Ny raiko ? Tanora dia tanora
Faly ery nandray ahy moramora
Nakekeziny ny tratrany
Nofefeny tamin-tsandriny
Safoiny malefaka ny lohako
Norokorohony ny tarehiko
Mba hahitako torimaso
Ary tsy hisy ranomaso
Ireo tanany roa niasa fatratra
Nitandrina ahy hiala sasatra
Injay ny feon’ny raiko
Teo an-tsofinko lalaiko
Hira ho an’ny zanaka amam-para
Tena tiako fa hay aho tsy diso anjara
Ny raiko ? Namisavisa ny ho avy
Ho an’izay rehetra taranany
Sy ireo rehetra havany
Nomeny laka ny fianarana
Ny zanany nankato ny fananarana
Tsy mba nisy ny nandramatra
Fa niaina tena sambatra
Androany natolony ny penina
Ho lova-pitenenana
Efa tonga ny fotoana : Soraty
Aza miambahamba sao maty
Raiketo an-tsoratra ny tantara
Hampitao fa misy izay ambara
Tsy hiverina ny andro, ny volana, ny taona
Mirosoa hatrany mazotoa foana
Ireny ny felan-taratasy
Fenoy amin’ny teny malagasy
Ny raiko ? Efa antitra izy izao
Fa mbola matsilo saina tahaka anao
Nampianatra ny hanisa
Fa tsy hisy disadisa
Ny fitantanam-pirenena
Ka tsy hisy hivembena
Nitarika izy adihevitra
Mba hanaitra ny eritreritra
Nohenony ny vaovao eran-tany
Nampitandrina Izy ny amin’ny ho avy
Ny fandraisana ireo namana
Mamorona famadihana
Hiodina fandrimpahana
Tsy mitsahatra mamafy ny teny
Fa fofomanitra hatrany ireny
Ny raiko ? Efa nodi-mandry izy izao
Fa ho gaga angamba ianao
Isan’andro izy miresaka amiko toy izao.
Comments by Julia DARSOT