TENY ho vakiana
Asan’ny Apostoly 10 : 34 – 48 ( Tsara raha vakina ny toko manontolo)
Miarahaba anao indray tratry ny Paska 2004. Mahazatra antsika ny mandre ny tantaran’ny Nitsanganan’I Jesosy Kristy tamin’ny maty ao amin’ireo Filazantsara samihafa. Samy manana ny fomba fitantarany azy moa ireo.
Andeha, hiova kely, ka ny Asan’ny Apostoly voatondro etsy ambony no hitoriana ny Paska androany. Tsara ho fantatra fa io boky io dia tohin’ny Filazantsaran’i Lioka : boky faharoa ( na Tome II) . Toa niampy indray izany ny Filazantsara. Ary ny teny ambara ao dia mahatratra ny jentilisa. Izay manambara sahady ny fitovian’ny olona rehetra eo amin’ny fandraisana ny Filazantsara. Mifandray amin’ny tenin’i Paoly apostoly hoe : “Tsy misy intsony na jiosy, na grika, na andevo , na lahy na vavy …
Manaporofo izany fa tian’Andriamanitra hahare ny Teniny daholo ny olona rehetra izay nohariany. Tsy misy fanavakavahana ary mitovy avokoa.
Hoy Petera hoe : “Hitako marina fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra” ( and:34). Mahavariana izany fomba fisainan’i Petera izany, toa ohatrin’ny hoe : nampanahy azy
Andriamanitra, fa mety hiangatra. Mampiseho izany fa amin’ ny maha-olona azy dia izany no fisainanany. Ary izay no tian’ Andriamanitra ovaina amin’i Petera, mba hihiratra ny masony, ary hahita fa marina Andriamanitra.
Izany koa ny takin’Andriamanitra amin’ny olona dia ny hanao ny marina. Manomboka eo amin’ny fitiavana ny havana sy ny namana, ary ny olona tahaka ny tena nefa tsy fantatra. Matoa Jesosy namintina ny lalàna hoe : “ Tiava ny Tompo Anndriamanitrao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia sarotra ny fanatanterahana izany. Ka tsy maintsy hampahatsiahiviny.
Raha olona vitsivitsy ihany moa no hanoloran’Andriamanitra ny famonjena dia tsy mitoetra ny Filazantsara. Satria raha nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia ho an’ny olona rehetra, ho an’izao tontolo izao.
Ny tantaran’i Kornelio sy Petera dia manazava antsika ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona, noho ny fifanantonan’ izy ireo. Miaiky Petera fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.. Ary dia ampiny hoe : Fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankahasitrahany. Mitaky zavatra amintsika Andriamanitra dia ny : fahamarinana. Ny fahatanterahana izany no mitondra koa ny fitsangana’ny tsirairay hiala ho amin’ny fahafatesana.
Dia ny fiovam-po feno sy tanteraka. Maro ny azo handikana ny hoe fahamarinana : Miala amin’ny fitiavan-tena aloha, fa io no mamono mahafaty, satria te hanangona zavatra maro ho an’ny tena. Indraindray aza avela ho lo ao ny fananana toy izay ho an-kavana. Miala amin’ny fanambakana, satria io koa dia maningotra ny fiainana ary sarotra ny miala amin’izany rehefa zatra. Miampy ny lainga sy ny risoriso. Miala amin’ny fanavadihana ny resaka, ka miteraka ady amin’ ny rehetra, ary mety hihitatra hatramin’ny firenena. Miala amin’ny hoe : tsindrio fa lavo. Indraindray dia fantatra izao fa tsy mety, dia atao ihany, satria tsy misy mahita hono.
Eny tsy hitan’ny olona . Fa Andriamanitra manerana izao rehetra, ary tsy misy miafina Aminy. Hoy ny Ntaolo hoe “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao tampon’ny loha”. . Betsaka ny zavatra mandoza ary mitondra fahafatesana ho an’ny olona, tsy ara-batana ihany fa ara-panahy koa. Maro ny mivenzivenjy mitady vonjy atsy sy aroa noho ny aretina, ny fahafatesana, ny fahasahiranana ara-bola, noho ny fitaka fa narian’ny olon-tiana.
Manana adidy ny Fiangonana tsirairay hitory ny fahamarinana sy ny tsy fizahan-tavan’olona . Ny Fiangonana mantsy dia tsy ny vata-trano hiangonana, fa ianao sy izaho kristiana , ny mpino an’i Jesosy Kristy rehetra. Ka ny fijorona amin’ny fahamarinana takin’ny filazantsara, dia manomboka amintsika. Ny fihalangalanana no miteraka fahafatesana satria manimba ny fiainana manontolo tsy hiroso ho amin’ny fanazavan’Andriamanitra Na dia te-handroso aza isika dia tsy mahavita tena , fa mila ny Fanafy Masin’Andriamnitra hanome hery. Izy no mamelona antsika, satria io Fanahy io no namelona an’i Jesosy Kristy.
Koa mijery ny kristiana izao tontolo izao raha tena velona marina ao amin’I Jesosy Kristy, izay Andriamanitra inoantsika. Eny, ny Fanahy Masina aza nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa (and.45). Izay no maha-Andriamnitra velona an’i Jesosy Kristy ho mandrakizay. Ka ho velona ao Aminy koa isika. Amena.
Comments by Julia RAFENONIRINA