Matio 24 : 37 – 44
Nalain’i Matio ho ohatra ao amin’ny filazantsarany ny tantaran’i Noa.Tsy tany am-piandohan’izao tontolo izao akory izy io no niseho. Fa ireo firenena nanodidina ny hebreo koa dia nanana tantara tahaka an’io.Ary nolazaina aza fa angano. Aoka tsy hahatezitra anao mpamaky ny filazana izany. Nifangaroharo ao ny soratra ary noraisin’ny teolojiana mpanoratra ny Genesisy izy io hilazana hoe : ahoana no fisehoan’ ny famonjena nataon’Andriamanitra ny olona ? Nahay ny mpanoratra ny tantaran’i Noa (500 taona talohan’i Jesosy Kristy) ary nahatsinjo ny lavitra.
Nampahatsiahivina izany ny safodrano lehibe iray voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha.Vokatry ny faharatsian’ny olona no antony nahatongavan’izany (Genesisy 6 : 5-6). Ka niteraka korontana sy herisetra izay nitranga teo amin’ny fiaraha-monina. Tsy vitan’izany ihany fa tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona. Nisy elanelana toy ny lavaka tamin’ny olona sy Andriamanitra.
Rehefa teraka Noa, dia izao mantsy no nolazain’ i Lameka rainy hoe : « Ity no hampionona antsika amin’ny asantsika sy ny fisasaran’ny tanantsika noho ny tany izay nozonin’NY TOMPO » (Genesisy 5 :29) ».Voalaza ao amin’io anaran’i Noa io fa voantso hifona sy hitondra fampaherezana ary fialan-tsasatra noho izao zavatra mitranga eto an-tany izao. Izy no nantsoina hampikambana indray ny olona amin’Andriamanitra, hampifandray azy ireo. Tsy nomemem-poana akory ny anarany fa efa tsinjon’ny rainy ny asa izay miandry azy.
Taty aoriana dia nampilaza tamin’i Noa Andriamanitra ny amin’ny zavatra ho avy sy hitranga (Genesisy 6 : 13 Tonga ny faran’ny nofo … handringana azy mbamin’ny tany aho »). Io faran’ny nofo rehetra voalaza io, tsy midika fa tonga ny farandro ka ho voasazy ny olona. Fa kosa faran’ny torimason’ny olona ka hidirany ho amin’ny fahazavan-tsaina. Tonga ny fotoana hiavin’ny fahatanterahana sy ny fahazavana ho an’ny olona. Ny fanorenana ny sambo dia ny hahatsiarovan’ny fanahy velona rehetra hizotra amin’ny fanavaozana ny saina. Ny hiverenan’ny olona amin’Andriamanitra. Raha nanatanteraka ny asa nomen’Andriamanitra azy i Noa dia tsy nanaraka anjambany fa tena nahatsapa ny hery nomen’Andriamanitra azy (Genesisy 6 sy 7). Nahatonga azy hahatsiaro tena fa raha misaraka amin’Andriamanitra izy dia fahafatesana no miandry azy.Fahafatesam-panahy no tiako ho lazaina eto. Fa ny fankatoavana an’Andriamanitra no hisin’ny fahavelomam-panahy. Azo lazaina fa efa taratry ny sarin’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty na dia tsy voalaza aza tamin’izany fotoana izany ny safodrano. Ny rano mamono nefa koa mamelona.
Miverina indray eto amin’ny Filazantsaran’i Matio isika ny amin’ireo ohatra nomeny momba ny zazavavy ka ny iray ho halaina na iray avela. Matetika rehefa mahare ireo andininy ireo isika (40-44) dia ny fahafatesana no tonga voalohany ao an-tsaina. Mety ho marina izany satria nisy filazana ny amin’ny fandringanana tao amin’i Noa. Misy ny feno tahotra ka manao hoe : ahoana izany ny ho aviko. Tsy ny fahafatesana ara-nofo akory. Na ny fahataperan’izao tontolo izao no tian’ny mpanoratra ho lazaina. Fa ny fahafatesam-panahy tahaka tamin’ny andron’i Noa.
