TENY ho vakiana
Marka 14 : 3-9
Miroso ihany ny fotoana ho amin’ny fitondrana ny hajo fijaliana ary efa manakaiky koa ny fahafatesan’i Jesosy. Tandindon’izany izao asa ataon-dravehivavy izao Aminy. Eny, azo isaina ny andro sisa iainan’Jesosyy, ny hiarahany amin’ny mpianatra sy ny asa mety mbola hanaovany fahagagana.
Indro ary vehivavy iray nanatona an’i Jesosy, tsy nisalasala namaky ny tavoahangy nisy menaka, ary nampidina ilay menaka sarobidy teo an-dohan ’ny Tompo.
Nahasorena ny olona nahita izany izao fihetsika izao. Tao aza ny tezitra. Satria sarobidy sy lafo ilay menaka ary azo heverina fa nanentoento eraky ny trano ny fofony. Tsy hita izay teny hilazana azy, afa tsy ny hoe : tena tsara tokoa.
Tsy takatrin’ny sain’ny olona ny fihetsik’ity vehivavy ity sy ny ao an-tsainy.
Mandindona tokoa mantsy ny hisarahan’ny Tompo, amin’ny mpianatra sy ny vahoaka. Ary dia io vehivavy io no nirahin’Andriamanitra hikarakara ny tenan’ny Tompo.
Jereo ange ny olona marary mafy, ka hatahorana ny ho faty. Kolokoloina araka izay azo atao. Saika mila ho atao daholo ny sitrapony satria tsy tiana alahelo izy, ary ny mpikarakara koa te hanao izay tonga lafatra. Ary tsy manaha ny hanome zavatra lafo ho an’ny marary. Toa hiangarana kely aza. Satria tiana koa ilay olona, kely sisa ny fotoana hiaraha-miaina dia handao ny rehetra izy. Indraindray aza dia hanontaniana hoe : Inona no tianao atao aminao ? Arakaraky ny marary ny vali-teny.
Misy fikambanana sasany miezaka hanatanteraka ny fanirian’ny marary alohan’ny hafatesany. Indrindra ho an’ny ankizy izay fantatra fa tsy misy intsony ny azo atao amin’ny fitsaboana. Ao ny nandeha tany Venise, ny sasany dia ny mba hahita hoe : ohatrin’ny inona izany ranomasina izany alohan’ny hafatesana, sy ny sisa.
Ny malagasy indrindra moa no miteny hoe : “izay marary andriana”. Izay hangatahan’ny marary dia atao satria tsy fantatra ny ampitso, ary tsy hisy hanenenana ny adidy tokony atao. Atao am-pahendrena ny fanatanterahana izany fa tsy hoe fanararaotan’ny marary akory.
Matetika koa hosoran- menaka ny olona mba ho afa-bizana sy hitsotsotra ny vanin-taolana, sy ny tenany manontolo, mba tsy hahatsiaro hijaly loatra amin’ny andro farany.
Jesosy dia nosorana menaka ny lohany, ho fiomanana Azy amin’ny andro farany. Mila kojakojana ny tenany. Ary manomboka tany amin’ny loha izany.
Hoy Jesosy : namonjy nanosotra ny tenako hanamboarana Ahy halevina izy.
Ady hevitra lehiba eo amin’ny protestanta ny fanosorana menaka ka harahina vavaka rehefa marary ny olona . Ny antony dia satria misy ny manaraotra izany ho asa majika, ka manaonao foana.
Amin’ny tany sasany mantsy dia hafenina ny firesahana ny fahafatesana,indrindra amin’ny ankizy, any ka rehefa misy maty dia tsy mety mionona ny fianakaviana. Amin’ny tany hafa kosa dia natao ao amin’ ny resaka andavan’andro rehefa mifanadrify ny resaka. Indrindra mba hahafatarana izay tokony atao rehefa manakaiky sy mitranga ny fialana eto an-tany.
Ny mampiavaka ny an’i Jesosy dia tsy lavitra ny fampiasana ny rano ho amin’ny batisa ka atao eo amin’ny loha.Tamin’ny fotoan’androny dia niroboka tao anaty rano mihitsy ary mbola misy Fiangonana manao izany. Fanadiovana sy fandraisana ny Fanahy Masina no hevitra nomena izany.Fotoan-dehibe izany. Marihina fa tsy hoe, rehefa akaiky ny fahafatesana dia atao haingana ny batisa fa sao tsy voavonjy. Diso hevitra raha izay. Tsy miankina amin’ny batisa ny famonjena. Raha sanatria ka tsy vita batisa aza ny maty, dia manana anjara ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra izy. Tsy anjaran’ny olona no mitsara azy.
Fa ny sary omena dia eo am-pirotsahan’ny menaka dia mananika ny tenan’ ny Tompo izany, rakotr’ ilay fofo-manitra ny Tompo, ary ny tenany manontolo no mahatsiaro izany. Tahaka izany koa ny filatsahan’ny Fanahy Masina ao amin’ny tenan’ny mpino. Tsy hita maso nefa tsapan’ny tena manontolo, fa tanteraka ao anatin’ny saina sy ny tena Izy. Nirotsaka ny Fanahy Masina ary voafonony ny tena manontolo.Io Fanahy io no nanagana an’I Jesosy kristy hiala amin’ny fahafatesana.Nahazo hery ny Tompo, hiatrika ny fahafatesana fa nanomana Azy izao vehivavy izao. Ary tsy irery Izy.
Eo amin’ny fiainantsika koa tsirairay, dia mety ho sedra ny zavatra mafy isika ka very hevitra. Toa tazana akaiky ny fahafatesanana . Ary tsy zakan’ ny loha izany.
Aza hadino, fa misy olona izay hirahin’Andriamanitra hiaraka amintsika amin’ny fotoana farany mba tsy ho irery. Mety olona tsy tiantsika izany, nefa io olona io kosa tia antsika. Nefa mety tsy hisy olona koa. Fa ny Fanahin’Andriamanitra izay efa nirotsaka tamintsika hatramin’izay no hanampy sy hanome hery hiatrika ny fijorana ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra. Ary matoky izany ny mpino.
Koa ny teny androany dia mampahatsiaro fa betsaka ny namana ao anatin’ ny ady sarotra no miandry antsika hitondra aina vao. Hantenaina fa mbola misy menaka manitra kely sarobidy ao amintsika na tsia ? Amena
Comments by Julia RAFENONIRINA