MARKA 10 : 46 – 52
“Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, Mamindrà fo amiko”Izay no hikikan’ilay Bartimeo jamba. “Ry Jesosy, Zanak’iDavida ô, Mamindrà fo amiko” hikika fanindrony tsy zakan’ny mpianatra. Sakodiavatra izy ireo amin’io hika sy teny io.Tsy te hahalala ny fahorian’ity jamba ity rizareo.
Raha azon’ireo mpianatra natao ny nanala azy teo amoron-dàlana sy nanafina azy dia ho nataon’ireo. Nahoana ? Satria heverin’ireo fa mahamenatra ny fahajambana. Tsy tahaka ny olona rehetra tsinona. Enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana sy ny namana na dia tsy milao-bava izany aza.
Mba fantatr’ireto mpianatra ireto moa fa avy ho an’ny sahirana Jesosy ? Ho an’ny marary ? Ho an’ny mijaly ? Ho an’ny fadiranovana ? Ho an’izay very fanantenana ? Ho an’izay irery ? Fantany izany, fa saingy tiany ho azy irery Jesosy. Tsy ekeny ny misy olona misosoka manakaiky an’i Jesosy. Oadray ! Fitiavan-tena sa inona ? Toa miteny hoe “aza manenlingelina ny Tompo, na aza mifanerasera aminy”. Fa maninona ary ? Kanefa i Bartimeo jamba dia tapakevitra fa hiantsoantso mafy. Ary nataony farak’izay ainy. Izay no fomba hahazony manatona na hahahitan’i Jesosy azy. Fantatr’ilay jamba fa mandalo Jesosy fa tsy fantany loatra hoe : aiza ho aiza izy izao ? Mety tsara ny toerana misy an’i Bartimeo eto satria haharenesana ny vaovao rehetra. Fantatsika ihany izany hoe : mipetraka eo amoron-dàlana. Mandalo eo olona maro isan’andro. Afaka mangataka tsara eo ilay jamba. Io no mba fanampin’ny antom-pivelomany satria miankina amin’ny hafa ny fiainany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy sakafo na vola no nandrasany fa ny Zanak’i Davida. Tsy diso izy raha niantso an’i Jesosy hamonjy azy. Tsy nila mpanelanelana izy fa nampiakariny ny feony. Resy lahatra izy fa mandalo Jesosy ary tsy misy hahasakana ny hika ataony. Eny fa na dia ny mpianatra aza.
Eny tokoa, indro Jesosy nampiantso azy. Nitsanga i Bartimeo jamba. Nifanatrika tamin’i Jesosy ary nandeha ny fomba fanadihadina amin’izay mitady vonjy. “Inona no tianao ataoko aminao ”hoy Jesosy. Hoy Bartimeo : “Ny mba hampahahiratanao ny masoko”. Ary dia tanteraka izany. Niova toy ny tselatra ny fiainany. Tanteraka ny fihiratan’ny masony araka ny voalazan’ny tantara.
Maniry isika mba ho tahaka izao ny tantaran’ny jamba rehetra. Ndrisy misy ny tsy sitrana ara-batana fa ao ny mila fitsaboana sy fanarahan-maso amin’ny dokotera.Maro koa anefa ny manaiky ny fahajambany ary tsy manakana azy tsy hiaina izany. Maro no nitsangana vavolombelona tamin’izany. Misy mpihira malaza maro fantatsika amin’izany.Tao ny niaina tao anatin’ny fahoriana satria nahilikilika noho ny maha-jamba azy. Tao koa ny nahatsapa fifaliana. Indrindra moa ho an’izay mino an’i Jesosy Kristy. Fantany fa sitrana ara-panahy izy na dia tsy nisy fahasitranana ara-nofo aza. Ny fifaliny dia tena lalina.Tsy hay ny hilaza azy. Ny mampalahelo anefa dia mbola misy ny fahajambana eto an-tany. Tsy hanoro olona isika fa anjarantsika ny mandini-tena. Jerena aloha ny tena vao ny hafa. Inona no fahajambana mety hahatratra antsika. Maro ny hilaza hoe : efa kristiana aho ka” inona indray” ? Io no tena sarotra. Nefa dia mahalasa eritreritra ihany izany teny izany.
