Genesisy 18: 1 – 15
Fomba fijery hafa indray ity texta ity ( tohin’ny 8 martsa 2010)
1.Ary ny TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo an-kazon’ny terenbitan’i Mamre ; ary nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy, raha nafana ny andro
2. dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary indreo, nisy telo lahy nijanona teo an-tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ny tany
3. ka nanao hoe : Tompo ô, raha mahita fitia eo iamasonao aho, masina Ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
- – Abrahama no manomboka ny tantara ( and 1 – and 5)
- – Ireo matoateny voalaza dia milaza tsikelikely ny zavatra hitan’i Abrahama. : niseho – nanopy ny masony- nijery ary nahita. Ambaratonga efatra vao nahita ny tokony ho izy Abrahama. Ny « fisehoana » dia fomba fampahafantarana ny fisian’Andriamanitra. Ary eto dia izy telo lahy ireto izany ( and:2). Io no fahaizan’ny mpanoratra nilaza izany.Misy koa ny ohatra hafa toy ny tamin’ny fahaterahan’Jesoa , ny fitsanganany tamin’ny maty. Sy ny hafa. « Nanopy ny masony » Abrahama mba hahazony mahita tsara ireo olona ireto satria nipetraka izy. Tsy maintsy niandrandra kely. « Nijery » izy satria tiany ho fantatra : iza ireto olona ireto. » Nahita » izy satria tsy nofy akory taminy. Ary naharitra ny fijereny. Izay no nahatonga saina azy fa misy vahiny tonga hamangy.
- – Ireo matoateny hafa kosa dia milaza ny fihetsik’i Abrahama: nipetraka- nihazakazaka- niankohoka– – – mandalo —*Antony vitsivitsy no nahatonga an’i Abrahama nipetraka: nialokaloka noho ny hafanana. Niala sasatra satria efa lehibe ny tena. Na koa nivavaka mangina. Nihazakazaka satria fifaliana ny fahitana ireto olona tonga . Iza moa no tsy ho faly rehefa misy vahiny. Indrindra any amin’ny tany izay tsy dia be olona satria mpivezivezy ny mponina any. Nihankohoka izy satria mariky ny fanajana izany. Mahita fitia eo antrehan’Andriamanitra ve Abrahama ? Eny, satria ao aloha ny fitiavan’Andriamanitra azy. Ary hitany soritra fa fa tonga niseho taminy Izy. Tsy fihangarana akory fa fampisehoana maimaim-poana ny fitahina ary filazana azo tsapain-tanana izany fitiavana izany. Tsy mandalo ny vahiny fa matoa tonga eo izy dia misy ny fotoana izay hijanonany ao.
4. Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo ; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo. ;
5. dia haka mofo kely aho ataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia andeha ihany ianareo, fa tonga aty amin’ny mpanomponareo ihany ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
- – Fiomanana alohan’ny hisakafoanana > fanadiovana ny tena.- fialan-tsasatra koa- * Amin’iny faritra misy an’i Abrahama iny dia sarobidy tokoa ny rano na ho an’ny olona na ny biby na ny zava-maniry satria any amin’ny tany hay. Miala hetaheta rehefa avy nandeha lavitra. Tsy fantatra izay nihavin’izy telo lahy. Nahoana moa no maika nanasa tongotra rizareo ?
- – Teny mifanohitra: hiala sasatra sy andeha >> tsy haharitra fa tsy maintsy hiainga rehefa vita ny antony nahatongavana teo.
- – Fanatanterahana: ataovy izay nolazainao >> Ireto vahiny ireto dia nanaiky tsara sy nankasitraka ny fandraisan’ Abrahama.
6. dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka nanao hoe: Faingàna, makà koba tsara toto intelon’ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7. Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny ankizilahy, dia lasa faingàna izy hamboatra azy.
8. Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak’omby efa namboariny; dia narosony teo anoloan’izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambany hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
9. Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10. Ary hoy izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha vao avy ny taona toy izao; ary indro, hanana zazalahy Saraha vadinao.
- – Nihetsiketsika tokoa Abrahama : nandeha – nankany an-day – nihazakazaka- * Tsy mba nanao fanazavana tamin’i Saraha i Abrahama fa noheveriny ho toy ny mahafantatra ny zava– mitranga sy ny fahatongavan’ny vahiny izy.
