Fitiavana rano velona

Miroso amin’ny taona vaovao 2014

Lasa ny taona 2013. Maro ny zavatra nifamahofaho tamin’ny fiainan’ny tsirairay. Tao izay tao anatin’ny fifaliana nandritra ny taona  ary hantenaina fa hitohy izany.
Tao izay nisy rahona ny fiainany ka nandalo fisedrana toy ny aretina, ny famoizan-kavana,ny fahaverezan-asa,ny fahaverezam-panana noho ny loza  na ny halatra, ny fisaraham-panabadiana, ny tsy fifanarahana ao amin’ny fianakaviana …
Tao koa izay vao nahare na nahafantatra ny Filazantsara ka nandray ny Famonjena ary nijoro ho vabolombelona ny amin’izany.
Tao koa izay nahatsiaro tena ho very. Ka tsy te-hino intsony an’Andriamanitra. Noho ny zavatra nihatra taminy. Tsy hanomezan-tsiny azy ireny izany. Satria tsy zakany izay nanjo azy. Nahatsiaro ho irery fa nilaozan’ny rehetra. Namoifo ary nisy ireo izay namono tena.
Tao koa ireo nanontany ny momba an’Andriamanitra. Ny fisiny sy ny tsy fisiny ? Nahoana aho no hino sy hanaraka Azy ka ho tonga kristiana .
Tao koa ny nametran-panontaniana : Inona no hahatongavako eto ambon’ny tany ? Inona ny miandry ahy eto ?

Izany rehetra izany dia niseho. Tsy voatanisa eto daholo. Na izany aza dia nankalaza ny Noelim-pamonjena izay fahatsiarovana ny nahaterahan’Ilay Zanak’Andriamanitra Lahitokana tamin’ny faran’ny taona. Nandritra ny andro maromaro.

Tonga ny Taona 2014, araka ny diary kristiana.Mifampiharahaba ny rehetra. Tsy ny kristiana ihany fa izay manaraka io diary io.
Miarahaba anao koa ny mpiandraikitra ny tranonkan’ny TSODRANO :
Arahabaina fa mbola velon’aina, ka afaka miriharia. Isaorana ny Tompo Andriamanitra tompon’ny aina fa fitiavana lehibe nasehony ny olombelona tsirairay izany.

Ho aminao fifaliana , fiadanam-po ary fitiavana na dia maizina aza ny tontolo manodidina anao tsindraindray.
Hotahin’ny Tompo Andriamanitra ny fikasana tsara rehetra ao aminao .
Ho foanan’ny Tompo Andriamanitra  ny fikasana ratsy rehetra ao aminao.
Hivavaka ianao ho anao, ho an’ny ankohonanao, ho an’ny namanao. Eny fa na dia  ho an’izay heverinao fa  fahavalonao koa .
Ny Fanahy Masin’ Andriamanitra handrakotra an’i Madagasikara sy ny olona tsy ankanavaka ao. Hiaro io tany io. Hanazavana ny olona tsirairay mba hampandroso io tany io.
Ny Tompo Andriamanitra no hanjaka amin’ny Fitiavany eto amin’izao tontolo izao.