MATIO 2 : 1- 12
Ny fahaterahan’ny zazakely matetitka dia miteraka fifaliana ho an’ny rehetra. Satria miampy indray ny fianakaviana no misy olona iray koa velona hiaraka amin’ny olombelona rehetra eran’izao tontolo izao. Hihalehibe , handalo ny fahatanorana ary hahatratra ny fahaterana no fanirina atao aminy.
Tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy rehefa fantatra fa ho teraka Izy, dia nisy ireo izay kivy. Ny mpanjaka sy ny filohan’ny mpisorona dia sahiran-tsaina ka niezaka ny hitady an’i Jesosy zaza. Ny magy koa torak’izany ary vaky vava sahady nilaza hoe »mpanjaka » ilay zaza (and:2). Ny manam-pahefana kosa dia nanondro Azy ho » Mesia » (and:4) sahady. Zaza no ho tadiavina(and:8) ary nampitebiteby olona sasan-tsasany.
Nanao tanjona izy ireo ny hahita sy hahafantatra marina ny misy an’io zaza io. Ny magy no nahita azy voalohany. Feno fifaliana ny fon-drizareo araka ny voalazan’ny tantara . Na heverina ho sakodiavatra aza teo anoloan’ny fahitana ity zaza ity dia nibitaka fa misy zaza vao teraka. Zaza tsy manan-tsiny. Araka ny tantatra ao amin’ny filazantsara efatra dia zavatra manahirana maro no niandry ity zaza ity.
Ny magy dia tsy afaka niverina nanao tatitra izay nantenain’ny mpanjaka fa nahita ilay zaza . Satria ny nofin’izy ireo dia nandrara azy tsy hanao izany. Hiarovana ny ain’ity zazakely ity no anton’izany. Niaiky izy ireo fa tena zanak’Andriamanitra no hitany fa tsy mbola afaka nilaza izany aloha rizareo.
Iza no kristiana tsy mahalala ity tantara ity ? Amin’ny fankalazana ny Noely aza dia ataon’ny ankizy fampisehoana an-dapi-hazo izany. Fomba fampahafantarana ny fiainan’i Jesosy.
Olon-kendry ireto magy ary nahay naka safidy hentitra sy mendrika ny Zanak’Andriamanitra.Ny fihaonany tamin’i Jesosy dia nahatsapany ny hasarobidin’izao fotoana hifanatrehany izao. Nahatsiaro sambatra ireo magy ireo teny am-podiana. Nanaja ny teny reny tao amin’ny nofy.
Ny fahitan’ny magy an’i Jesosy, sy ny fihaonana taminy, eny fa na dia zaza no hitany dia nampiova ny eritreritra koa.
Ankehitriny, tsy afaka hilaza isika fa satria izy ireo dia magy ka afaka mandray fanapahan-kenitra toy ny nataony. Fa efa nomena sy notorina tamintsika ny Filazantsara. Nampahiratra ny masom-panahintsika ny Tenin’Andriamanitra izay re. Ary toa ny mahita ny Zanaka’Andriamanitra koa isika. Kanefa rentsika amin’ny vaovao maro isan-karazany toe-zavatra maro mampalahelo.
Ny anisany ho singanina amin’izany dia ny fialonana. Miteraka zava-doza isan-karazany mantsy izy io. Toy ireo izay tsy manaiky fa izay harena eo am-pelatanany dia tena ampy . Fa mbola mikaondoha miaraka amin’ny hafa hahazona harena be. Ary atao izay hahazona izany amin’ny fomba rehetra.Etsy an-danin’izany misy ireo izay tsy mety hiara-mitsikombakomba amin’ny ratsy. Ary mihataka amin’ireo izay mpamolavola hevi-dratsy.Toa tsy tahaka izany ve ny nataon’ny magy ?
Ohatra iray io nefa no mitovitovy amin’izany vokatry ny fitsiriritana ny hafa ka mipoitra ny fialonana.Mihafara amin’ny fahafatesana aza indraindray. Fahafatesana ara-panahy sy fahafatesana ara-nofo.
Ny Tenin’Andriamanitra anefa mampianatra antsika hiala amin’ny fialonana ny hafa. Ary hifaly isika raha misy olona mahavita fampandrosona ny fiainana sy ny asa ho tsara.Tsy ho an’ny olona iray ihany, na ho an’ny tany iray fa ho an’izao tontolo izao. Izany no atao hoe fahendrena.Nomena’Andriamanitra talenta samihafa ny olona tsirairay. Ary faly ianao, faly aho noho ny amin’izany. Izay no nahatonga an’i Jesosy nampahatsiaro hoe « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Tsy dia mandeha ho azy io amin’ny olombelona ka nampahatsiahivina antsika. Ny « fialonana » mantsy dia aretina ara-panahy azo tsaboina raha tian’ny olona ny hiala amin’izany. Raha tafahoana amin’ilay Jesosy kristy ny tsirairay dia ho feno fahasambarana tahaka ny magy ê !Ary ho resy ny fialonana sy izay vokany. Ao koa ny fifaninana amin’ny tsy antony, ny tsy manaiky ho resy.
Mametra-panontaniana hoe : Nahoana no feno ahiahy ny maro ? Inona no antony ? vokatry ny fialonana ve no mahatonga izany ? Sa vokatry ny fahantrana ? Sa vokatry ny fanana harena be loatra ? Hadino fa ny fitiavan-tena no mahatonga izany.
Irin’ny maro amintsika ny hanana toetra tahaka ny magy : ny fiarovana ny kely sy ny bitika, ny tsy afa-miteny sy ny tsy manam-piaro. Niova lalana rizareo ary niova fo koa.
Ny fahitany ilay zanaka’Andriamanitra dia nampiova an-drizareo, tahaka an’i Joba niteny hoe »Ny sofiko efa nandre Anao fa ankehitriny ny masoko no nahita Anao (Joba41:5) ». Ny olona tafahoana amin’Andriamanitra dia manaiky ny hanova ny toetrany, ny fikasany hiala amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ary hizotra amin’ny lalana vaovao ka tsy hiverina amin’ny taloha. Finiavana lehibe ny an’i magy tahaka ny an’i Joba ary misy koa olona tahaka azy ireo. Ny magy dia ny nofy no nanampy azy hiova . Fa ny an’ny tsirairay dia inona kosa ? Mbola hiandry nofy ve sa matoky ny Filazantsara ampy hanova ny fo ? Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no hanisan’ny fanajana ambony indrindra ilay Tompo nanome ny ainy hanavotra izao tontolo izao. Ary hiroso amin’ny lalan-kafa izay misy fiainana miaraka amin’Andriamanitra. Amena
Comments by J DARSOT RAFENONIRINA