Rehefa tonga ny fahoriana na ny zava-mangidy ateriky ny ady na ny aretina dia mitady olona na zavatra lazaina fa nahatonga izany. Jereo rehefa misy tondra-drano, horohoro tany, tsunami, hain-tany, aretina mandripaka. Ao ny fanamelohana fa ranona tsy nanao izao ka tsy nisy niaro anay .Fomba fihetsiky ny olombelona izany mazana ary tsy mahataitra. Mandalo eo amin’izany daholo.Izay no handinihin-tena.
Kanefa ao anatin’ny fahoriana sy loza isan-karazany dia nomena fotoana isika hipetraka eo an-dàlana. Izany hoe : amin’ny toerana misy antsika dia inoana fa eo Kristy. Heverina hoe : mpandalo izy kanefa dia reny ny feontsika mihikika. N’aiza n’aiza misy antsika. Miandry vonjy isika tsirairay satria ao anatin’ny loza. Satria tsy mbola voavotra isika . Marina fa ao ny mpitondra fanjakana, ny fikambanana samihafa, mikely aina amin’ny fanampina ny traboina, ny maratra, ny marary, ny very fananana. Ary toa tsy voatantara ny zava-mitranga. Tsy hita izay ambara hilazana azy fa toy ny”fara-andro”. Ary mety hahatonga ny fanadinoana an’Andriamanitra. Tsapa koa fa tena misy banga ao anatin’ny tena.Ary mitady izay hitsohahana ny fahoriana sy ny loza.
Miantso vonjy an’Andriamanitra ao amin’ny fahanginana ny an’ny sasany, ao amin’ny hikika sy ranomaso ny an’ny hafa. Ao ny miteny toy an’i Bartimeo hoe “Ry Jesosy , Zanak’i Davida, mamindrà fo amiko”.
Fantany ny Tompony. Dia Jesosy Kristy izay maty sy efa nitsangana tamin’ny maty hoy isika. Ao anatin’ny fahoriana ny olona no mety ho maizina ny làlana ka tsy mahita an’Andriamanitra. Tsy manana tsirim-panantenana aza . Kanefa Jesosy Kristy ankehitriny dia mbola tsy miala amin’ny fanaony tamin’i Bartimeo ho antsika. Ka hoy ny soratra masina amintsika “Matokia, mitsangana, miantso anao Izy”. Tena mahafaly izany. Miantso antsika izay jamba ny Tompo. Mba hanala antsika eo amin’ny fahaverezam-pananatenana.Eo amin’izay maha-jamba sy mahakivy antsika
Misy maro ireo mpanararaotra te haka ny toeran’Andriamanitra ka mamitaka ny vahoaka satria mijery ny tombon-tsoany avy amin’izay feno fahoriana. Ny finoana ? Betsaka ny nohenjehina sy mbola voahenjika noho ny finoana. Betsaka ny mamigavinga sy maneso rehefa miteny hoe “ mino aho “. Indrindra amin’izao fotoana izao. Kanefa ny finoana dia ilay hery sy fiainana isan’andro satria rehefa tafahoana tamin’ny Tompo aho dia nihiratra ny masoko ary dia vonona ny hanara-dia azy.
Niala ny fahajambana. Ary manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanarahana ny Tompo ny amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Ny finoana no manome hery hahatohatra ny ratsy sy ny fahasahiranana. Izy no manome fifaliana ary mampanaiky fa na dia sarotra aza ny fiainana dia manolotra ny tànany amintsika ny Tompo mba ho famonjena antsika.
Ny finoana no manangana antsika amin’ny maty dieny ankehitrio eto an-tany. Izy no fiainantsika isan’andro. Ny famonjena dia maimaim-poana amin’ny alalan’ny finoana. Izay no an’isany ny fototra nahatonga Reformasiona. Andro hankalazain’ny protestanta izao alahady izao eran-tany. Tsy vidim-bola ny famonjena fa maimaim-poana. Fa hoy ny Tompo tsy miova manao hoe : « Mandehana, ny finoanao no nahavonjy anao »
Rehefa mihiratra tahaka ilay jamba ny mason-panahintsika tsirairay dia sahy hijoro ho vavolombelon’i Kristy isika. Ary koa sahy hanaraka Azy na amin’ny teny na amin’ny toetra. Ny Tompo anie hanampy anao sy hanome hery anao. Matokia. Amena.
Comments by Julia DARSOT