TENY ho vakiana

Eksodosy 22.20-26

1 Tesaloniana 1.5-10

Matio 22.34-40

Tamin’ny heriny dia hitatsika fa na dia niezaka ny hamandrika an’i Jesosy aza ny fariseo ny herodiana dia niala maina. Raha jeretsika koa ireo andiny mialoha ireto teny norasina ireto dia sina koa, ka tsy nahita teny ny Sadoseo. Eto dia niverina indray ny Fariseo ary nisy mihitsy taminy izy ireo mpahay lalana. Dia napetraka ny fanotaniana : « Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna ? » Ho an’ny mpandinika dia mipetraka tahaka izao ny fanotaniana ho an’iza ny adidy lehibe indrindra ?

Raha ny didy folo no jerena dia mikasika an’Andriamanitra sy ny olona no voalaza ao. Koa raha mandray iray amin’ireo didy ireo Jesosy dia hianjera ao anaty fandrika. Raha mandray ny didy mikasika an’Andriamanitra izy dia toa mana-maivana ny momba ny olona ary raha mandray ny momba ny olona izy dia tsy mijery ny momba an’Andriamanitra. Isika koa na dia tsy mametraka ny fanotaniana aza dia mieritreritra foana hoe iza nolehibe amin’ireo didy folo ireo Mazàna aza te-hilaza hoe ny tahaka izao dia lehibe kokoa ny fahotana raha mandika azy. Dia mitranga eo ny ady hevittra Misy ny mihevitra fa izay hahametimety ny fiainan’ny olona aloha no maika. Ho azy ireny aza : » Mbola ilaina ve Andriamanitra sa tsia ? Etsy an-daniny kosa dia misy ny dia misy ny manenjana ny momba an’Andriamanitra ka indraindray hadino izay mikasika ny olombelona fa ny vavaka ihany dia ampy.

Fa andeha hiverina amin’ny fanotaniana napetraka tamin’i Jesosy isika. Ratsy fipetraka ny fanotaniana. Ahoana no havalin’i Jesosy ? Tahaka izay nataony tamin’ny Fariseo sy ny Herodiana dia tsy valiny iray no nomeny fa valiny roa.

Ny voalohany dia ny hoe : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra » Toa mandeha ho azy ny namalin’i Jesosy io valiteny voalohany io. Mazava ho azy fa Jesosy noho ny maha-zanak’Andriamanitra Azy dia mametraka ny ho ambony ny fitiavana an’Andriamanitra. Ary io fitiavana an’Andriamanitra io dia ny fanaperana satria miverina in-telo ao ny hoe rehetra. Raha izany tsy misy toerana ho an’ny zavatra hafa intsony. Lehibe loatra izany ary tsy ho vita hoy isika, nefa ny Jiosy dia mamerina isan’andro ny hoe : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra ». Izay hita ao amin’ny bokin’i Deotornomia no naverin’i Jesosy eto. Izay no didy voalohany . Fitivana an’Andriamanitra izay tsy mifanohitra amin’ny olombelona akory. Saingy kosa tsy manome toerana ho an’ny sampy,na izay heveritsika hasolo an’Andriamanitra toy ny vola, ny avonavona sy ny sisa… No izany dia tokony ho hita amin’ny fiainatsika, ny fihetsitsika, ny fombatsika, ny fitenitsika… fa tena tia an’Andriamanitra isika ary Andriamanitra Ray izay naniraka an’i Jesosy irery ihany no Andriamanitsika.

Ny valiteny faharoa dia : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Io koa tsy vaovao satria hita ao amin’ny bokin’i Levitikosy. Jesosy dia niteny fa ity faharoa ity dia : tahaka ny voalohany. Izany hoe mifanampy fa tsy mifanohitra. Tsy azo hampifanoherina Andriamanitra sy ny namana. Ireo teny maro voasoratra mirakitra ny teny nataon’i Jesosy no hahitatsika izany. Ohatra amin’ireny : « Lazaiko aminareo marina tokoa : Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. » Ao koa izay voasoratra ao amin’ny Epistilin’i Jaona : « Raha misy manao hoe : Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy ; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany ? ». Zava-dehibe ny fitiavana ny namana. Raha manota amin’ny namana isika dia manota koa amin’Andriamanitra.

Fitiavana roa mitovy no nandidin’i Jesosy. Fitiavana tsy afaka misaraka fa ilaina daholo eo amin’ny fiainana. Ho an’i Jesosy ny tena kristiana dia mifanatrika mandrakariva amin’Andriamanitra sy ny olona. Tana-kavia sy havanana Andriamanitra sy ny namana ka izay handidina maharary. Jesosy moa dia niteny mihintsy eto hoe : » Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.