TOMPO ô ! Misaotra anao izahay fa mbola tia anay Ianao. Feno fifaliana ny fonay fa tsy manadino anay Ianao. Marobe ireo olona izay nifanojo taminao teny an-dalana.Eny tokoa, Ianao no nanatona azy ireo voalohany. Nantsoinao mba hanaraka Anao.Teo amin’ny fotoana tsy nampoizina,teo am-piasana aza ny sasany. Nantsoinao handao ny asany ka ho mpanarato olona. Nomenao asa vaovao.Tsy nisalasala tokoa izy ireo fa dia tapakevitra ny hanaraka Anao.

Mbola maro ny tsy matoky Anao Tompo Andriamanitra. Mbola maro no mihevitra fa tantara fotsiny ihany Ianao. Ary toy ny tantara rehetra. Kanefa Ianao dia miasa ao am-pon’ny tsirairay ary mahay manova ny fo sy ny saina hitodika Aminao. Maro ny manaiky hitory ny Vaovao Mahafaly. Io no harato izao hitaomana ny olona. Tsy vitan’ny olombelona irery izany raha tsy miaraka Aminao ka vonona ny hanova tanteraka ny fo sy saina ary fihevitra. Ka ny fanarahana Anao tsy ho mpilivava fotsiny fa ho tanteraka amin’ny asa ho voninahitrao. Tsy hitenan’ny olona ratsy ny anaranao. Fa izay manaraka Anao sy hanaraka Anao dia hahay hanaja ny antso izay noraisiny Taminao. Mino izahay fa manome hery ny tsirairay Ianao hahazon’izy ireny manatanteraka ny asa izay nomenao tandrifiny azy. Koa izay eritreritra tsy mifanaraka amin’ny sitraponao Tompo dia esory ao an-tsain’ny tsirairay. Koa ny soa sy ny tsara izay efa nampianarinao no handresy : dia ny fitiavana ny namana sy Ianao. Izay no asa voalohany niantsonao. Sarotra ny manatanteraka izany koa manampia ny mpanomponao. Aza avela ho kivy sy ho ketraka izay manaraka Anao. Satria Ianao no manazava ny fiainany manontolo.Mitodika aminao izahay Andriamanitra ary misaotra Anao fa mitantana anay ny Zanakao Malalanao nitondra ny famonjena maimaim-poana ho anay.Amena