TOMPO Andriamanitra ô ! Amin’ny finoana no ankalazainay ny anaranao. Satria Ianao mihaino ny vavakay.

Manatona Anao ny olona rehetra mivesatra ny fahotany satria mamela heloka Ianao. Izay nofidinao dia feno fahasambarana satria miaraka aminay Ianao. Noho ny fitiavanao, dia mamaly ny fangatahanay amin’ny alalan’ny fahagagana Ianao Andriamanitra mpamonjy. Fanantenan’ izao tontolo izao Ianao hatraiza hatraiza.

Eny, fa na dia ny zava-boahary aza dia miondrika eo anatrehanao. Feno filaminana ny tany sy ny ranomasina satria Ianao no manjaka ao. Mampagina ny tabataban’ny firenena satria Ianao no manjaka ao koa.

Gaga ireo mahita ny voninahitrao sy ny asanao. Fenoinao fifaliana ny tany any Avaratra, ny any Atsimo, ny any Andrefana, ny any Atsinanana. Mamangy ny tany Ianao ary omenao fahasoavana sy fahasalamana. Fenoinao harena tsy hita noanoa ny tany rehetra. Mirotsaka ny rano avy any an-danitra mamelona ny zava-boahary ary velona ny tany. Afaka mamboly ny mponina ary feno ny fitahinao ny vokatra. Eny fa na ny tany hay aza dia feno fahasoavana koa.

Ampahatsiahivo anay olombelona isan’andro izany fitiavanao izany.Mihoatra noho izay tadiavinay no hamalianao anay. Faly izahay manana Anao ho Andriamanitra. Satria mahery ny tànanao miaro anay. Ary tsy diso anjara amin’ny fitiavanao ny olona tsirairay ary ny tany. Ny Fanahinao mitoetra ato anatinay. Amena.