Ity toriteny ity dia voasoratra tamin’ny 25 mey 2008. Efa herin-taona mahery izay. Tsy tafavoaka satria tafapetraka tao amin’ny tahiry ho havaozina. No efa nisy toriteny hafa koa nifanindry taminy. Koa indro izao va hapetraka eto.
DEOTORONOMIA 8 :2-3 sy 14-16
Ho tsaroanao ilay làlana nitondrako anao hoy Andriamanitra. Làlana efa voasoritra ve izany sa tongatonga ho azy. Nangidy ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ilay làlana nitondrana azy. Naharitra lava loatra ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny fitsapana : efa-polo taona. Mafy izany. Te hiverin’ny làlana , nefa tsy afaka intsony fa efa dian’ny mandroso, miala tao amin’ny toeram-panompoana mba hamonjy ilay toeram-pahafahana : izay no tanjona. Any ka nivezivezy. Tao ny teraka teo am-piaingana, na maty. Tao koa ireo izay tratran’izany teny an-dàlana. Tao ny niaina fotsiny tany an’ efitra satria tsy tody tany amin’ny tany nantenaina hivantanana : ny tany hitsaharana.
Izany fotona tany an’ efitra izany dia tsy fandalovana fotsiny. Raha mamaky na mihaino ny tantara dia hoe vetivety satria ny fiainan ‘ny tsirairay manontolo no voakasik’izany. Taon-jato maro aty aoriana dia mora ny mitantara izany. Fa tamin’izany fotoana izany dia adi-tsaina ho an’izay niharany. Ary tena mampalahelo.Tao anatin’ny fitsapana mafy ny vahoakan’Andriamanitra. Ary nitalaho tsy mitsahatra na dia tao aza ny fanantenana fa ho tafavoaka amin’ity làlana sarotra ity.Tao koa ny faharerahana ho an’izay mandroso taona. Ary toa nanenina aza niala tany Egypta ? Ary indrisy tratran’ny fotoanan’ny hanohanana. Tsy misy hanin-kohanina intsony. Koa inona no azo atao ? Mitodika sy miantso an’Andriamanitra, mitady famonjena. Io Andriamanaitra io dia mihaino ny fitalahona ary mamaly ny hikikan’ny vahoaka. Tsy nanadino ny vahoakany Andriamanitra , hany ka nandatsaka mana avy any an-danitra. Sakafo mahavelona nitondra hery ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Fitiavana re izany an’Andriamanitra. Tsy mandiso fanantenana.
Ankehitriny ny efitra na ny tany hay efa tongan’ ny fiara ka vita ao anatin’ny fotoana fohy.Raha sendra iharan-doza dia azo atao ny miantso amin’ny finday ary dia mirohotra ny mpanampy ilaina.Mikoropa ny maro mba hanampy ireo tra-doza. Vitsy dia vitsy ny mety ho very làlana any an-efitra amin’izao fotoana izao.. Nandalo fahasahirana mafy ny vahoakan’Andriamanitra. Tao anatin’ny fotoana voafetra na dia ela aza . Raha mijery ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao koa isika dia mahita olona maro ao anatin’ny fahasahiranana.
Ao ireo izay voatery mifindra monina noho ny todra-drano ka tsy manakialofana ary very fananana. Ao ny mifindra monina satria tratran’ny ady ny taniny. Misaratsaraka ny fianakaviana satria samy mamonjy ny ainy. Ao koa ny mifindra monina satria tsy mana-kohanina intsony, tsy misy asa, no tsy mamokatra intsony ny tany. Ao ny mifindra monina satria voahenjika noho ny fialonanan’ny hafa, na vokatry ny fanarobana nihatra taminy, na noho ny aretina. Marobe no azo tanisaina. Ary ireny zavatra mitranga rehetra ireny dia mampietry, ary hanaovan’ny sasany ho tsinontsinona ny hafa. Tahaka ny efitra ihany ny toerana hiainana na dia voahodidin’ny vahoaka marobe aza.
Saingy ny fitrangan’ireny zavatra rehetra ireny dia natao tsy hampihontsina ny fnoana. Natao hampamikitra kokoa amin’Andriamanitra. Na dia matoky sy mino an’i Jesosy Kristy aza isika dia tsy ilaozan’ny handalovan’ny fahasahiranana na fahoriana. Fa ny tombony amin’ny hafa dia ao Andriamanitra izay mamelona antsika amin’ny fomba samihafa amin’ny alalan’ny teniny . Ireo izay mifanerasera amintsika dia manana anjara tsy ampoizintsika hampahery antsika. Ny teny mamy izay havoakan’ny olona iray tsy fantatra ka mampahatsiaro antsika ny fitiavan’Andriamanitra .
Amin’izao hiainantsika izao, sarotra tokoa ny làlana rehefa voa ratra ny firenena . Tao ny nanoron-tokatrano ary nihitatra ny fianakaviana. Nandritra izay efa – polo taona tany an’efitra dia tsy hoe nilamina foana ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra fa nisy ny herisetran’ny sasany izay nihatra taminy ary koa ny fanenjehana. Tratran’ny hanohanana koa ary dia nahatsiaro ory sy nahantra ka te hiverina tany amin’ny taloha izay toerana tsy nisy fanajana azy ireo. Fomba fihetsiky ny olombelona tsy mahagaga izany. Rehefa sendran’ny mafy dia mitototo. Ary mitady vonjy atsy sy aroa eny fa na dia olona fa hita hahafaty izao aza.
Ny Tenin’ny soratra masina dia milaza fa noana ny vahoaka, ary ny mana no nomen’Andriamanitra ivelomany. Kely nefa dia nitondra hery sy tanjaka ara batana ary ara-panahy. Amin’izao fotona izao misy hanao hoe : raha izao izany no mitranga dia ho tafita vetivety ihany ireo olona ireo satria efa ao anatin’ny fandrosoana. Fa na ny fifaninanana ara-piarakodia aza efa vita an’ efitra, ao ny mpanampy ary ao ny fotaovana isakarazany hamonjena raha sendra rendrika ny fiara.
Azo hitarina ny zavatra mitranga.Tsy voatery andeha any an’efitra vao hahatsapa ny hamafisan’ny fiainana. Fa na dia eo an-drenivohitra misy ny zavatra rehetra aza dia toa lasa tany hay indraindray. Maro ny kivy ary te handositra. Ketraka ary feno ahiahy. Tsy misy fahatokisana. Isan’andro dia mahare vaovao ratsy foana. Toa hoatrin’ny tsy mba misy mihiratra fa mihamaizina amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao. Nefa hinoaka fa misy ireo izay mitraka satria velona tamin’ilay mofon’aina nomen’Andriamanitra.
Mana kely dia kely nefa nitondra hery lehibe. Nampitraka izay nilofika, nampitsangana izay nianjera. Nampahiratra izay nihevitra fa efa ho faty. Nomen’Andriamanitra rano manala hetaheta ny firenena. Mampahatsiaro fa mahery ny fitondran’Andriamanitra ary tsy takatry ny sain’olombelona.
Koa anao izay kivy matokia ary manana fanatenana. Ho anao izay efa mahery aza mivadika amin’ny lalàna nomen’Andriamanitra ary manaja Azy sy ny manodidina anao. Amena
Comments by Julia DARSOT