2016 –Vavaka mandritra ny herinandro

29 février – 6 Mars : Ho an’ny Fiangonana

Ny kristiana, ny mpino hafa rehetra, Ny manana andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana, ny miomana hitondra fiangonana.

7 – 13 Mars : Ho an’ny vehivavy rehetra-

Ny manana andraikitra amin’ny raharaham-pirenena, ny vehivavy kilemaina, ny maty vady, ny voaolana, ny mamono vady na vonoin’ny vady, ny miteraka nefa tsy manambady, ny mananontena, ny tokantena, ny vehivavy tsy manan-zo ao an-tokantrano,ny sahirana ara-pivelomana, ny voan’ny aretina tsy mety sitrana, ny nanary ny zanany,ny voambaka.

Ry vehivavy malala.

Nahoana moa no tsy hizara ny fifaliana amin’ny vehivavy rehetra eran-tany nahatratra ity andro androany ity. Faly satria mbola afaka mitafatafa aminao. Miarahaba anao tsy maty fo aman’aina eto amin’izao tontolo izao sahirana amin’ny tarehin-zavatra maro samihafa miseho.

Midera ireo vehivavy rehetra n’aiza n’aiza misy azy ka tafiditra ao amin’ilay faritra hoe : tafita. Tamin’ny fitaizana noraisiny tamin’ny ray amandreniny, tamin’ny fianarana nilofosany, tamin’ny harena, tamin’ny fahasalamana tsy misy tomika. Raha atambatra : miarahaba anao ao amin’ny filaminana sy ny fizoran’ny fiainana fenoin’ny masoandro mibaliaka. Tao ny fiezahana nataonao fa tsy tongatonga ho azy ny fahasambarana iainanao.Koa misaora an’Andriamanitra.

Mangotsoka koa ny tena rehefa mahita vehivavy maro te hisondrontra fa tsy tonga amin’izay tanjona iriny. Indraindray ny havany akaiky no mandrara ny fivoarana ka ambaniana toy ny mpanompo aza. Tsy afaka mivoaka ny trano, tsy afa-mianatra, toy ny gadra. Maro ny mahita faisana satria voakapoka na hampijaliana raha manohitra fa te hanana ny tsara eo amin’ny lafiny fahalalana. Ao izay lasa mpivarotena nefa tsy nihevitra ny ho tonga amin’nizany fa voafitaka satria te hiavo tena.Ao ireo mitondra takaitra lalina ao amin’ny tenany noho ny hasomparana nihatra taminy. Ao ireo mamoy fo ka mamono tena aza. Mivavaha ho azy ireny.

Mampitomany ny mandre ny tantaran’ireo vehivavy tratran’ny fitsoahamponenana. Manao vy very ny aina mba hahita toerana hahafahana amin’ny ady sy ny fahoriana haterak’izany.Miharitra ny mangidy rehetra eny an-dalana. Nefa dia tsy tafita fa fahafatesana no nitsena. Misy ireo akaiky ho voavotra vao rendrika. Tsy fantatry ny havany izay niafarany. Firifiry moa ireo izay ao amin’ny toerana voafaritra na aty Eoropa na Afrika sy ny tany hafa misy azy ireny. Mivavaha ho azy ireny.

Tsy manadino koa ny vehivavy malagasy. Firy no mahatsiaro tena sambatra eto amin’ity Nosy lehibe misy azy ity. Raha ny tanintsika no farany amin’ny tany mahantra dia farany koa ny ankamaroan’ny vehivavy aty amintsika. Zara raha misy trano hipetrahana ny an’ny sasany. Ao ny mitsindroka zordira aza. Firy ny nandao ny tranony satria nisy nandoro. Na maty fa nisy sakoraka diso tafahoatra. Na tsy hita. Firy ireto tovovavy adolantsento tena mahia satria tsy ampy sakafo. Maharitra hafirina ny fe-potoana hiainany. Hahatra izany hoe 100 taona ? 50 ? Firy ireo voarebireby satria raviravizana vola kanefa voaloto sy lalaovina fotsiny. Mivavaha. Tsy mahavita tena isika raha tsy mifanampy raha te ho tafita ary ny Fanahin’Andriamanitra no hampahery sy hampijoro antsika na dia sarotra aza. Andriamanitra no mambomba anao toy ny fambomban’ny akoko ny zanany. Momba anao isan’andro Izy. Amena

14 – 20 mars : Ho an’ny manampahefana

-Ny filohan’ny Nosy, ny ministra, ny maire, ny filohampokotany, ny depiote, ny senatera sy ny mpiara-miasa amin’izy rehetra.

21 – 27 mars : Ho an’ny miaramila-ny zandarma-ny polisy.

Ny mpampianatra sy mpampiofana, ny mpianatra miaramila, zandarma, polisy, ny hivoaka miaramila, zandarma sy polisy, ny toerampianarana, ny toerampiofanana-

28 mars-3 avril : Ho an’ny Fonja.

Ny lehiben’ny fonja, ny migadra, ny mpiambina, ny mpiasa ao an-toerana,ny migadra amin’ny antony tsy marina,ny mpamangy ny mpigadra, ny miandry fitsarana-

Ny ankizy tsy ampy taona migadra, ny ankizy namono olona-

Ny zaza teraka any am-pigadrana-

4 avril – 10 avril : Ho an’ny Fitsarana

Ny Mpitsara, ny mpisolovava, ny huissier, ny greffier, ny ho tsaraina, ny voaheloka,ny voaheloka amin’ny tsy marina, ny mpiasa mifandray amin’ny toeram-pitsarana

11 avril – 17 avril : Ho an’izay miady amin’ny kolikoly

18 – 24 avril : Ho an’ny mpanao gazety sy mpilaza vaovao

Ny mpanoratra gazety, ny mpiasan’ny trano printy, ny mpamoaka vaovao, ny mpivarotra gazety-

Ny blogger-

Ny mpiasan’ny televisiona-

Ny mpaka sary

25 avril – 1er mai : Vavaka ho an’ny Fianarana.

Ny mpampianatra, ny mpianatra, ny mpandraharaha eo amin’ny toeram-pianarana, ny mpanadio ny toeram-pianarana, ny oniversite, ny lysea, ny kolejy, ny ambaratonga-voalohany.

2 mai- 8 mai : Ho an’ireo izay tsy mahita fianarana sy tsy afaka mianatra

9 mai- 15 mai : Ho an’ny handicapé sy ny toeram-pitaizana misy.Ireo mpikarakara azy.

16 mai – 22 mai : Ho an’ny mpiompy sy ny mpamboly

23 mai – 29 mai : Ho an’ny mpiompy sy mpamboly

30 mai – 5 juin : Ho an’ireo izay tsy manantrano sy trano fa nalana tamin’ny taniny.

6 juin -12juin : Ho an’ireo izay nampijalina satria nanohitra ny tsy fahamarinana.

13 juin – 19juin : Ho an’ireo izay noana noho ny fahantrana

20 juin – 26 juin : Ho an’izay rehetra monina ao Madagasikara

27 juin -3juillet : Ho an’ny mpanjono an-dranomasina

4 juillet- 10 juillet : Ho an’ny mpiasan’ny fitodiatsambo

11juillet – 17 juillet : Ho an’ny mpiasan’ny fitodiampiaramanidina.

18 juillet – 24 juillet : Ho an’ny mpiasan’ny faditseranana.

25 juillet – 31 juillet : Ho an’ireo mpanadio ny tanana.

1er aout – 7 août : Ho an’ireo mpiasa an-trano