- – Hiditra tsikelikely eo amin’ny tantara Saraha satria hanomana sakafo miaraka amin’ny vadiny.
- – Naniraka an’i Saraha Abrahama hanao sakafo izay tena tsara ho an’ny vahiny. Abrahama no mamolavola izay hohanina.
- – Fanontaniana lehibe: Aiza Saraha – Valiny : ao an-day.
- – Hafatra : ny fiverenan’izy telo lahy aamin’ny taona manaraka sy ny hanan’i Saraha zazalahy. Zanaka ho azy mivady.
- – Hadinon’i Abrahama ve ny nampahafantatra ny fisin’i Saraha ? Raha tsy nanontaniana izy tsy nilaza.
Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ny lay, izay teo ivohon’ilay niteny.
11. Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zokiolona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy Saraha.
12. Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe : Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra koa itompkolahy?
13. Ary hoy ny TOMPO tamin’i Abrahama: nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe : Hiteraka tokoa va aho, kanefa izaho efa antitra izao?
14. Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ny TOMPO va? Amin’ny fotoan’andro raha avy ny fotoana toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15.Dia nandà Saraha, satria natahotra izy, ka nanao hoe:Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia fa nihomehy mihitsy ianao.
- – Saraha kosa dia nandre fa tsy nahita toa an’i Abrahama
- – Mbola misy fanantenana ve ny hiterahan’i Saraha noho ny fahanterany ?Ady hevitra lehibe io rehefa mamaky ity tantara ity. Mampieritreritra koa satria miha- lava ny andro hiainan’ny olombelona . Na dia atao aza hoe tsy fantatra marina ny fotoana hahavelomana tamin’ny andron’i Abrahama. Fantatra tsara kosa fa rehefa lehibe ny taona ho an’ny vehivavy dia mampanahy ihany ny hiterahany satria mety hisy fahasarotany lehibe eo am-piterahana.
- – Ny fihomehezan’i Saraha dia toa heverina ho tsy fahatokisana na koa fanesona ireo olona niteny izany. Diso tokoa ve izy raha nihomehy ?
- – Misy antony ihany ny nihomehezany. Mba menatra ihany koa izy hoe : efa lehibe vao hiteraka. Manontany tena izy na mbola hisy ny fitsiriritana ny hanana fifaliana ( désir et plaisir). Ny firaisana amin’ny maha-mpivady. Izany rehetra izany mahasahiran-tsaina azy.-
- -Noho izany ny fihomehezana amintsika dia tsy milaza fifaliana araka izay heverana azy : fa maneho tahotra, ahiahy.
- – Tsy te hitantara ny fiainan’izy mivady amin’ny hafa koa Saraha. Azy mivady izany. Matahotra koa ny resaben’ny manodidina. Zavatra fahitantsika matetika izany eny fa na dia amin’izao fotoana izao aza. Ka na ao aza ny fanantenana fa mbola mety hana-janaka dia tsy hiteny izy. Toy ny tsiambaratelo ho azy izany.
- – Tsy midika fanomezan-tsiny sy fandavany izany. Maro no miteny hoe : efa irak’Andriamanitra no miteny koa nahoana no tsy hanaiky. Marina koa ny fandavan’i Saraha satria nomena saina handinika izy. Ary fahendrena koa izao fotoana hisainany izao. Mandanjalanja ny ho aviny sy ny ho avin’ilay zaza. Izay dia anisan’ny zava-dehibe. Izay no mahatonga ny mpitsabo ny vehivavy izay mitady zaza nefa efa lehiba mba hanaramaso azy tsara. Hifampidinika. Ary mety haharitra izany fotoana izany.Ao koa ny hoe : ahoana ny hitaizany sy hahalehibeazan’ny zaza noho ny fahaterany.
- – Tany aoriana rehefa niteraka i Saraha dia natao hoe : » Isaka » ny anarany izay midika hoe » Nihomehy »
- – Ny nampihomehy azy dia Andriamanitra hoy izy ( Gen 21 : 6).
Tohizo ny fandinihina ary rehefa vita dia omeo lohateny ireo fizarana efatra (4) – Inona no hifandraisany na hifanipahan’io tantara io amin’ny zava-misy ankehitriny ? Maro ny fanontaniana mikasika izao tantara izao. Aza misalasala mieritreritra izany. Saraha no namarana ny tantara na dia Abrahama aza no nanomboka azy.
Comments by Julia DARSOT