TOMPO Andriamanitray ô, misaotra Anao fa mbola velona handia ny taona vaovao 2007. Nomena 365 andro mba handamina sy hanavao ny fiainanay. Mankalaza Anao izahay Tompo noho izany. Isa maraina dia mahatsiaro tokoa fa tia anay Ianao satria afaka mifandray amin’ireo havana sy namana. Endrey ny fifalianay. Ary mahare ny vaovao eran-tany.

Eny, nisy ireo lasa nodimandry ka tsy tafara-dia aminay intsony. Mivavaka ho an’ny fianankavian’izy ireny izahay.Omeo fampiononana izy ireny.Ianao mahalala izay mahasoa ary tsy mandao.

Tompo ô, arovy ny fandehanay. Tahio ny fikasanay mba hanajanay ireo andro nomenao. Misaotra fa avy Aminao ny hery hahatanterahanay ny adidy eo anivon’ny ankohonana, ny namana ary izay mangataka fanampiana. Misaotra noho ny fahavitrihina hahatontosana izany. Matoky ny fambombanao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ho Anao. Ianao no Tompon’ny aina.

Andro maro no hatolotrao. Harena ho an’ny olombelona sy ny zava-boahary izany. Ho tanteraka ny sitraponao ry Tompo Andriamanitra. Manamasinà anay sy ny andronay rehetra. Ho Anao irey ny voninahitra. Amena