TENY ho vakiana

Ezekiela 47.1-12

1 Korintiana 3.9-17

Jaona 2.13-22

Vao avy nandalo ny Alahady natokana ho an’ny Reformasiona isika. Averina ho tsahivina indray ve ireo fanovana nentin’ireo mpanitsy fivavahana. Araka ny fihevitr’izy ireo dia nivaona tamin’ny fampianaran’ny soratra Masina ny Fiangonana ka nilaina ny mamerina azy ho amin’izany. Ny taona 2009 dia natoka indrindra ho taonan’i Calvin. Raha mampahatsiaro izany izahay sanatria tsy mampitovy akory an’ireo mpanitsy fivavahana amin’i Jesosy, fa teha-hilaza fotsiny ny fitoviana teo amin’ny fomba nanoheran’izy ireo izay tsy mety.

Ny mahalasa fisaina faharoa dia ny fahitana eto an’i Jesosy tezitra. Toa tsy nampoizina loatra izany. Nefa eo anatrehan’ny fahazarana raiki-papisaka nilaina ny mihenjana. Ary eto dia nandray kotopia na karavasy mihitsy Jesosy. Fa andeha hiverina amin’ny tantara isika. Fomba ela tafiditra eo amin’ny fanompom-pivavahana Jiosy ny fanaterana fanatitra. Noho izany mba hahamora ny fantanterahana izany dia misy mihitsy mpivarotra omby, ondry ary voromailala tao an-kianjan’ny Tempoly. Tato aoriana rehefa lasa zanatany romana ny Jiosy dia misy vola roa nampiasaina : ny iray dia ny vola romana izay ampiasaina andavan’andro. Vola tsy azo nialana io nefa dia misy ny Jiosy sasany rehefa avy mandray izany dia misasa tanana satria vola maloto izany, ny vola faharoa dia ny vola jiosy io kosa dia ampiasaina any amin’ny Tempoly sy ny Synagoga. Tsy mahazo miditra any mantsy ny vola romana. Noho izany dia nisy mpanakalo vola koa tao an-kianjan’ny Tempoly. Tena nilaina ny fisin’izy ireo. Raha izany dia somary manaitra ihany ny voalazan’i Jaona eto dia ny fahatezeran’ny Tompo ka nahatonga azy hanao kotopia, nandroahana ireo mpivarotra sy mpanakalo vola.

Tsy haiko fa toa mahafinaritra atsika ny fihetsika nataon’ny Tompo. Tsy vitsy amintsika no milaza anakam-po ho mitovy hevitra amin’i Jesosy. Nohozongozon’i Jesosy ny zavatra efa fanao hatrin’ny ela, zavatra izay azo lazaina fa efa tafatsofoka mihitsy eo amin’ny fiainan’ny Tempoly . Lasa mihitsy aza institution tao amin’ny Tempoly ny fisin’ny fivarotana sy ny fanakalozam-bola. Tsy vitsy amintsika no mihevitra fa fandaniana andro ny fisin’ny institution eo amin’ny Fiangonana. Ny hany zava-dehibe hoy isika dia ny mivavaka, ary ny Tompo aza milaza fa efa mivavaka na dia ny tena irery aza ka manao izany ao amin’ny mangingina. Dia hoy isika esory hany izany Fiangonana izany, ny komity, ny sampana sns…

Zavatra faharoa izay heverina fa nahatonga ny fahatezeran’ny Tompo dia ny korotana tao amin’ny Tempoly sy ny manodidina azy. Ny fofona tsy fofona intsony ny kotaba tsy eran’ny aina. Azo lazaina fa na dia fanompom-pivavahana aza angamba tsy tanteraka araka izay maha-izy azy, koa dia tsy gaga isika raha naka kotopia Jesosy mandroaka ny mpivarotra sy ny mpanakalo vola. Toa izany koa isika. Tsy manaiky ny hisin’ny korotana sy ny kotaba ao am-piangonana. Na dia ny adi-hevitra mafanafana mety hisy aza dia tsy tantitsika ka maha-tonga antsika ho tezitra. Ara-drariny izany hoy isika.

