MISAOTRA Anao Tompo Andriamanitra fa nahatratra izao atoandro izao indray.

Misaotra Anao noho ny amin’ny asa efa vita. Ary misaotra koa ny amin’ny sakafo izay atolotrao izao atoandro izao. Eny, ao ireo izay ho voky tanteraka, ao ireo zara raha mihinana ary ao ny tsy nanendry sakafo akory. Ianao Tompo, mahita ny mitranga amin’ny olombelona tsirairay eran-tany.

Izao fotoana fohy amin’ny atoandro izao dia natokanay hivavahanay ho an’i Madagasikara.

Marobe ireo mivavaka mangina satria betsaka ny tebiteby, betsaka ny ahiahy, betsaka ny tahotra.Tsy mahaleo peo satria ory ny sainy. Ao koa ny tsy mifampatoky.

Malahelo izahay noho ny toka-trano misavorivory, ny fianakaviana mikorontana, ny mpiara-miasa mifanenjika, ny mpinamana mifampy fosa. Ao ny teny diso tafahoatra ka miteraka ratra lalina ho an’ny hafa. Eny, Tompo, tsy izay miditra ao amin’ny tenan’ny olona no ratsy fa izay mivoaka avy ao anatin’ny saina sy ny fon’ny olona. Koa mitondra soa inona moa ny teny ratsy sy mamoa fady fa mamono izay miteny izany voalohany ary ny hafa ny faharoa. Tsy ny fanaovana izany no mahavonjy ny tena na mahasitrana ny fo maratra. Fa vao maika aza mandetika ary sahirana vao tafarina raha tsy mahare teny fanasitranana avy amin’Andriamanitra satria ny fanahy mihitsy no voa mafy. Mamelà ny helokay Tompo ô !

Amboary izahay handray ny fitsaboana izay atolotrao Andriamanitra dia ny fanarahana ny làlanao : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » Io no didy faharoa, ary tiava ny Tompo Andriamanitrao . Io kosa no didy voalohany. Mbola nampianao aza hoe « tiava ny fahavalonao ».

Ny herin’ny Fanahinao Masina no hanampy anay hahatanteraka izany ary tsy hirohoro saina izahay ny amin’izany. Ao aorian’izao sakafo atoandro izao dia tahio ny asa mbola hotohizanay.Amena