Matio 28: 1 – 10
Mifarana eto amin’ity toko faha 28 ity ny tantara momba an’i Jesosy ato amin’ny filazantsaran’i Matio. Vaovao mahafinaritra no voalaza : Velona Jesosy. Mampatahotra ihany koa satria atao ahoana ny mahita olona voalaza fa maty nefa velona indray avy eo.
Tsy niandry ny masoandro hiposaka fa vao maraina be dia lasa i Maria Magdalena sy ilay Maria hafa nandeha ho any amin’ny fasana. Nisy horohoron-tany tsy nampoizina teo amin’ny toerana nandevenana an’i Jesosy. Izay efa niaina ny horohoron-tany dia mahalala tsara ny tahotra vokatr’izany.Satria ny tenanao manontolo no toa mihovitrovitra tokoa. Ary tazana tampoka koa ny fahafatesana. Izay ny nanjo ireto vehivavy roa ireto mitondra anarana mitovy samy Maria. Efa eo anoloan’ny fasana dia toa mbola misy fahafatesana hafa ihany ve ho avy ? Tsy izay no nitranga, fa nisy anjely nanakodia ny vaton’ny varavaram-pasana. Afaka ny ahiahy ny amin’ny hamahana ny fasana. Izany dia noho ny horohoron-tany sy ny anjely. Tahaka ny tselatra ny akanjon’ilay anjely. Tsy tantin’ny maso ve ny ilazana azy toa izany. Na koa ny tselatra dia milaza fampitohizana ny tany sy ny lanitra. Izay no sary azo lazaina ny amin’ity anjely. Teo anatrahan’ny fahakivina dia velombolo ireto vehivavy.
Ny mpiambina dia torana. Tora-kovitry ny tahotra ka tonga tahaka ny maty. Ny mpiambina anefa dia lehilahy heverina ho tena matanjaka na ara-tsaina sy ara-batana satria mety hiatrika fahavalo rehefa misy ady. Na koa rehefa miaro olona ambony amin’ny fahefana. Jesosy mantsy dia natahahorana sao handrombaka fahefana. Ny anjely dia nampitony ireo vehivavy ary niteny tamin’izy ireo tsy hatahotra. Fantatry ny anjely ny antony nahatongavany teo. Tsara fanahy ilay anjely. Nasainy nijery ny toerana izy roa vavy ka mba tena ho azo antoka fa tsy ao intsony Jesosy izay tadiaviny. Ny anjely koa no nilaza fa efa nitsangana Izy.
Nirahin’ny anjely izy roa vavy izany hilaza ny zavatra hitany any amin’ny mpianatra. Nanatanteraka ny hafatra tokoa na dia faly sy natahotra aza. Nandeha haingana, nihazakazaka. Mahagaga fa nifanena taminy Jesosy. Niteny hoe : Finaritra. Niarahaba an’izy roa vavy. Tsy nitsaoka fa nanatona an’i Jesosy izy ireo. Tsy mba natahotra nahita an’i Jesosy izay fantany fa maty ary nalevina. Fa natoky tanteraka. Hany ka niondrika nandray ny tongony ary niankohoka. Toa ny maneho fa eo anatrehan’ny mpanjaka ireto vehivavy ireto.Dia mbola nirahina koa izy reo hilaza amin’ny mpianatra fa any Galilia Jesosy no hihaona amin’ny mpianatra. Indroa nandray ny hafatra izay tokony ho tanterahana ao anatin’ny fotoana fohy. Natoky an’i Jesosy i Maria Magdalena sy ilay Maria iray. Ary natoky azy koa Jesosy.Tsy mba nivadika izy roa. Ny vehivavy mantsy sisa no nanaraka an’i Jesosy hatramin’ny farany fa ny mpianatra rehetra nitsaoka rehefa nohenjehina na nosamborin’ny manam-pahefana.
Ary fantatry ny Tompo fa hanatanteraka ny asa hampanaovina azy hatramin’ny farany.
Ho antsika mpamaky ny Baiboly, na ho antsika izay efa zatra mandeha miangona, dia mahafantara tsara ny tantara ary mahay azy tsianjery aza. Izay ny tantaran’i Jesosy : Velona Izy. Ary rehefa tonga ny andro Paska dia mifampiharahaba isika: Tratran’ny Paska, Velona ny Tompo.
Velona ny Tompo dia vaovao lehibe.Izay tsy hain’iza n’iza tanterahana. Nefa nirahina ny vehivavy hilaza ny vaovao mahafaly. Ary mbola azo atao ve izany ? Amin’ny toerana na ny tany izay manaiky ny hitorian’ny vehivavy ny filazantsara dia mety izany. Fa misy Fiangonana tsy mbola manaiky izany fa ny lehilahy ihany no tokony hanatanteraka izany. Tsy hiady hevitra ny amin’io aho satria lohateny lehibe izay azo dinihina manokana izany miaraka amin’ny tantaran’ny Fiangonana.
Fa ny tiako ho eritreretina dia ny zavatra nitranga nanomboka teo amin’ny nivoahan’ny varavaram-pasana.
