- Nahoana no asa tsara ny mpitondra fiangonana. Marina sa tsy marina. Indro fizarana avy amin’ny traikefan’i Julia Darsot mpitandrina. Ny asa tsara miteraka fifaliana…
Ny Fahariana (2) – La Création (2)
Fizarana II
Miarahaba antsika rehetra izay manaraka ity site « Tsodrano.com » ity. Manantena anareo ho salama tsara. Ary mirary soa ho an’izay tsy salama. I Julia Darsot, mpitandrina, no mandray fitenenana eto. Manohy ny resaka teo aloha isika. Miditra amin’ny fizarana faha-II mikasika ny lohateny : « Ny Fahariana ». Nolazaiko tary amin’ny faraparan’ ny fizarana I ny hevitr’Itompokolahy XHI momba ny « Elohim ». Tsy voasoratra ilay izy ka averiko eto ary iala-tsiny izany. Ny « Elohim » dia avy amin’ny hoe « mi-aloha » hoy izy amin’ny teny malagasy. Ny fotototeny « loha » no zava-dehibe raha ny fijeriny azy. Izany hoe ny ambony indrindra. Tsara ny mijery ny hevitry ny maro. Izay no nahatonga ahy hanao io fanamarihana io. Indrindra moa ny teny Elohim no ilazana An’Andriamanitra amin’ny Baiboly hebreo ny Toko 1 amin’ny Genesisy.
Noho ilay voambolana hoe « Andriamanitra » moa no tenenina eto. Satria io no teny nosafidin’ny mpandika teny malagasy ho nandikana Azy. Maro amintsika no miteny hoe : nahoana moa no « Andriana » izay olona sy « manitra » no natambatra ilazana ny anaran’Andriamanitra.
Andao ange ampahatsiahivina ireo tantara izay mikasika ny zava-manitra sy ny Andriana na Mpanjaka ao amin’ny Testamenta vaovao.
- Raha tonga ireo « Magy » namangy an’i Maria satria teraka i Jesosy dia nitondra menaka manitra rizareo ho fanomezana > Matio 2 : 11 volamena sy zavamanitra ary miora. Heroda izay naniraka azy ireo dia natahotra sao ho tena mpanjaka tokoa ilay zaza. Fanomezana ambony indrindra ho an’ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany no natolotr’ireo Magy.
- Fa Nikodemosy kosa dia nampiasa ny zavamanitra sy miora tamin’ilay lamba namonosana ny fatin’i Jesosy > Jaona 19 : 39. Eto dia nampiasaina tamin’ny fotoam-pahoriana sy ny fahafatesana ho an’ilay heverina ho mpanjaka ilay zavamanitra sy miora nentina.
- Tahaka izany koa ilay vehivavy tao amin’ny tranon’ilay Fariseo atao hoe Simona. Nahafoy nanosotra ny tongotr’i Jesosy tamin’ny menaka manitra sarobidy izay tena lafo. Tsy inona izany fa ny miora tamin’izany fotoana izany. Lioka 7 : 36-48. Efa nandindona mantsy ny hafatesan’i Jesosy tamin’izany.
Koa raha maty ny Mpanjaka ka hosorana zava-manitra moa ve mahagaga izany avy amin’ireo ohatra ireo fotsiny ?
Fa andao hiverina etsy amin’ilay Fahariana isika : Genesisy toko 1. « Nahary Andriamanitra ». Io matoateny « nahary » io > amin’ny teny hebreo dia « bara » izay manana hevitra hafa koa toy ny hoe : mandratsana, mamolavola na manapaka. Fa tsy ilay heverintsika hatrany ihany hoe « mamorona, manangana : construire ». Izay tsy diso akory. Ka ilay foana sy tsy nisy endrika ny tany – planète terre na terre-mère- dia tsy milaza fa hoe tsy nisy na inona na inona teo. Fa kosa misy zavatra mivaingana fa mikorontana ary adika amin’ny teny frantsay hoe « chaos ». Nisy zavatra maro nivangongo tao. Ka ho havahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny « Teny » izany rehetra izany ho azo tsapain-tanana sy ho hitan’ny maso. Tsy hanampy zava-baovao Izy fa ny eo ihany no ho velominy na ho fohaziny ho tsara kokoa. Toy ny mpandrafitra mihoatra noho ny mpandrafitra Andriamanitra satria hainy ny handamina izany. Injeniera mihoatra noho ny injeniera. Tsy ao anatin’ny fotoana fohy satria ilay andro enina dia maharitra fa tsy ora 24 akory ny andro iray. Ny faharetan’ny andro iray dia tsy mazava loatra ny hamaritana azy. Satria ilay Andriamanitra Mpahary eto « tsy mpanao majia » velively. Fa Andriamanitra miasa ary tena miasa ka manam-paharetana tokoa. Vonona izy hampivoitra ny zavatra nifangaroharo izay tao anatin’ny lalina ary ny haizina no teo amboniny. Ho antsika ny andro iray voalazan’ny mpanoratra eto dia manomboka ny hariva izay hiavian’ ny alina – arahin’ny maraina ary mifarana ny hariva ny andro iray. Ny ampitso izany. Izay no namaritana azy. Fa ny fahalavan’ny fotoana tsy fantatra. Fa isika taty aoriana no namorona ny ora. Izay tsara mba hisian’ny fandaminan’ ny fiainan’ny olona sy ny zava-boahary koa.
