TENY ho vakiana

Isaia 5.1-7

Filipiana 4.6-9

Matio 21.33-43

Raha nanomboka ity fanoharana ity Jesosy dia niteny hoe : « Mihainoa ». Isika miaina amin’izao fotoana izao dia efa tototry ny zava-mitranga sy ny feo ka mazàna tsy mahare intsony . Betsaka koa ireo filazana maro samy hafa ka tsy hay intsony izay tadidy. Toa mandalo fotsiny tahaka ny rano atondraka eo amin’ny lamosin’ny vorombazaha izany ka tsy misy tavela na kely aza. Henoin’ny sofina havia dia avoakan’ny sofina havanana. Androany Jesosy dia miteny amitsika hoe : « Mihainoa ». Izany hoe atongilany ny sofinao fa ilaza zavatra aminao ny Tompo.

Raha mamaky ity fanohanrana ity isika dia karazan’olona telo no hita eto. Ny voalohany dia ilay tompon’ny tanimboalokona, ny faharoa dia ireo olona mpiasa nanofa ny tanim-boaloboka, ny fahatelo dia mmpanompo sy ny zanaky ny tompon’ny tanim-boaloboka.

Ho an’ireo mihaino Azy dia avy hatrany dia nahafantatra fa Andriamanitra no noharin’i Jesosy tamin’ilay tompon’ny tanimboaloboka. Endrey izato fikarakaran’ity rangahy ity ny taniny hoy ny voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Matio : « Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo. » Tena nanao tokoa tamin’ny tanim-boaloboka izy : niasa ny tany, nanala ny vatovato rehetra mety nameno ny tany, nifidy ratsam-boaloboka hambolena, nanisy fefy mba hiarovana azy amin’ny mpangalatra sy ny amboa haolo, nanisy toerana famiazana ny voa , nanisy tilikambo sns… Moa tsy tahaka an’Andriamanitra tamin’Izy nanorona izao tontolo izao ka nanao azy ho soa sy tanteraka. Izao no voalaza ao amin’ny Genesisy : « Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany ». izany hoe izay rehetra mety hahasambatra dia natao teto an-tany daholo.

Na izany aza napetrak’ilay tompony tamin’ny olona ny fikarakarana sy ny fikojakojana ny tanimboaloboka . Jesosy dia nilaza hoe : « ary dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ny tany hafa izy. » Eto amin’ny fanohara dia ilay tompony no nanao ny asa lehibe rehetra, nitsemboka sy nifofotra tokoa mba hamelany zavatra tsara ho an’ireo mpanofa. Ary tahaka izany koa Andriamanitra tamin’ny fanorenana izao tontolo izao. Napetrany tamitsika olombelona ny zava-boahary. Andraikitra lehibe izany. Hoy Andriamanitra : « Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe : Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ; ary manjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany » . Manao ahoana ny fanatanterahatsika izany. Zava-dehibe anie izany e ! Nataon’Andriamanitra ho mpitantana izao tontolo izao ny olona. Ary ho ahy manokana nanankinan’Andriamanitra ny am-pahany amin’ny fananany aho. Nihevitra ny olombelona noho izany fa azy ny tany. Tompony izy. Ary moa tsy izany no nahazo an’i Adama sy Eva tao Edena satria nanatena hitovy amin’Andriamanitra izy ireo.

Tany tonga lafatra no nomeny antsika nefa dia tany maloton’ny entona sy ny setroka isakarazany no avelatsika mazàna . Nopotehitsika olombelona daholo ilay voahary soa napetraka tamitsika. Nopotehana tamin’ny alalan’ny ady, ny fanimbana maro samy hafa. Ary tsy fantatra rahoviana no ho fongana tsy hisy intsony ilay voahary soa napetraka tamitsika. Mazava loatra fa ireo mpanofa ireo no karazan’olona faharoa voaloazatsika ery ambony, izany hoe isika olombelona izany. Fa ho avy ny fotoana hanadinana ny olombelona. Eto amin’ny fanoharana dia hoy Jesosy : « Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ny mpiasa tany handray ny vokatra ». Saingy izao no tohin’ny tantara : « Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo ; fa nataony toy izany koa ireny ». Fandavana tsotra izao no nasetrin’ireto mpanofa ireto. Ny tantaran’ny Zanak’Israely no naverin’i Jesosy eto. Nef a ve tsy mbola misy izany fandavana izany amitsika amin’izao fotoana izao. Lasa mpanelingelina Andriamanitra rehefa manotany antsika izay nataotsika. Eo amin’ny fiainatsika inona no vokatra hangatahan’ny Tompo amitsika ka manahirana antsika ny manome azy, na valitsika fotsiny izao.

Tsy nijanona teo ilay tompon’ny tanim-boaloboka. Nanao ala-nenina farany izy. Izao no voalaza ao amin’ny Matio : « Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe : Hanaja ny zanako izy. Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe : Ity no mpandova ; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ny tanimboaloboka, dia namono azy. » Toa mijanona eto ny tantara takatry ny saintsika olombelona, satria raha izay efa nataon’ireto mpiasa mpanofa ireto tsy handefa ny zanany ho vonoina any raha olombelona koa. Hafa noho izany Andriamanitra : « Nomeny ny Zanany Lahitoka … » Marihitsika tsara fa ny fahadisoana na ny marimarina kokoa ny fahotan’ireo mpiasa mpanofa ireto tsy ny tsy niasa akory fa ny namihina ny vokatra ho azy. Ny olombelona koa tahaka izany ny soa ho azy, ny soa ho an’ny ankohonany, ny soa ho an’ny fireneny ihany aloha. Tsy mampaninona raha hiteraka fahavoazana ho an’ny hafa aza izany.

Ny karazan’olona fahatelo dia Ity Zanaka ity izay nirahan-dRainy. Nolavin’ny mpiasa ary novonoiny . Sary hahitatsika an’i Jesosy io. Ao an-tsaina ao indraindray dia te-hanilika ny fahadisoana amin’ny Jiosy isika. Ny Jiosy no tsy nanaiky an’i Jesosy sy namono Azy. Fa ny fandavana an’i Jesosy dia mbola mitoetra hatramin’izao. Tsy azo atao an-tsiana fotsiny izany fa ny fanekena an’i Jesosy dia fanekena iainana. Tsy mitovy ny mandray an’i Jesosy sy ny mandaha Azy…Ny miseho mpivavaka sy ny kristiana…Ny manome ho an’Andriamanitra ny vokatra sy ny mitana izany ho an’ny tena.