172 taona lasa izay no nanaovana printy ny Baiboly malagasy voalohany.Ezaka lehibe izany. Ary vao tsy ela akory izay dia vita ny DIEM. Isaorana an’Andriamanitra izany.
VAKIO fa ho variana ianao. Sokafy ary fa tsy momba an’Andriamanitra ihany no hita ao fa mikasika koa ny fiainan’ny olombelona.Inona no mahasamihafa azy amin’izao fotoana izao.
« Tsy manonofy aho rehefa mamaky ny tantaran’ny fahariana izao tontolo izao : ny zavaboahary sy ny ny olombelona. Mbola maro be no zavatra tsy takatry ny saiko momba an’io.
Voalaza fa nisy tovolahy iray nahafaty ny rahalahiny satria nitapisaka tao aminy ny fialonana ka navelany niditra tao am-pony izany. Vaovao mbola hita amin’ny gazety ankehitriny koa izany. Anatra hahazona misaina ny zavatra atao.
Maharary hoe ny tenan’ny vehivavy ary toa mivahavaha rehefa miteraka izy. Mbola maro no tratran’izany na dia efa misy aza ankehitriny ny fanafody fanalana fanaitainana.
Ao koa ny tantaran’ny olona manambaka sy misoloky, toa ny fahazahoana zo amin’ny maha-zoky. Aleo ho halavirina izany toetra izany. Inona no soa azo amin’izany ?
Tena olana be koa ny tsy fanana zanaka. Eny fa na dia amin’izao fotoana izao aza.
Zava-dehibe ny fifampitondrana teo amin’ny fanambadiana sy ny havam-bady : ny fifanajana.
Tokony afaka hifandray tsara ny vinanto sy rafozana, misy tantara momba izany ao.
Maro ny aretina mahafaty sy mampatahotra ary efa nisy ny fampitandremana.
Voamarika ao koa ny loza mitranga noho ny fiovan’ny tany.
Mampalahelo ny fiadin-mpanjakana ka miteraka fahafatesana ho an’ny valala be mandry sy ny tafika.
Niezaka ny mpitondra fanjakana hanana fitsipika momba ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana.
Voasoratra ao ny anaran’olona marobe araka ny fianakaviana sy ny tantarany.
Maro ny tononkalo tamin’ny fotoana fahababoana.
Mivelatra ny Ohabolana isan-karazany ka mampieritreritra.
Hita koa ny tsy fanadinoina ny mahantra sy ny marary.
Fa ilay tantara sarotra dia ny tantaran’ny : « Fitiavan’Andriamanitra ny olombelona sy ny namonjeny azy«
Ao anatin’ireo tantara rehetra ireo sy ny hafa ahoana no ahafantarako izany. Ny Fanahy Masina no inoako hanazava ny saina sy ny eritreritra. Ka ny fireneko tsy hamaky be fahatany ny Baiboly fa hahay handinika sy handajanlanja.Tantaram-pirenena maro no hita ao. Ary manao ahoana ny tantaran’ny firenentsika eo anatrehan’izany fitiavan’Andriamanitra izany. Ny hafatra ao amin’ny Baiboly tsy ho fampitahorana fa hafatra mendrika ho any tsirairay.Ny tsara indrindra ao no iainana. Izay no fanirina ».
Ho fahatsiarovana ny 21 jona 1835.
Comments by Julia DARSOT