Marihina fa rehefa niasa Elohim dia nanomboka nandamina tsikelikely ny fananany izy. Toy ny mipasoka. Tsy inona izany fa ilay tany foana sady tsy nisy endrika. Tena ao an-tsainy ny hanatsarana io vongan-zavatra mety tsy manintona sy tsy tiana ho jerena akory. Indrindra moa ny maha lalina dia lalina azy ka haizina no hita. Ho an’ny olombelona dia mampatahotra aza izany. Hono hoa : Mety ho efa nanandrana ihany ve Elohim teo aloha fa tsy nahatanteraka. Fa izao dia nampiasa hevitra hafa indray mba hampibaribary ireo zavatra mitoetra ao anatin’ny tany foana sy tsy nisy endrika ?
Inona moa no nataon’i Elohim voalohany ? Ny nampisehoana ny mazava aloha avy hatrany fa tsara izany. Hitan’Andriamanitra izany fa « tsara » ary tsy mitovy tamin’ny haizina. Manaraka izay ny rano ambanin’ny habakabaka amin’ny rano ambonin’ny habakabaka. Nosarahiny ireo ary toy ny milaza ny fanokafana varavarana izay manasa hiditra ao hahitana ny tohin’ny fahariana rehetra. Mitohy izany ny fandratsanana ary asaina ianao anatrika izany. Tsy voalaza anefa io andro faharoa io hoe « tsara » rehefa vita. Tsy milaza izany fa ny fanasarahana eto dia ratsy. Mahagaga antsika ihany ny hoe fa nahoana no tsy mba voalaza ho tsara ny andro faharoa. Amin’ny saintsika olombelona mantsy dia ratsy ny hiheverantsika izany hoe misaraka izany. Nefa eto dia aseho antsika fa ilaina izany. Moa ve tsy tahaka ny varavarana iray izay misokatra hidirana ao amin’izay hohariana izay voalazako etsy ambony. Avy amin’izany no hibanjinana ny zavatra tsara rehetra nohariana. Fa ny sisa rehetra dia voalazan’ny mpanoratra fa « hitan’Andriamanitra fa tsara » (Hitantsika eto izany ny contemplation). Dia ireto avy : ny mazava, ka niseho ny andro sy ny alina, ny tany maina, ny ranomasina, ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny bozaka, ny hazo. Manomboka eo amin’ny andro faha-6 vao misy ireo zavamanaina rehetra sy ny karazany avy ary ny olona.
Eo amin’ny nahariana ny olona dia nataony tahaka ny endriny ny olona. Nohariany tahaka ny endrik’Andriamanitra (Elohim). Nohariany ho lahy sy vavy. Jereo ange rehefa mahavita asa iray Andriamanitra dia lazainy fa tsara. Fa saingy teto amin’ny olona dia nampiandry kely izy > Genesisy 1 : 27. Tsy afa-po ve Izy sa ahoana ? Ny nahamaika Azy dia ny « nitahy ny olona », io no nasosony, andininy 28. Tsy vitan’izany fa nomeny ny olona ny fahefana amin’ny fanapahana eo amin’ny zava-boary rehetra afa-tsy amin’ny olona samy olona. Efa nomanin’Elohim daholo ny zavatra rehetra mba tsy hahasahirana ny olona. Vita izany rehetra izany dia hitan’Elohim fa tonga lafatra ny asany rehetra izay ataony fanomezana ho an’ny olona. Ary tamin’ny fikambanan’izany rehetra izany vao notsipihin’ny mpanoratra hoe « : Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, « tsara indrindra izany ». Toa mahalasa fisainana ihany izany. Nahoana raha vao vita ilay olona : lahy sy vavy tsy tonga dia niteny hoe « tena tsara » ange ireto olona ireto. Indrindra moa fa mitovy endrika Aminy. Izy no nisafidy izany. Fa niandry efa ela. Mbola nisy zavatra pitsopitsony natao. Azo lazaina araka ny voalaza teo aloha dia tsy afaka misaraka ny zava-boahary rehetra noharian’i Elohim na Andriamanitra.
Marihina fa eto amin’ny bokin’ny Genesisy 1 dia efa mipetraka sahady ny hoe « lahy sy vavy ». Ahoana koa izany ?
Mahavariana ny zavatra noharian’i Elohim fa saingy mahagaga koa satria na dia samihafa ny zavatra nohariana dia mifandray daholo ireo rehetra ireo. Diniho fotsiny izany eo amin’ny zavatra manodidina antsika sy ny fiainana an-davanandro.
Ahoana izany Andriamanitra miteny izany ?
