JOBA 1 : 13 – 22
Niharan-doza ny lehilahy iray atao hoe : Joba. Novonoin’ny Sabeana ny ombiny sy ny boriky vaviny ary ny mpiambina an’ireo. Nianjeran’ny varatra koa ny ondry aman’osiny sy ny mpiambina an’ireo . Nangalarin’ny Kaldeana koa ny ramevany ary novonoiny ny mpiambina. Iray isaky ny antoko mpiambina ihany no afaka nitsaoka. Nisy koa rivo-mahery nanimba sy nanjera ny trano nipetrahan’ireo zanany lahy sy vavy ary mpanompo iray ihany no velona.
Tantara mampitomany. Very ny fanana rehetra. Maty ny zanaka rehetra. Tsy vao izao no naharenesana ny toa izany fa misy tantara mitovy amin’izany koa.
Any amin’ny tany mikorontana dia tsy mampaninona ny mpandroba, ny manimba ny fanan’ny hafa : toy ny omby sy ny biby fiompy . Ao koa ireo biby hafa izay solon’ny fiara-kodia taloha tany amin’io tany io satria ny rameva no nampiasaina. Ny varatra sy ny tselatra indray dia tsy misy azo atao satria hery tsy voafehy ka izay hianjerany dia mirehitra ary kila. Maty avokoa izay tratrany na zavaboahary na olombelona. Mampahatsiaro fahoriana isan-karazany mitranga amin’ny tany sasany ny nanjo an’i Joba .
Fa nahoana moa no mangalatra sy mandromba ê na taloha na ankehitrio ?
Ny fahantrana hoy ny sasany satria tsy mana-kohanina.
Ny fialonana ny fahitana ny fananan’ny hafa. Na dia voalaza fa olona marina sy mahitsy aza i Joba (Toko 1:1) dia tsy nahasakana ny fanenjehana sy ny fankahalana azy izany. Dia avy ny mpananim-bohitra. Tsy nitsitsy fa namono. Nanala aina. Tsy ny biby ihany fa na dia ny olona aza. Tsy nisalasala ireo nanao izany (and.17).
Tia mampiasa hery setra satria mihevitra ho manana ny hery ka tsy hisy hahatohitra azy. (Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ny mpiandry omby rehetra)
Tia mihetraketraka ary lasa fahazarana ny famonona olona.
Ny fanadinoina ny fitiavan’Andriamanitra. Izany hoe mampitovy tena amin’Andriamanitra. Indrisy !
Ny fiverenana amin’ny fanompoam-tsampy.
Ny tsy fanajana ny olombelona mitovy amin’ny tena.
Ny fanindrahindrana fa tsy ho tratra ary tsy ho voaheloka fa ho afa -maina.
Ny fitiavan-kely ka mihitatra izany .
Mitsiriritra ny fampiasana ny fananan’ny hafa. Faly amin’ny fahorian’ny hafa.
Mivelona amin’ny fitaka sy ny lainga.
Efa tamin’ny andron’i Joba no nisy izany. Eny talohan’izany aza. Ary dia tsy mety foana.
Nahoana ary no tsy mety miova ra-olombelona. ?
Satria ve mihevitra ho mahavita tena ? Diso izany satria mila olon-kafa foana ny tsirairay. Matoa nampiana an’i Eva i Adama dia nilaina izany. Ny andininy faha-17 dia malaza hoe “ Ny Kaldeana nanao toko telo, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizy lahiny dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra”. Niroatany. Hay ve hitan’ny mason’ilay tompony ny fandrobana ! Tsy tahotra tsy henatra dia mahavita izany. Ary izay nanakana dia novonoina.
Tsy nisy filazana fa faly amin’ny fandrombana sy famonona olona Andriamanitra.
Zendana izay mamaky ity tantaran’i Joba ity ( toko 1). Fa niampy ny zavatra mangidy nihatra tamin’i Joba. Tsy vitan’ny fianjeran’ny varatra tamin’ny biby fiompy. Fa nisy rivo-doza izay nanapotika tanteraka ny trano nisy ny zanany ary dia maty daholo. Ny mpitondra teny ihany sisa velona. Tsy zakan’i Joba ny faharenesana izany rehetra izany. Indrindra rehefa nikasika ny ain’olombelona : ny zanany. Nitsangana izy ka nadriatra ny lambany (and. 20) . Nanaratra ny lohany ary nihankohoka tamin’ny tany. Tsy nadohalika intsony fa nihohoka tamin’ny tany. Vaky vava izy fa tsy mitondra inona ny olombelona rehefa tonga eto an-tany ary torak’izany koa rehefa maty. Koa raha izany aza nahoana no niharan’izany rehetra izany ?
Ahoana re no havaly izany ê ! Misy ve Andriamanitra dia tratran’izao loza izao ity rangaha ity ? Sa kosa nisy zavatra tsy nety tany an-kinafina tany ?
Mahagaga ny voalaza eo amin’ny and.faha-22 dia hoe “ tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota i Joba, na nanome tsiny an’Andriamanitra”. Finoana re izany. Mahavariana. Talohan’io aza dia nisaotra an’Andriamanitra izy. Nahoana ? Satria Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina. Ilay rivo-doza nanimba ny trano no nahatonga ny fahafatesana fa tsy Andriamanitra akory. Io rivo-doza izay feno hery diso tafahoatra dia nitondra fahafatesana. Tsy nanota i Joba. Tsy niteny ratsy an’Andriamanitra izy. Fa nijoro tamin’ny finoany tokoa. Izany hoe : tsy niala tamin’Andriamanitra . Natoky an’Andriamanitra izy. Tsy nanome tsiny ary tsy nanao teny mifanohitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Raha “ nihodina tamin’Andriamanitra” mantsy i Joba dia mbola mangidy lavitra noho izao ny zavatra tsapany tao anaty tenany. Ary vita hatreo ny amin’i Joba sy Andriamanitra. Izany hoe : tapaka teo ilay fifandraisana. Ary izany dia tsy nekeny Joba. Ireo loza nihatra taminy dia fantany ary inoany fa tsy avy amin’Andriamanitra.
Misy olona rehefa niaran-doza no mivadika amin’Andriamanitra satria noheveriny fa tsy namonjy azy. Andriamanitra ange tsy mpanao majika akory ê ! Andriamanitra dia miara-ory amin’ny olombelona.
Ho famaranana ireto misy hafatra vitsivitsy :
Mitondra inona moa ny fandrombana sy famonona olona ? Tsy maintsy ara-nenina izany na dia tsy vaky vava aza ny manao izany. Mitondra fahafatesana ara-panahy sy ara-nofo izany.
Izany no nahatongavan’i Jesosy Kristy hamonjy ny mifikitra amin’ny faharatsiana. Io mantsy no mampiataka amin’Andriamanitra ary mahatonga ny fahotana “ dia tsy inona fa ilay “ tsy finoana an’Andriamanitra”.
Izay koa no nahatongavany ka hialan’ny olona amin’ny fahamaizina ara-tsaina ary ara-mpitondra-tena. Hanazava ny sain’ny olona ary handroso amin’ny fanajana sy fankatoavana.
Ho teny madio no teny hivoaka amin’ny vavan’ny tsirairay.
Ho tahaka an’i Joba izay tsy nanome tsiny an’Andriamanitra na dia tao anatin’ny fahoriana aza. Teny madio, teny feno fahendrena no naloaky ny vavany ho voninahitra’Andriamanitra. Amena
Comments by Julia DARSOT