hiaraka amin’ny Tompo. Eny fa dia amin’ny fotoana tena mangidy indrindra aza. Tsy misy azo hanomezan-tsiny azy ireo izany.

Ity fotoam-pisakafoanana ity dia toa milaza fa efa fantatra sahady ny mpamadika. Tsy voateny mivantana fa nolazaina hoe “ilay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ny lovia, izy no hamadika Ahy”.

Ny mahavariana dia voaasa ihany io  mpamadika io. Tsy niady taminy Jesosy na nandroaka azy. Fa nasainy niara-nipetraka nihinana taminy. Ary dia niteny tsimoramora. Nangina ny mpianatra rehetra afa tsy i Jodasy niteny hoe “ Izaho va izany, Raby ô ? “ Nahatsiaro ho voatondro angaha  ka nametra panontaniana ? Sa te hitsapatsapa ka nandray fitenenana. Nivoaka ny zavatra nafenina. Nohamafisin’ny Tompo hoe “Voalazanao”. Tsy izaho no nanondro anao ( araka ny voalaza eto) fa ianao ihany no nitonon-tena. Izay no tiana hamafisina.

Tsy eto amin’ity tantara ity ihany no maha zava-dehibe ny fiaraha-misakafo na fanasana na tsia. Eo no mandeha ny resaka rehetra. Ny mahagaga aza fa eo no hahafantarana mialoha ny tetika na asa nafenina ary novolavolaina tany amin’ny miafina. Indrindra moa rehefa ny ankizy no mitantara ny zavatra mitranga ao an-trano.

Jereo kely ange ny resaka atao eo pisakafoanana amin’ny namana mpiara-miasa momba an-dranona sy ranona. Mahavariana ?

Na eo amin’ny fianakaviana aza tratran’izany. Toa ohatrin’ny hoe: mivaoka eo daholo ny alahelon’ny sasany, ny zavatra tsy tanty. Kelikely ny fotoana  ilazana fifaliana.

Misy toerana iray izay nalehako ary amin’ny fotoana fisakafoanana dia tsy misy miresaka. Fa mangina daholo (efa ho 30 izahay) ary dia mihaino olona iray mamaky ny vaovao ao amindrizareo sy ny manodidina azy. Milaza vaovao ny amin’ireo olona mifanerasera tamindrizareo. Na vaovao mahafaly izany na mampalahelo.

Tamin’ny toerana iray kosa dia nangina tanteraka. Tsy misy feo afa tsy ny sotro raha sendra mikasika amin’ny vilia. Na dia tsy afaka miteny aza dia ny maso no mifampijery ary toa mahalala ny tian’ny hafa ho lazaina. Fa hatreo ihany. Na izany aza somary sarotra io. Kanefa  hahitana  soa tokoa . Ary azonao andramana. Saingy rehefa tonga eo amin’ny fanasana ny fitaovampisakafoanana dia samy miteny daholo na lahy na vavy.

Ao koa ireo fanasana isan-karazany efa nihainantsika rehetra. Tsy re aza ny resaka satria samy miteny amin’izay eo akaikin’ny tena ary ny mozika tsy misy farany.

Fa ity ato amin’ny Matio ity dia eo amin’ny fotoana farany iaharahan’i Jesosy amin’ireo mpianatra malalany. Teo no nahitana marina ny amin’ny fiandohan’ny  hisamborana sy ny hahafatesany.

Lasa eritreitra manao hoe : Tena Zanak’Andriamanitra tokoa. Ahoana moa amin’izao fotoana iainantsika izao ny hanasa ny rehetra, na dia ny akaiky indrindra aza. Misy foana ny tsy afaka.  Mampihorikoditra koa ny mahalala fa misy ny mivarotra hampamono tsy am-pisalasalana. Fampianarana lehibe ity tantara ity. Niray latabatra teo daholo ny tiana ary iray amin’ireo tiana no lasa ho fahavalo. Ny fahavalo mantsy dia mandatsak’aina.

Mampanontany tena koa amin’ny fiainan’ny fiangonantsika izany. Ao ny tsy mety mandray satria sorena na niady tamin-dranona. Ohatrin’ny hoe “azy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo”. Firy moa ny olona efa nahongana.Firy no tsy mandray satria nanadino ny taratasimpandraisana rehefa mivahiny, na tsy nanatrika ny ankatoka ? Santionany izany fa anjaranao ny manampy sy mandinika izany.

Manana asa lehiba miandry azy izay milaza ny tenany ho kristiana ka tokony hanontany hoe : inona moa ity fanontanian’i Jesosy Kristy ity ? Sarotra ary aoka tsy hadino fa na Jodasy aza dia nihinana ny mofo sy nisotro ny divay. Nandray ny tena sy ny rà. Nandray ny Tenin’Andriamanitra. Koa azo rarana ve ny Tompo amin’izany? Na azo rarana koa i Jodasy tsy hanatona ny latabatra. Fa ny fahasoavan’Andriamanitra dia nomena ho an’ny rehetra. Sa ahoana?

Izany akory tsy milaza fa voatafin’ny fahasoavana  ny kristiana dia antoka  hanaovana tsinontsinona ny hafa izany. Mampitandrina anao sy izaho ny Tompo ny amin’izany satria mandeha amin’ny làlana sarotra isika ankehitriny. Ny nenin’i Jodasy dia nisosoka taty aorina ka tsy zakany.Amena