Izay ve no maha Andriamanitra azy ? Satria niteny izy dia nahary izay zavatra niriany. Mba hampirindra izao tontolo izao dia nanavao (nandratsana) ary namorona Izy amin’ny alalan’ny teny. Izay ny fomba fiasan’i Elohim ? Miteny Izy. Tsy miteny irery fa miteny eo anatrehan’ireo zavatra ho halaminy izay ao anatin’ilay tany izay foana sy tsy nisy endrika – (io no atao amin’ny teny hebreo hoe ‘tohu-va-bohu’ – izay afohezin’ny maro hoe touvabohu). Izany hoe mandre azy ireo zava-boahary rehetra. Tena mihaino izany ny zava-boahary ary nilaina izany satria tsy miteny amin’ny zavatra tsy misy i Elohim. Fa mila zavatra na olona izay mifanatrika Aminy Izy. Ary mamaly ny antso nataon’i Elohim (Mpahary) hoe « misia ». Satria rehefa mandre Azy miteny ireto zava-boahary rehetra dia tsy nisy nanohitra na nandà ny antson’i Elohim. Fa niezaka ny namaly izany. Vonona ny iseho ary nanaiky ny ho havaozina. Tsy ilay « foana sy tsy nisy endrika » ary tao amin’ny lalina intsony fa niova nanomboka tamin’ny teny voalohany ka tonga vaovao nian-dalana tsikelikely. Raha tsy niteny Andriamanitra dia toa manirery teo amin’ny zavatra mampalahelo Izy satria tahaka ny mitoka monina. Fa niteny Izy dia lasa mpamorona niaraka tamin’i Elohim ny zavaboahary satria namaly ny antsony. Eo ilay mahatonga ny ilazana hoe « mpiara-mahary na cocréateur ». Na dia tsy nanana feo na teny aza ny zava-boahary dia nihetsika.
Velona tao amin’i Elohim ny hetaheta hanova ilay tohu va bohu. Raha nangina Elohim dia tsy nisy izao zavatra nohariana rehetra izao. Nankatoa Azy tokoa mantsy ny zava-boahary.
Ho tsarovana mandrakariva fa tsy navelan’Elohim tamin’izao ilay tany tsy nisy endrika sady foana. Sarobidy taminy na dia efa zavatra taloha aza. Ary nanapakevitra Izy fa hanova ka ny hoavin’ny tany no ho hafa mihitsy. Ary ny tenin’Andriamanitra no nampiova izany. Tsy nisy ny fahariana raha tsy nosintomina tamin’ ilay zavatra taloha ka iainantsika amin’izao fotoana izao.
Ka dia ny Teny no mampiasainy hamaha ny olana izay mahatonga antsika hanontany hatrany hoe : ahoana moa ny namoronana izao tontolo izao ? Izay no hamporisihina anareo hikaroka na ara-biblika, na teolojika, na siantifika sns …
Hamaranana ity fizarana faha II momba ny Fahariana ity dia izao :
- Na dia heverina ho angano ao amin’ny kilasin’ny « mythologie » aza ny tantara eto amin’ny Genesisy 1 dia tsy manimba na manafoana ny hevitra teolojika izay fonosiny dia ny fifandraisan’ny olona sy Andriamanitra sy ny zava-boahary. Ary ny fifandraisan’ny samy zava-boahary rehetra koa.
- Misy fiandohana maro teo amin’ny famoronana satria tsy indray nivoitra ny zava-boahary fa nandeha araka ny fotoana. Noho izany dia nandamina ny fotoana sy ny andro tao anatin’ny korontana koa Elohim. Ary voarindra tsara izany ka niteraka vokatra lehibe.
- Hatreto aloha dia Andriamanitra ihany no nomena fitenenana fa ny zava-boahary rehetra dia nangina. Eny, fa na dia ny olona aza, ilay lahy sy vavy.
- Ny Fahariana dia tsy mitsahatra fa mitohy hatramin’izay heverintsika hahatratra ny hoavintsika izay tsy inona fa izao ankehitriny izao.
Izay izany ny fizarana faha-2 momba ny fahariana. Ary mbola ho tohizana amin’ny fizarana faha-3 amin’ny manaraka.
Misaotra anareo mihaino hatramin’ny farany. Araho hatrany ny resantsika ary mi-abonne-ava. Ary zarao amin’ny hafa. Ny fifanakalozan-kevitra dia anisan’ny harena ho antsika. Veloma mandrapihaona tompoko, amin’ny manaraka indray.
Vous aimerez aussi :
- PODCAST – EPISODE 5 – Ny fahariana – La creation
- PODCAST – EPISODE 4 Fampitandremana ny mpitondra fiangonana
Ny lohatenintsika androany dia hoe : « Fampitandremana ny mpitondra fiangonana ». Raha tadidinareo fa tao amin’ny podcast faha- 3 dia voalazako hoe : tena mahafinaritra ahy ary tiako ilay asan’ny mpitondra fiangonana.
- PODCAST – EPISODE 3 -Nahoana no asa tsara ny mpitondra…
Nahoana no asa tsara ny mpitondra fiangonana. Marina sa tsy marina. Indro fizarana avy amin’ny traikefan’i Julia Darsot mpitandrina. Ny asa tsara miteraka fifaliana…
Comments by Julia DARSOT