TSY miafina aminao
Fa fohy ny fiainana eto an-tany.
Tsy misy olona azo atao :
Itsy ambony, iroa ambany
Fa samy nandray ny fofon’aina
Avy amin’Andriamanitra
Isika eto ambanin’ny lanitra.
Tsy miafina aminao
Fa velona ny Tompo
Koa raha tojo hakivina
Matokia fa tsy ho resy ianao,
Satria ilay Tompon’ny aina
Manome hery anao.
Velona Izy
Velona mandrakizay
Ary velona koa ianao
Raha ekenao izany.
Aza manao hoe :
Rehefa hikipy ny masoko
Tsia ! Fa dieny izao dia matoky
Satria velon’aina ianao
Tsy voavidy vola aman-karena
(Miaraha mivavaka amin’ireo kristiana ao Jerosalema) (Prions avec les chrétiens de Jérusalem)
Comments by Julia RAFENONIRINA