Ity Matio 24 : 37- 44 dia milaza amintsika fa ny zavatra nitranga taloha dia mbola mitranga amin’izao fotoana izao. Maro no variana ary mbola mitoetra ao amin’ny torimasom-pahafatesan’ny fanahiny. Izany hoe : lavitra an’Andriamanitra.Ary ny fisin’ny zavatra maro tsy voatanisa eo amin’izao tontolo izao dia mampiroroha ny saina. Ao ny mihevitra ho manana sy miadana nefa rehefa dinihina dia tsy izany loatra fa feno ahiahy. Matahotra sao lasan’ ny olona ny ainy sy fananany. Fa tsy afaka hilaza izany mibaribary koa noho ny henatra. Ao ny heverina ho tena mahantra nefa manana fiadanam-po. Raha ny lafiny ara-pivelomana dia tena misy tokoa ny tsy manana na dia izay arapaka na voam-bary iray aza. Ao koa ny korontanana maro samihafa. Ny mahagaga dia samy manohy ny fiainany ihany ny olona araka izay heveriny fa mety. Rendriky ny fifaninanana isan-karazany ny olona. Ary miankina amin’ny vola ny heverina ho fahavelomana ka na hiodinanana amin’Andriamanitra aza izany dia misy ny mihevitra fa tsy maninona. .
Tsy ny harena no ratsy fa indraindray dia misy ny fananana azo tamin’ny fomba tsy mendrika. Ao koa ny fialonana sy ny fieboebona ary hanitsahana ny hafa. Misy ny mamono tena hananana tafahoatra na dia efa manana aza. Mitaintaina ny maro ny amin’ny ho avy ary heverina aza fa tsy mihiratra mihitsy ny fiainany. Ao ny fikoranana isakarazany diso tafahoatra izay nanadinoin’ny olona an’Andriamanitra ka nitoetra tao amin’ny torimasom-pahafatesana.
Mampametra-panontaniana ihany ny amin’ny asan’ny Fiangonana na ny asa ny kristianina izay tokony hijoro vavolombelona ho an’i Kristy. Ho tonga saina hatrany ve ka tsy hanao hatsirambina izay niantsoan’NY TOMPO azy ? Sa mitovy amin’ny tsy kristianina ?
Raha tonga ny Zanak’olona tsy hoe ho faty fa ny iray hiditra ny lanitra, ny iray very. Tsia ! Fa ao ilay nahatsiaro tena ary niverina tamin’Andriamanitra ny finoany sy ny fanantenany.Tapak’hevitra ny hiala amin’ny faharatsiana rehetra izay mangeza azy na inona na inona. Ilay avela dia mbola omen’Andriamanitra fotoana hibebahana .Mbola miandry azy Andriamanitra ny hitodihany aminy. Ny filazan’ny mpanoratra hoe :lahy iray, na vavy iray dia satria mitovy ny olona rehetra. Tsy hoe ny matanjaka ara-batana ihany no hahita an’Andriamanitra fa ny rehetra izay manokatra ny fony. Ilay vehivavy janga rehefa tafahoana tamin’i Jesosy Kristy dia navelany heloka satria nahatsiaro ny tenany ho tsy mendrika, nifona .Ary nampaherezin’NY TOMPO. Ny tena aloha no miova fo vao afaka manova, na mitory ny Filazantsara ho an’ny hafa.
Ny fahatongavan’ny Zanak’olona ao am-po tsy tahaka ny mpangalatra akory ka mampihorohoro izay mifanena aminy . Fa manome azy hery kosa. Tsy manameloka izy rehefa mibebaka fa mamela ny tsy-finoana (fahotana).Manavotra. Fahasoavana lehibe ho an’izay mandray an’i Kristy izany satria tsy nampoizina ny ora sy ny andro izay nitrangan’izany.Indraindray aza mety alohan’ny fialan’ny aina.Tsy misy mahalala isika. Ny tantaran’i Noa dia tandindon’ny famonjena nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana ny olombelona. Satria teo no nisin’ilay Batisa lehibe indray mandeha monja, nitondran’ny fahotan’(tsy finoana) izao tontolo izao. Ary ny fitsanganany tamin’ny maty no fitsanganantsika koa.
Voafetra ny fotoanan’ny safodrano (40 andro ihany) fa raha matoky ny Fitiavan’Andriamanitra isika dia tsy ho resy ao anatin’izany.
Amin’izao alahady voalohany amin’ny Advento 2019 izao dia mbola tian’Andriamanitra ny mamerina sy milaza aminao fa efa navotany ianao ary aza miverina amin’ny ratsy mba ho velona tanteraka.Tsy fankalazana fotsiny fe fankalazana ny fampahatsihavina ny nahatongavan’i Jesosy fa efa vita ny famonjeny izao tontolo izao saingy misy ny manadino. Ho anao izay mahalala izany aza manambany ny hafa fa misaora an’Andriamanitra ary mandehana mitory am-panetre-tena ny soa noraisinao tamin’NY TOMPO. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Comments by Julia DARSOT