TENY ho vakiana

Ezekiela 33.7-9

Romana 13.8-10

Matio 18.15-20

Tamin’ny tapa-bolana dia niresaka momba ny Fiangonana isika izay nolazain’i Jesosy fa ahorina eo ambon’ny vatolampy ary i Petera no lazainy tamin’io. Tamin’ny heriny dia hitatsika fa ilay vatolampy hanorenana ny fiangonany dia notenen’i Jesosy mafy satria niseho ny fahalemeny. Androany dia tian’i Jesosy haseho fa ny olona ao amin’io Fiangonana io tsy olo-masina sy tsy mana-tsiny akory, fa olombelona tahaka ny olombelona rehetra ka mety manota. Fantatry Jesosy fa mitovy amin’ny rehetra ihany ny olona ao amin’ny Fiangonana, ka manana ny fahalemeny sy ny fahatsotsany. Tsy Fiangonana tsy manana olana akory no nahorin’ny Tompo. Na Fiangonana nokenakenaina sy narovana. Fa Fiangonana mbola eto amin’izao tontolo izao noho izany tsy ilaozan’ny zava-manahirana. Koa ny teny izay voalahatra ho an’ny androany dia tafiditra amin’ny toriteny faha-efatra nataon’i Jesosy ary natokany indrindra honomezana toromarika ho an’ny vondrona misy ny mpanaraka Azy. Ary eto moa dia nolazainy mihitsy hoe : »Fiangonana » ireny vondrona ireny. Nefa ny toro-marika nataon’i Jesosy dia mety koa ho an’ny fikambanana rehetra, mety ho an’ny tokatrano, mety ho an’ny fiara-monina aza.

Any am-boalohany dia hafanam-po re izao. Nefa hoy ny razantsika hoe : « Ny ela maha-re roy ». Mipoitra ny tsy fitovian-kevitra, mitranga ny ady lahy. Tsy misy fikambanana eny fa na dia ny Fiangonana aza tsy tratra izany. Ary izay no nahatonga an’i Jesosy nanoro hevitra, hisorohana ny ady saritaka. Ny Ntaolo dia nilaza hoe : « Izay tsy miady olom-bodo fa ny to-fo mamosavy. » Henoy anie izay nambaran’i Jesosy : Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao ; » Ny Fiangonana tian’i Jesosy hahorina dia Fiangonana afaka mifanakalo hevitra ny ao anatiny. Ny misongadina ao amin’ireo tenin’i Jesosy ireo dia ny miresaka sy mihaino. Ary notsindrianany fa tokony hatao am-pitiavana izany. Am-pitiavana satria raha jerena ny voalazan’i Jesosy dia tsy isika no nanota fa ilay namantsika. Isika anefa asain’i Jesosy manatona azy. Izany hoe isika izay iaran’ilay natao indray no asainy manao dingana hanatona an’ily nanota. Ary tsy manatona mba hibedy sy hitezitra, fa manatona hiresaka sy hihaino. Tsy natao koa ho anjatsika ny hitsara na dia fanatatra izao fa aza fa diso ilay namatsika. Ary izany no nahatonga an’iJesosy niteny ny tsy hitsaratsika ny namatsika satria hoy Izy :  » Tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny. » Tsy mora ary tsy vita izany raha tsy misy fitiavana. Izay no lalàna voalohany apetraka amitsika. Ny Fiangonan’ny Tompo dia Fiangonana afaka mifanakalo hevitra sy miresaka. Tsy vitsy ny Fiangonana mikorotana mazàna tonga hatramin’ny fivakisana izany. Efa nisy fifanatonana am-pitiavana ve ka niresaka sy nihaino ny tao amin’ireny Fiangonana ireny ?

Nambaran’ny Tompo koa fa mety hisy ny fandavana avy amin’ilay namatsika nefa dia nolazainy fa mbola tokony hanatona hatrany ilay namanatsika isika. Amin’ny voalohany dia isika sy ilay namatsika irery aloha. Mba tsy hielezan’ny resaka ka tsy hanala baraka ilay namatsika. Rehefa tsy mety izany dia mitondra olona iray na roa mba hisy vavolombelona sy olona hafa afaka hijery amin’ny fomba tsy miangatra. Izay vao entina ao amin’ny Fiangonana ny raharaha. Raha mbola tsy misy vokany izay izy vao alana tsy ho ao amin’ny Fiangonana. Ala-nenina anie izany re olona e ! nefa zava-dehibe ny firaisana ao amin’ny Fiangonana, noho izany dia tokony efa nandramana daholo ny fomba rehetra hahazoan’ilay namanatsika. Ary izay ny lalàna faharoa apetrak’i Jesosy. »Miezaka mandrakariva hitandro ny firaisana ».

Tsotra dia tsotra ireo toro-hevitra nataon’i Jesosy ireo. tsotra nefa sarotra indraindray ny manatanteraka azy. Fa nambarany kosa fa eo amin’ny fihetsika rehetra hataotsika dia miaraka amitsika foana Andriamanitra. Nambarany fa misy ifandraisany ny aty an-tany sy ny any an-danitra. « Na inona na inona fehezinareo ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra ; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra » Tompon’antoka amin’izay nitranga ety an-tany koa ny lanitra. Ho an’Andriamanitra dia tokony tsy hisy ho very na dia iray aza.

Manampy fanambarana roa koa Jesosy. Naveriny ny fisin’ny fifandraisana amin’ny lanitra sy ny ety an-tany, fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny olona. « Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany…Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Koa ho kivy ve raha tsy mahomby indraindray ny fampihavanana ataotsika ? Tsia satria tokony ho tsaroana ny herin’ny vavaka sy ny fanatrehan’i Tompo ao amin’ny Fiangonana. Tsy hita maso Izy nefa dia ao amin’ny Fiangonana. Sao sanatria kosa Fiangonana tsy mahatamana an’Jesosy ny Fiangonatsika. Enga anie ka tsy ho izany.