TENY ho vakiana

Isaia 52.7-10

Hebreo 1.1-6

Matio 1.1-25

Ny teny ho dinihina dia mitondra antsika hijery manokana ny tetiarana sy ray aman-drenin’i Jesosy ara-nofo, dia Josefa sy Maria. Tsy vitsy no miheritreritra fa tsy ilaina loatra ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-17 izay mitantara ireo razam-ben’i Jesosy ara-nofo. Heverina anefa fa nilain’Andriamanitra ny fisin’ireo voatonotona ireo mba ho fiasana nahatonga ny zanany ho eto amin’izao tontolo izao. Izany dia tahaka ny nilana an’i Josefa sy Maria.

Raha miresaka an’i Josefa sy Maria isika dia mazàna Josefa sy Maria hafa no fantatsika. Tavela ao an-tsaina ny hoe : Fa ny zaza izay haterany dia avy amin’ny Fanahy Masina. Mbola hiverenatsika ny momba izany fa andeha aloha ho jeretsika fa i Maria sy Josefa dia mitovitovy amin’ny fiainatsika olombelona.

Tany amboalohany dia mpifamofo tanora sambatra izy roa izay efa nanofinofy ny hivady ary hanana taranaka maro. Avereno ao an-tsaina ny fifamofotsika.

Nefa dia indro fa nitranga ny olana rehefa fantatr’i Josefa fa nitoe-jaza i Maria. Toa potika teo ilay mba nofinofiny. Ary tsapatsika ny alahelony. Hatreo dia tapa-kevitra i Josefa fa hametraka an’i Maria satria olona marina izy. Hatreto dia tsy misy mahasamihafa an’i Josefa amin’ny olona rehetra. Moa mazàna tsy tafahitsoka amin’ny toe-javatra tahaka izany ve isika izay tsy nofiditsika fa tsy maintsy hihoaratsika raha mbola te-hihaina koa isika. Firy ny mpivady tsy miteraka ohatra. Ny mpivady manana zanaka marary. Ny mpivady manana zanaka maditra. Amin’ny toa ireny dia mihevitra isika fa ho afaka hiotra irery tsy misy an’Andriamanitra. Nefa ny hany vahaolana mahomby, tahaka izay nanjo an’i Josefa dia tsy misy afatsy Andriamanitra.

Eto Josefa dia takin’Andriamanitra hiverina amin’ny fanapaha-keviny satria ilain’Andriamanitra izy. Nasain’Andriamanitra nampakatra an’i Maria izy na dia tsy zanany aza ny ao an-kibon’i Maria ary dia nandray ny toerana maha-ray azy. I Josefa dia taranak’i Davida noho izany no ilazana fa taranak’i Davida Jesosy.

Ny fananganana zaza dia handraisana ilay zaza ao an-trano ary dia tsy ao an-trano fotsiny fa fandraisana azy ho toa ny zanaka nateraka. Moramora kokoa tamin’ny andron’i Jesosy ny fananganana zaza. Ary azo lazaina fa nanana ny lanjany kokoa satria mazàna aza dia mafimafy kokoa ny lanjany noho ny zanaka nateraka. Noho izany rehefa nampakatra an’i Maria i Josefa dia nandray an’i Jesosy ho toa ny zanany ary moa tsy fanomezana avy amin’Andriamanitra va izany ? Eketsika ve ny ho tahaka an’i Josefa ka tsy ampaninona antsika ny hanovan’Andriamanitra ny fikasatsika mba hahatonga izany ho tsaratsara kokoa.

Fa ao amin’ity tantara ity izay manahirana antsika dia ilay voalazan’ny fanekem-pinona kristiana tanisaitsika isan’alahady hoe : « Notorotorona tamin’ny Fanahy Masina » Tsy mety manaiky ny saina satria tsy ara-dalana izany, hoy isika. Nefa ve tsy asan’ Andriamanitra dia ilay Andriamanitra nanome ny aina izany ?

Raha mitovy amitsika Andriamanitra ka izay zavatra tsy vitatsika dia heveritsika fa tsy vitan’Andriamanitra koa dia tsy Andriamanitra Izy. Ary raha ohatra ka hitovy amitsika ve ny hery sy ny fahefana hananan’Andriamanitra tsy ho very ve isika ? Very isika satria tsy afaka hamonjy antsika Andriamanitra. Betsaka ny famonjena efa nataon’Andriamanitra ho antsika, betsaka ny fahagaga aza ary iray sy ny lehibe tamin’ireny dia ny nahatongavany tety ambonin’ny tany.

Mitady olo-tsotra tahaka antsika ny Tompo, olo-tsotra manaiky ho tefeny, manaiky amboariny. Mety hanova ny nofinofitsika izany nefa dia izany no fomba entin’Andriamanitra hanova koa izao tontolo izao.