paques-300x225

© Copyright www.tsodrano.com. Toutes reporduction interdite.

Hafatra  Paska 2014

Ny Fanahin’ny Tompo Andriamanitra izay nampitsangana an’i Jesoa Kristy tamin’ny maty efa hatrin’ny ela no hitari-dalàna anao isan’andro. Tsy hahatsiaro ho noana ianao ao amin’ny tany maina sy karakaina. Omeny hery sy tanjaka ianao. Rano tsy mety ritra no hampisotroiny anao. Tsy hilofika na ho rendrika ianao.

Ho velona ianao sy ny taranakao hitsangana: hamolavola, hamboly, handrafitra, hampitsangana ny efa rava sy potika. Ny Tompo miantso anao hamelona ny tany.Aza variana amin’ny zavatra izay tsy hitoeran’ny  fifalian’ny Tomponao. Manalavira ny ratsy. Ny Tompo  no hiaro anao sy ny taranakao. Izy no hanome fiadanam-po satria velona tokoa Izy. Toy ny fiposahan’ny maraina ka dimbiasan’ny masoandro ny volana. Matokia. Tsy mivadika amin’ny fanekeny ny Tompontsika.  Ny fahaveloman’ny Tompo hatramin’ny ela no fahavelomanao koa.

Miarahaba anao mbola velona nahatratra izao Paska 2014  izao indray.