TENY ho vakiana

Isaia 45.1,4-6

1 Tesaloniana 1.1-5

Matio 22.15-21

Mandalo fahasarotana izao tontolo izao. Toa tsy ho voatohana intsony ny fitotongana ny fiari-karena saika manerana ny firenena rehetra. Very hevitra daholo ny mpitondra rehetra. Navoaka ny tahiry saika ny rehetra hanetsemana ny toe-karena. Tsy bitan’izany fa na dia tsy ady lehibe tahaka ny fahita teo aloha aza dia misy ary tena misy ny ady. Ady ny samy firenena, ny ady an-trano. Rehefa mahita izany isika dia mieritreritra fa tsy mbola nisy tahaka izany teto ambonin’ny tany. Nefa raha mandinika ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina isika dia mahita fa efa nisy hatry ny ela ny toa izany. Raha tsy hijery afatsy ity tantara voarakitra eto amin’ny Filazantsaran’i Matio ity isika dia hahita fa sarotra koa ny fianana tamin’ny andron’i Jesosy. Niaina tao anatin’ny zava-manahirana tokoa Jesosy. Zana-tany romana ny Jiosy ary feno miaramila romana ny tanana. Etsy an-daniny koa dia misy ireo tia tanindrazana toa ireo nantsoina hoe Zelota dia mitarika ny olona hikomy sy tsy handoha hetra ho an’i Kaisara. Tao anatin’izany no misy ity tantara ity. Ary tahaka ny fahita amin’izao fotoana izao dia samy mitady izay hahazoany ny metimety kokoa hampandroso ny antokony sy ny heviny ny olona na fikambanana rehetra. Eto dia antokon’olona tsy tokony ary tsy mety hiaraka mihitsy no niray hevitra hamandrika an’i Jesosy. Ny herodiana dia ireo mpomba ny romana sy ny fariseo izay miezaka ny hitana hatrany ny fivavahana Jiosy. Tsy vitan’ny hoe tsy mahazoazo an’i Jesosy izy ireo fa tena nitady mihitsy izay hahafaty azy.

Koa dia tonga nameptraka fanotaniana tamin’i Jesosy izy ireo. Ny fanotaniana napetraka dia tsy azon’i Jesosy ialana fa na hamaly eny izy na hamaly tsia dia handrirotra izay valiny teny na ny an-daniny na ny ankilany. « Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny làlan’Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona. » Ireo fanasoasoa ireo dia jono netin’izy ireo namandrika an’i Jesosy. Nefa tsy fanasoasoana be fahatany fa tena izany tokoa Jesosy. Jesosy izay nidera ny finoan’ilay kapiteny romana, naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Jesosy ô ampio izahay ho tahaka anao ka tsy hijery tavan’olona.

Rehefa vita fanasoasoa dia nipetraka amin’izay ny fanotaniana ; « lazao aminay ary izay hevitrao : Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia ? » Fetsifetsy be ilay fanotaniana. Raha mamaly tsia Jesosy dia ho avy ny herodiana ka hitory azy fa mpanakorotana Izy ka mitarika ny olona tsy handoha vola ho an’i Kaisara. Raha mamaly eny indray dia ny jiosy rehetra no tsy hofaly aminy satria nalai-kanirina Izy vao maika nampivandravandra. Ny fiangonana koa amin’izao fotoana izao tratran’izany satria na miteny izy na tsy miteny toa voatarika atsy sy aroa foana.

Niandry daholo ny rehetra : « Inona no havalin’i Jesosy ? » Nefa « Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe : Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo, ry mpihatsaravelatsihy ? Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ny hetra, Dia nitondrany denaria Izy. » Tsra ihany ny manamarika fa vola karazany roa no niasa tamin’izany. Ny karazany voalohany dia ny vola romana izay ampiasana amin’ny fiainana andavan’andro. Noheverin’ny Jiosy fa vola maloto io ka tsy navelany hiditra any amin’ny tempoly na ny synagoga fa vola hafa no hampiasaina any. Ny mahagaga nanana vola romana ny fariseo na dia noheveriny aza fa vola maloto izany.

Dia hoy Jesosy : « Ary hoy Jesosy taminy : An’iza ity sary sy soratra ity ? Hoy izy taminy : An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy : Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra » Lasa fiteny malaza ireo teny navalin’i Jesosy azy ireo. Nolazain’i Jesosy mazava tsara fa tsy maintsy haloa amin’i Kasaira ny hetrany. Izany dia tafapetra tsara amin’izay voarakitra ao amin’ny Baiboly milaza fa ny fahefana rehetra eto ambonin’ny tany dia avy amin’Andriamanitra. Tamin’i Jesosy dia tsy azo avela akory ny raharaha politika, sy ny firenena. Ny fitantanana ny fiainam-pirenena dia ilana vola ka mila fandoavana hetra.

Mifanehitra amin’izany olana izany ny fiangonana saika hatramin’ny ela. Voantso hanatontosa ny andraikiny eto amin’izao tontolo izao ny kristiana. Tsy maintsy koa manajaka ny lalàn’ny firenena misy azy ny Kristiana tahaka an’i Jesosy. Saingy noperan’i Jesosy tsy ho lasa omen’ny olona ny toeran’Andriamanitra ny Mpitondra sy ny politika. Misy ny kristiana mihevitra fa mifanaraka amin’ny finoana kristiana ny antoko politika arahany nefa misy koa ny kristiana hefa manana antoko politika hafa izay manao toa izany. Noho izany dia tsy misy afaka mitompo teny fantatra fa hany manana ny marina. Omeo an’i Kaisara izay any Kaisara hoy Jesosy toa ny milaza hoe tsy Andriamanitra akory Kaisara.

Fa ny tena zava-dehibe dia izay nolazainy ato aoriana. Tsy ny tontolon’ny olona akory ny firenena sy ny politika. Omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Tsy ny toerana misy azy eto amin’ny fiaraha-monina no maha izy ny olona. Tsy ny hanina ihany na ny trano ..no ilainan’ny olona. Raha ny fahitana ny sarin’ny Kaisara teo amin’ny vola no niantoka ny fandoavana ny hetra ho azy, nahoana kosa ny fahitana ny olomblona mitovy amin’Andriamanitra no tsy hahatonga azy hanome ny tenany manontolo ho Azy.

Mahafantatra tsara isika amin’izao fiandohan’ny taona telo arivo izao fa eo amin’ny firenena izay tsy manaja an’Andriamanitra dia tsy voahaja koa ny olombelona. Raha vao miheritreritra ny mpitondra fa masomadidiy ka tsy matahotra an’Andriamanitra dia voahosiosy ny olombelona sy ny zony. Nilaina noho izany ny namaritan’i Jesosy ny adiditsika amin’Andriamanitra. Ary ity fehezanteny faharoa ity dia mitaky amitsika ny hamompona voalohany indrindra an’Andriamanitra. Hoy Jesosy : »Katsao aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo ny zavatra rehetra.

Takiko foana ny hanajana ny zoko. Jereko koa ny hafa sy ny zony amiko. Fa ny zon’Andriamanitra kosa mba ahoana ? Toa adinoko izany.