Ny zavatra fahatelo dia ny mpivarotra mihitsy. Tahaka ny mpivarotra rehetra dia mety ary tsy angamba akory fa tena misy tao amin’ny mpivarotra, ny mpanambaka sy ny mpitady vola fotsiny. Ary dia izany no nanjaka tao amin’ny Tempoly. Koa tsy gaga isika raha nandroaka ireo mpitady vola fotsiny ireo ny Tompo. Dia mitovy hevitra amin’ny Tompo isika raha izany. Tsy tanty e ! ny zavatra hita ao am-piangonana amin’izao fotoana izao hoy isika. Resa-bola fotsiny no mamemo ny ao am-piangonana. Tahaka ireo mpivarotra ny mpandraharaha rehetra. Tsy manaraka ny fanompom-piavavahana intsony fa indraindray dia ny raharaha ny fiangonana sy ny fandraisam-bola no betsaka. Dia mihika amin’izany isika. Amin’izany moa isika tsy ao anatiny fa ny hafa ihany.

Fa dia izany fotsiny ve no tena nahatonga an’i Jesosy ho tezitra toa izao, sa nisy zavatra hafa. Mahagaga ihany mantsy fa tsy dia tezitezitra foana tahaka izao ny Tompo. Ny Jiosy aza moa gaga. Ny tohin’ny tantara no hanambara antsika izany. Satria tsy mpanao izany ny Tompo dia nametraka fanotaniana ny Jiosy. Tsapany fa misy antony hafa ny nahatonga izao ka dia hoy izy : »Inona no famantarana ataonao aminay no dia manao izao zavatra izao Hianao. » Valiteny tsy nampoizina no nataon’i Jesosy. valiteny tsy misy ifandraisany amin’ny fanotaniana akory. Hoy ny navaliny : »Ravao ity tempoly ity ary amin’ny hateloana dia ho hatsangako indray izy » Gaga ny jiosy zavatra tsy mety ho tanteraka mihitsy no nolazain’i Jesosy. Ny tenany anefa no nolazainy tamin’izany. Handalo ny fahoriana Jesosy ary dia hiafara amin’ny fahafatesana izany nefa hitsangana amin’ny maty Izy amin’ny andro fahatelo. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia tsaron’ny mpianatra izany. Raha nandroaka ireo mpivarotra Jesosy dia efa milaza sahady izany fa tsy ilaina intsony ny fanatitra fa ny Tenany mihintsy no natolony ho fanatitra indray mandeha monja. Noho izany dia nilaina nakipily izany. Fa ho anao kosa inona no horohaina. Tokony hakipilitsika ireo fahazaran-dratsy efa raiki-tapisaka ao amintsika, fahazarana izay naka toerana ka ilaina karavasy mihitsy vao afaka ialana.

Nilain’i Jesosy navaozina ny tempoly. Nilainy nalana tao amin’ny tempoly izay rehetra manelingelina ny olona tsy hahita an’Andriamanitra. Ho anao koa rohay ireo fofona rehetra manamaimbo ny fiangonana, ireo kotaba nandoto ny fiainan’ny fiangonana.

Tian’i Jesosy ho ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany noho ho hita .Tsy tantiny ny nahita ny mpivarotra nameno ny Tempoly. Mazàna ry havako isika tahaka ireo mpivarotra ireo tsy mijery afatsy ny ho antsika. Ny voninahitro, ny fahefako, ny tombony ho ahy izany no mahatonga ahy ao am-piangonana. Fadina koa izany ka ny soa ho an’ny fiangonana aloha no mahamaika.

Fa hamarana izany isika, ao amin’ny andininy faha 23-25 raha tohizatsika izay voasoratra dia voalaza fa nisy olona izay nino an’i Jesosy noho ny famatarana nataony. Nefa voalaza fa tsy nahatoky azy Jesosy dia hoy aho hoe : « Sao mba milaza ho mino an’i Jesosy isika, nefa tsy hahatokisan’i Jesosy kosa. Aza anie izany ry havako !