TORITENY
Marka 8 : 22-26
22 Ary tonga tany Betsaida izy ; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna ; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy : Mahita zavatra va ianao ? 24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe : Mahita ny olona aho : fa toa hazo no fijeriko azy, saingy mamindra. 25 Dia napetrany tamin’ny masony indray ny tanàny, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. 26 ary Jesosy nampody ho any an-tranony ka nanao hoe : Aza mankao an-tanàna.
Betsaida dia tanàna iray tena mahafinaritra ( Beth : tanàna ; saida : sambatra). Iza no tsy hitsiriritra izany fahatongavana ao amin’ny toeram-pahasambarana ? Kanjo ireto olona tao anatin’ ny vahoaka nitondra jamba nanatona an’i Jesosy. Mangidy io fahajambana io. Satria maizina daholo izay jerena, ary tsy mahavita tena ny olona, fa mila mpanampy.Ao anatin’ny fahamaizana ka mitalaho mba ho sitranina. Tendreo re Jesosy ny masony ê ! Ianao efa nanao fahagagana sy nahasitrana olona maro.
Hafa kely ny fihetsiky Jesosy. Nalainy ilay jamba, notantanany ary nentiny nivoaka ny tanàna. Nila toerana mangina, tsy misy vahoaka mitsikilokilo. Tahaka ny mpitsabo rehetra ange. Mila toerana sahaza ny marary mba ho fiarovana azy, ary hiatrika ny fitsaboana atao azy. Mila fanajana koa izy fa tsy ny vahoaka rehetra no tonga hitangorona eo. Nororain’i Jesosy ny mason’ilay jamba. Asa raha fantatr’ity jamba ity mialoha ny fomba fitsaboana azy raha nanaiky izy na tsia. Taitra ve ilay jamba sa ahoana ? Asa. Jesosy dia nametraka ny tànany teo amin’ilay maso. Fomba mahazatra koa io rehefa marary ny maso na voadona. Tapenana haingana satria ilay hafanana kely re iny dia toa somary manala ny fanaintainana.
Avy eo dia nanontanian’i Jesosy ilay jamba raha mahita zavatra. Indrisy fa nampalahelo ny vali-teniny. Hazo mamindra toy ny olona no hitany. Mbola nanjavona ny fahitana. Zara raha mihiratra. Ahoana re izany Jesosy no tsy tonga dia sitrana ilay jamba ? Tsy kivy Jesosy fa nanohy ny fitsaboana ary nametraka ny tànany fanindroany tamin’ilay maso. Teo vao nihiratra ny maso ary nahita. Niavaka tsara ny zavatra jerena rehetra. ( Mikasika ny fandehan’ila asa teo amin’ny maso dia telo karazany no teny am-piasaina : mahiratra, mibanjina, nahiratra tsara, hitany miharihary) Eo amin’ny tantaran’ny asa fanasitranana dia eto ihany no hahitantsika fa indroa namerina ny fanasitrana Jesosy vao sitrana ilay olona. Mahagaga sy mahavarina izany. Nahoana no voatery namerina indroa ny asany Jesosy. Mahadiso fanantenana ny olona izany, indrindra ny marary. Eny ry havana, toy ny mpitsabo rehetra io. Tsy vita indray mandeha ny fitsaboana indraindray, fa mila hiverenana. Jereo ange ireo mpandidy ohatra voatery mamerina ny fandidiana. Firy ny olona tezitra momba izany. Toa lazaina aza fa tsy mahavoa ilay mpandidy. Ao aza ny mety hanao fitoriana. Ary dia ao ny fimenomenonana. Ara-dalàna izany, satria tsy nampoizina, tsy arak’izay no eritreretina.
Inona no tiana ambara amintsika eto ?. Maro ny olona manatona an’iJesosy amin’ny alalan’ny tenany na entin’ny olona. Tratran’ny fahajamban ara-panahy. Mitady fanasitranana satria tsy mahita ny lalana tokony hijorana noho ny adi-tsaina na ny famoizan-po sy ny antony maro samihafa. Manatona ny Tompo sy hametraha ny tànana nefa tsy sitrana. Ahoana ary izany ? Nisy zavatra tao izay nanakana ny fahitana : fitiavan-tena, fialonana, fiavonanavoana, fifosafosana, fanesoesona, fitaka, halatra, fanabamkana sy ny maro hafa. Eny fa na dia izay heverina ho madinika kely aza dia tsy mahatanteraka ny fahitana. Ka tsy maintsy esorina amin’ny alalan’ny fametrahan’ny Tompo ny tànany eo amin’ilay masontsika jamba. Rehefa mipetraka eo amin’ny maso ny tànana dia eo an-kelakely ny ratsan-tànana no hahitana ny olona izay manao izany asa izany. Izany hoe raha ny Tompo no manatrika antsika dia ho tanjantsika Izy ary hitondra fanasitranana.
Tamin’ny voalohany dia betsaka ny zavatra nanakana ny tsy hahitantsika Azy. Fa tamin’ity fanindroa, dia nanaiky isika hanaisotra ny fanankanana rehtra.
Tsy mitovy ny fotoana hahatongavan’ny fahasitrana ara-panahy fa samy manana ny azy ny olona tsirairay. Ao ny vetivety, ny amam-bolana, ao ny aman-taonana, ao ny eo am-bavaonan’y fahafatesana vao mahita ny Tompo. Tsy anjarantsika ny mitsara. Fa hampahafantarina antsika fa misy izany. Ka anjaran’ny tsirairay ny manesotra ny fanoherana rehetra tsy hahitana ny Tompo sy ny famonjena. Rehefa sitrana ilay olona dia noraran’i Jesosy tsy hiverina any an-tanàna izy. Ny antony dia hitantsika amin’ny teny manaraka hoe : “ Ataon’ny olona ho iza moa Aho ? Jaona Mpanao Batisa, fa hoy ny sasany : Elia, ary hoy ny sasany Anankiray amin’ny mpaminany. Ary Jesosy nanontany azy hoe : Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza ? Dia namaly Petera ka nanao hoe : Hianao no Kristy( Vakio marka 8:27-29). Ny fanekena an’i jesosy ho Kristy Tompo sy Mpamonjy no manaisotra ny fahajambana ry mitondra ny fahasitranana tanteraka ho an’ny masontsika. Aoka tsy hisy zavatra hanakona Azy satria efa eo anoloantsika Izy. Ny fahitana Azy no mampiditra antsika ao amin’ny tanin’ny fahasambarana. Amena.
Comments by Julia RAFENONIRINA