Miarahaba anao tratry ny taona 2020
Tamin’iny taona lasa iny :
Ho anao izay nolalovan’ny aretina.
Ho anao izay niaran-doza.
Ho anao izay very asa.
Ho anao izay niditra ampojana
Ho anao izay diso fanantenana.
Ho anao izay nisarampanabadiana.

Ho anao izay namoy ny vady malala.
Ho anao izay namoy zanaka.
Ho anao izay namoy ray amandreny.
Ho anao izay namohy iray tampo.
Ho anao izay lavitra na akaiky ny fianakaviana
Miarahaba anao mbola velon’aina. Ny Tompo no mahay manasitrana ny fonao maratra ho amin’ny fahazavana
Miarahaba, eny miarahaba ny rehetra izay diboky ny hafaliana mahatratra ny taona vaovao.
Arahabao, eny na dia fahavalo aza. Lazao aminy fa ho azy koa ny taona vaovao. Mangataha amin’ny TOMPO ANDRIAMANITRA ny fampihavanana.Io no hanampy ny fifalianao.
Tsy antsika ny andro ivelomana fa an’ny Tompony izay nanome izany ka manomeza voninahitra Azy amin’izay atao rehetra.

                                                                        Tsodrano.com