Lioka 24 : 13 – 35

MORAMORA tokoa ny fihaonana’ny olona eny an-dàlana na dia tsy mifankahalala aza. Jereo ange raha andeha hiasa ianao, na hiantsena . Eo am-piandrasana ny fiara-mpitanterana dia misy ireo izay mifampiresaka. Ao ny mijanona eo amin’ny fiarahabana. Ao ny misy te an-dalina ka manontany ny fahasalamana, ny toetrandro. Ao ny te hiverina ny amin’ny zava-nitranga ny omaly, ka mametra-panontaniana ny amin’ny vaovao farany. Indrindra moa raha vaovao tsy mikasika ny eto-toerana ihany fa na ny any ivelany aza ka malaza eran’izao tontolo izao. Tian’ny maro mantsy ny mahalala ny fiafaran’ny tantara, indrindra raha mikasika olona izany.

Toa izany ny an’izy roa lahy ireto rehefa tafahoana tamin’i Jesosy. Ilay nitsangana tamin’ny maty nefa tsy fantany akory sady tsy hitan’ny masony akory. Fa nahoana re no dia tapina ny masony ka tsy nahalala akory fa ity olona miresaka amin-drizareo ity dia ny Mpamonjy. Na dia nifanakalo hevitra be aza rizareo. Nitantara ny nanjo an’i Jesosy sy ny zavatra nitranga sy ny nandehanan’ny vehivavy namany teny am-pasana ka tsy tao intsony Jesosy. Na izany aza dia liana tamin’ny resaka izy roa lahy teny an-dàlana. Ary toa somary niteny mafy azy ireo Jesosy satria tsy takatry ny sain’ireo fa ny Tompo ange io miresaka amin’ireo.

Nefa rehefa hisaraka rizareo dia nalahelo izy roa lahy. Nataony izay hitazonana ny Tompo. Tsy nahafoy Azy.Niangavy ary niteny hoe : « Mitoera aty aminay, fa efa ho hariva izao » – Tsy nisalasala ny Tompo ary nandroso tao an-trano -Ka niara-nisakafo sy nivavaka.

Teo vao nihiratra ny masom-panahin’izy roa lahy. Ary nahatsiaro fa ny Tompo io miara-misakafo aminy io. Nefa ny Tompo efa nanjavona ka tsy teo intsony.

Ny zavatra tsaroan’izy roa lahy dia nampihetsim-po azy ny teny nifanaovany.Izany hoe : tena nahare ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Ary tsy nitana izany ho an-drizareo samy irery fa nizara izany ho an’ireo mpianatra iraika ambin’ny folo. Izay vao nino izy ireo izao fa tafahoana tokoa tamin’ny Tompo teo am-pandraisana ny mofo. Io no mariky ny fanasan’ny Tompo, izay fampahatsiahivana koa ny fahafatesany sy ny fitanganany tamin’ny maty.

Ny fiainan’ny olona nihaona amin’Andriamanitra koa dia tahak’izany. N’aiza n’aiza misy anao dia misy fomba hihaonana’Andriamanitra aminao. Misy ireo izay irahiny hitory ny teny soa mahafaly nefa tsy mandaitra eo no eo izany. Fa mila fotoana. Tsy natao hahakivy izany fa misy fotoana ny zavatra rehetra. Ho tonga ny fahazavan-tsaina rehafa mandray ny mofo mahavelona izay zarain’ny Tompo : dia ny Tenin’Andriamanitra izany.

Ankehitriny moa dia misy koa ny mpisandoka ka mitopo -tena fatratra fa izy ihany no manana ny marina amin’ny fampahafantarana ny Tenin’Andriamanitra .

Andriamananitra manana fomba izay tsy takatry ny olombelona amin’ny fisehoany sy hampahiratany mason’ny olombelona. Ao ny tafahoana amin’ny olona tsy fantatra ka mampahiratra ny masom-panahy amin’ny teny iray monja. Tsy mila toriteny lava na kabary. Ao no mety hihiratra ny masony amin’ny alalan’ny hira,na famakiana boky, ao ny an’ny sasany amin’ny alalan’ny famangiana, na fahanginana, na any am-piasana amin’ny alalan’ny teny tsotra sy feno fitiavana.Eny misy aza avy avy amin’ny teny aloaky ny vavan’ny ankizy.Matetika ireny olona tafahoana tamintsika ireny dia tsy hitantsika intsony. Izany no nanjo an’izy roa lahy. Firifiry moa ireo izay milaza fa nisy tokoa olona nirahin’Andriamanitra ho azy ka tafahoana taminy ary tafaresaka taminy ka nampiova ny fony.Ao ny milaza hoe : izany angamba no lazaina hoe anjely (iraka). Izany hoe : niova satria nihiratra ny masony ka tonga olom-baovao manaiky sy mino ny fitsangan’’ilay Zanaka’Andriamanitra tamin’ny maty dia Jesosy kristy tonga hamonjy izao tontolo izao.

Ry havana , ho anao izay efa nihiratra ny maso dia misaora an’Andriamanitra. Ho anao izay tsy mbola tonga amin’izany aza kivy fa manantena fa ho avy izany satria ny Fanahin’Andriamanitra dia miasa ao anatinao koa.Amena