Azo oharina amin’ny inona moa ity horohoron-tany ity izay aloky ny fahafatesana. Mampitresaka ny tany, miteraka lavaka, mandrakotra tanana ary dia tsy hita. Faty maro no arahan’izany. Mampanatrika ny olona ny fahafatesana izany.
Ny horohoron-tany dia mampiovitra ny tena rehefa tratran’izany. Miteraka tahotra. Mampivadi-po. Mahatorana. Tsy mifidy mahantra na mana-karena fa izay tratra dia tratrany. Ary tsy fantara izay nihaviny na izay antony nahatonga izany.
Ho avadika ny hevitry ny horohoron-tany ka hijerena fohy ny zavatra mitranga eto amin’izao tontolo izao sy ny any amin’ny firenentsika.
Iza no tsy feno horohoro rehefa mipaoka ny ady any amin’ny tany na faritra iray. Na ireo tany hafa tsy voan’izany aza dia lasa eritreritra ihany. Sao dia ho tratran’izany izahay atsy ho atsy ?Ary aiza ny Mpamonjy anay ? Miteraka fahasimbana maro fa vitsy no lazaina. Toy ny vonoan’olona tsy hananana antra. Toy ny biby. Ny fampiasana sy fampitahorana amin’ny fitaovam-piadina dia efa mampihorohoro. Jereo fotsiny ny mpangalatra, ny mpanendaka, ny dahalo sy ny mpitandro filaminana.Tsy mahamenatra ny mamono olona.Ny tebitebin’ny maro noho ireo zazavavy mivaro-tena ka tsy hitan’ny fianakaviana izay hanavotana azy. Horohoro daholo izany. Ary izany rehetra izany dia anisan’ny miteraka aretina maro satria feno horohoro ny mpiara-monina. Ny fianakaviana misaratsaraka. Misy manao hoe : mivavaka ihany nefa tsy hita izay miova.Andeha atao hoe marina ny voalazany. Satria raha namangy fianakaviana iray aho dia izao no nataon’ilay raim-pianakaviana rehefa hoy aho hoe : lavitra izany olona naratra izany fa tsara raha mivavaka ho azy.Dia izao no navaliny ahy : ianao angaha manonofy sady nitokelaka nihomehy izy. Tsy niteny aho fa nangina ary nanao veloma.Fa feno horohoro tao am-poko.Tsapako fa very ny fanantenany ; ary tsy nanana fahatokisana intsony izy. Afaka dimy andro rehefa nihaona izahay dia niverina tamin’io resaka io. Hay nilainy ny niteny izany satria tsy tantiny intsony ny zavatra mitranga. Mamoy fo aho hoy izy indraindray. Mihaino ve Andriamanitra ? Fa tena mafy loatra ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao.
Mampiverina amin’ilay horohoron-tany sy ny anjely nanelanjelatra. Izany hoe miaraka hatrany izay heverina ho tsara sy ratsy. Tsy misaraka ireo. Ny fahafatesana sy ny fiainana. Jereo ny mpianatra nitsaoka sy ny vehivavy nanana fanantenana hatrany. Mbola tafahaona tamin’ny Tompo. Ary nomeny hafatra hilaza vaovao mahafaly. Izany hoe izay tahafaona taminy dia voahiraka handeha hilaza amin’izay kivy fa ny fahaveloman’ny Tompo no fahavelomany.
Tsy mora ny fanatanterahana izany satria mila faharetana, mila fitiavana, mila fanetren-tena, mila fanajana. Mila fanekena ho iraka.
Mivaloharika ny olona na ny firenena izay mahatsinjo fa eo hatrany ny fahafatesana manaloka azy. Dia ny fanababoana azy na ny tenany na ny taniny amin’ny tsy rariny amin’ny fomba rehetra. Ka hahafaty azy.
Saingy ny tsy tokony hadino fa na dia ao anatin’izany sehatra tena mafy izany dia ao Andriamanitra. Te hihaona amin’ny tsirairay hilazany toy ny tamin’ilay anjely : aza matahotra.Ilay anjely dia toa an’Andriamanitra hitondra fankaherezana. Manamafy izany koa Kristy velona. Aza matahotra. Matetika io teny io dia lasa fomba fiteny mahazatra ary tsy misy lanjany intsony. Fa tonontononina . Satria raha io fotsiny dia matoky tena loatra ny olona. Ka tsy lalim-paka ny fahatokisana an’Andriamanitra.
Jereo tsara ny teny nataon’i Jesosy ho an’izay nohirahina eo amin’ny faran’ny filazantsaran’i Matio : Indro Izaho momba anareo ambara-pahatongan’ ny fahataperan’izao tontolo izao.
Izany hoe . Raha manaraka ny sitrapon’ny Tompo ny olona eo amin’ny fiainana sy ny fisainana dia afaka mahatoky izay voalaza hoe :
« Aza matahotra, fa Izaho momba anareo ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao »
Comments by Julia DARSOT